Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 56

Raiso Am-po ny Fahamarinana

Mifidiana Raki-peo
Raiso Am-po ny Fahamarinana
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Ohabolana 3:1, 2)

  1. 1. Mba fantatrao ve ny mahasambatra eto an-tany?

    Ny fahamarinana ihany!

    Raha tianao Jehovah, dia ho tianao ny lalàny;

    Ekeo fa mahasoa anao ’zany.

    (FIVERENANA)

    Lova sarobidy,

    Io no marina, aza amidy!

    Raiso am-po

    fa tsy hanenenanao io,

    Ka ny marina fidio.

  2. 2. Ny fanompoanao, na tsy mora aza indraindray,

    Tsy hadino, tsy very maina.

    Fa ny miandry anao, valisoa mandrakizay;

    Fifaliana tsy hay lazaina!

    (FIVERENANA)

    Lova sarobidy,

    Io no marina, aza amidy!

    Raiso am-po

    fa tsy hanenenanao io,

    Ka ny marina fidio.

  3. 3. Jehovah anie Ray, te hitantana sy hiaro,

    Ka ny tananao atolory.

    Tianao ve ny hampiany, dia handray zava-tsoa maro?

    ’Zay lalana atorony izory!

    (FIVERENANA)

    Lova sarobidy,

    Io no marina, aza amidy!

    Raiso am-po

    fa tsy hanenenanao io,

    Ka ny marina fidio.