Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 139

Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

Mifidiana Raki-peo
Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Apokalypsy 21:1-5)

  1. 1. Saintsaino ange ny fiainanao

    Ao amin’ilay tontolo vaovao!

    Saintsaino ny fiadanana ao.

    Ahoana re no ho tsapanao?

    Ny ratsy dia tsy hisy ’ntsony,

    Satria Jehovah nandray ny zony.

    Haverina ho paradisa ny tany.

    Hirao sy derao àry

    ’lay nahatonga izany:

    (FIVERENANA)

    “Misaotra ry Ray, noho ’zay nataonao.

    Vaovao ny tany noho ’lay Zanakao.

    Ny hira asandratray dia avy ao am-ponay.

    Ny haja sy dera ho anao mandrakizay!”

  2.  2. Saintsaino indray izaho sy ianao,

    Ao amin’ilay tontolo vaovao!

    Izay jerena dia mampitony,

    Satria ny tahotra tsisy ’ntsony.

    Tanteraka ’zay nokasainy,

    Eo amintsika ny tranolainy.

    Ireo nodimandry hatsangany koa,

    Ka hiara-misaotra

    sy hihira amin’ny fo:

    (FIVERENANA)

    “Misaotra ry Ray, noho ’zay nataonao.

    Vaovao ny tany noho ’lay Zanakao.

    Ny hira asandratray dia avy ao am-ponay.

    Ny haja sy dera ho anao mandrakizay!”