Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 89

Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

Mifidiana Raki-peo
Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Lioka 11:28)

  1. 1. Jesosy Kristy nampianatra antsika,

    Ka fantatsika fa mahasoa izany.

    Kanefa raha te ho sambatra isika,

    Dia hankatò sy hitandrina hatrany.

    (FIVERENANA)

    ’Zay mihaino sy mankatò

    Dia hotahina tokoa.

    Ho sambatra sy handray valisoa

    ’Zay mihaino sy mankatò.

  2. 2. Manaova trano eo ambony vatolampy,

    Izany mantsy no miaro ny aina.

    Tsarovy fa ny mandre dia tsy ampy;

    Ny mampihatra no tena ilaina.

    (FIVERENANA)

    ’Zay mihaino sy mankatò

    Dia hotahina tokoa.

    Ho sambatra sy handray valisoa

    ’Zay mihaino sy mankatò.

  3. 3. Ho toy ny hazo eo amoron’ny ony

    ’Reo mankatò an’i Jehovah Ray,

    Satria mamoa ka tsy halazo intsony;

    Homeny fiainana mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    ’Zay mihaino sy mankatò

    Dia hotahina tokoa.

    Ho sambatra sy handray valisoa

    ’Zay mihaino sy mankatò.