Faly Aho Manadio!
Haka:
1. Tian’i Jehovah ’zay madio.
Ny tany nataony madio.
Mampifaly an’azy aho ’zao raha mampirina kilalao.
Tian’i Jehovah ’zay madio,
Dia faly aho manadio!
2. Tian’i Jehovah ’zay madio.
Mba tiany isika hadio.
Hanadio trano aho aloha, dia ny vilia hosasako koa.
Tian’i Jehovah ’zay madio,
Dia faly aho manadio!
3. Tian’i Jehovah ’zay madio.
Hampiany isika hadio.
Mahafaly erỳ ny mahita hoe madio ny fananantsika!
Tian’i Jehovah ’zay madio,
Dia faly aho manadio!

