Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà ho An’i Jehovah—Hira Vaovao

 Hira 141

Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

Handika:

(Lioka 10:6)

  1. Mila mitory ’sika hoy Kristy

    Ka miantra sy maneho fitia,

    Toy ’zay nasehony tetỳ.

    Lalana maina, andro mahamay,

    Nandeha foana izy

    nitady ny ondry tsirairay.

    Isan-tanàna, eny an-tsena,

    Tadiavo ireo manetry tena.

    Ka itorio f’akaiky ny famonjena!

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    ’Ndao àry hitady

    ’Reo tia fihavanana eran-tany.

    ’Ndao f’aza miandry,

    Vonjeo ireo ’zay mitomany.

    Ary aza avela

    Hisy ho tavela.

  2. Maika ny asa, ny ora tsy azo ariana,

    Na dia iray no mba mandray,

    Nefa an’arivo no itoriana.

    Tiantsika ny ondry, sarobidy ny aina.

    ’Reo namoy fo mba hitraka,

    hisy hantenaina.

    Koa aseseo ny faritany,

    Tadiavo sao misy any ho any.

    Ho faly ’sika raha mikaroka hatrany.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    ’Ndao àry hitady

    ’Reo tia fihavanana eran-tany.

    ’Ndao f’aza miandry,

    Vonjeo ireo ’zay mitomany.

    Ary aza avela

    Hisy ho tavela.