Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà ho An’i Jehovah—Hira Vaovao

 Hira 136

Efa Mitondra Ilay Fanjakana

Efa Mitondra Ilay Fanjakana

Handika:

(Apokalypsy 11:15; 12:10)

  1. Jehovah, ’lay nisy hatrizay

    Sy ho mandrakizay.

    Nasandratrao ny Zanakao,

    Manjaka izy izao.

    Efa miasa any an-danitra any

    ’Lay Fanjakana haneran-tany.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Izao ’lay Fanjakana

    Manan-kery sy fahefana,

    Hitondra fanovana.

    Ho tonga anie ’lay Fanjakana!

  2. Satana sy ny andro mahory

    Tsy haharitra ela intsony.

    Ny fiainanay na dia tsy mora,

    ’Zahay manam-pinoana.

    Efa miasa any an-danitra any

    ’Lay Fanjakana haneran-tany.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Izao ’lay Fanjakana

    Manan-kery sy fahefana,

    Hitondra fanovana.

    Ho tonga anie ’lay Fanjakana!

  3. Ny anjely rehetra any ambony

    Mihira amin’ny fony,

    Fa resy Satana Devoly

    Ka efa tsy any intsony.

    Efa miasa any an-danitra any

    ’Lay Fanjakana haneran-tany.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Izao ’lay Fanjakana

    Manan-kery sy fahefana,

    Hitondra fanovana.

    Ho tonga anie ’lay Fanjakana!