Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà ho An’i Jehovah—Hira Vaovao

 Hira 146

Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

Handika:

(Matio 25:34-40)

  1. Faly ireo ondry hafa, satria miara-manompo

    Amin’ny rahalahin’i Kristy Tompo.

    ’Zay manampy an’ireny voahosotra ireny,

    Tsy maintsy hovaliany f’izy efa niteny:

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    “’Zay nanampy azy ireo dia nanohana ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.

    ’Zay nampionona azy ireo, nampahery ahy.

    ’Zay niantra azy ireo dia nangoraka ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.”

  2. “Ianareo no niantra ahy, tsy namela ahy ho noana.

    Nanome ’zay nilaiko ianareo, teo foana.”

    “Fa oviana moa ’zahay

    no nanao izany?”

    Dia hoy ny Mpanjaka, namaly avy hatrany:

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    “’Zay nanampy azy ireo dia nanohana ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.

    ’Zay nampionona azy ireo, nampahery ahy.

    ’Zay niantra azy ireo dia nangoraka ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.”

  3. “Fa nazoto nitory, niasa mafy ianareo,

    ka nanampy an’ireo rahalahiko ireo.

    Koa satria tsy nahafoy ahy

    ’nareo hatrizao,

    Avia mandovà ’lay tontolo vaovao!”