Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà ho An’i Jehovah—Hira Vaovao

 Hira 142

Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

Handika:

(1 Timoty 2:4)

  1. Andao hanahaka an’i Jehovah,

    ’Zay tsy manavaka fa tsara toetra.

    Tsarovy fa tsy misy tiany ho very

    Ireo karazan’olona rehetra.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Ka ny zava-dehibe

    Tsy ny bika na tarehy,

    Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao.

    N’iza n’iza io dia ampio,

    N’aiza n’aiza itorio

    Hoe: “I Jehovah te ho namanao!”

  2. Ny toerana misy azy aza jerena,

    Tsy mampaninona izay fitafiany.

    Jehovah no mahita ny ao am-po,

    Ny maha izy azy sy ’zay mba iriny.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Ka ny zava-dehibe

    Tsy ny bika na tarehy,

    Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao.

    N’iza n’iza io dia ampio,

    N’aiza n’aiza itorio

    Hoe: “I Jehovah te ho namanao!”

  3. Raha misy tapa-kevitra ny hiova,

    Jehovah mbola vonona ny handray.

    Koa ny karazan’olona rehetra,

    ’Ndao hitoriana, hampiana tsirairay.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Ka ny zava-dehibe

    Tsy ny bika na tarehy,

    Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao.

    N’iza n’iza io dia ampio,

    N’aiza n’aiza itorio

    Hoe: “I Jehovah te ho namanao!”