Tiavo ny Olona Rehetra
Haka:
1. Jereko ny olon-drehetra, dia ’zao no mahavariana:
Samy hafa be izy ireo, samy hafa fiaviana.
Ao ny hafa loko sy volo, ao ’reo malemy ’zao.
Misy indray tsy mba miteny, fa fihetsika no atao.
Nefa arahabao ’nge izy e, Ho hitanao fa tiany ’zany.
Ho tsapanao rehefa mitsiky izy, Hoe kay mitovy ihany.
Tsy mba manavaka i Jehovah, Izaho sy ianao dia samy tiany.
Ny hafa koa ’ndao hampiantsika, Ho anisan’ny fianakaviany.

