Hajao ny Zokiolona
Haka:
1. Tiako ny mihaino an’ireo be taona
Izay hendry hoatr’anao koa.
Tiako ny mihaino anao mitantara
Izay niainanao taloha:
’Reo tanàna hitanao,
Ny olona efa nampianao,
Sy ny tsy fivadihanao,
Tsy niova hatram’izao.
Fa fony ianao mbola tanora
Nanompo foana, tsy variana.
Izao ianao tena afa-po
Rehefa atỳ aoriana.
Tiako ny mihaino an’ireo be taona,
Manaja azy kokoa.
Mba tiako aho ’zao rehefa lehibe
Raha manao hoatr’anao koa.