Hihazakazaka ho any Amin’i Jehovah Aho
Haka:
1. ’Ndraindray aho mba kivy,
Mitomany mihitsy aloha.
F’efa haiko ’zay hatao
Raha mba te hitalaho ny fo.
(FIVERENANA)
Hihazakazaka aho, hiantsampy
Aminao Jehovah, dia hivavaka aho.
Hahery fo, tsy hanahy, fa ianao handray ahy
Rehefa hihazakazaka aho.
2. ’Zaho tsy mba kanosa,
Fa mahery kosa noho ianao.
Raha vao misy mampanahy,
Haiko hoe ianao hihaino ahy, raha mba miantso aho.
(FIVERENANA)
Hihazakazaka aho, hiantsampy
Aminao Jehovah, dia hivavaka aho.
Hahery fo, tsy hanahy, fa ianao handray ahy
Rehefa hihazakazaka aho.