Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 62

Ilay Hira Vaovao

Mifidiana Raki-peo
Ilay Hira Vaovao
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Salamo 98)

  1. 1. Hira vaovao Ho an’i Jehovah no hatao.

    Ny asany mahagaga, Torio sy ambarao.

    ’Ndao hanandra-peo; Ny fandreseny andao hambara.

    Izy no Avo Indrindra,

    Mpanjaka sy Mpitsara.

    (FIVERENANA)

    Dia hirao

    ’Lay hira vaovao!

    Mba hirao,

    Jehovah no derao.

  2. 2. Koa ankalazao Ny anaran’Andriamanitsika.

    Hiram-pifaliana, ’Ndao horedonintsika!

    Izy no derao Dia asandrato re ny feo.

    Tsofy ny trompetra,

    Ny lokanga tendreo.

    (FIVERENANA)

    Dia hirao

    ’Lay hira vaovao!

    Mba hirao,

    Jehovah no derao.

  3. 3. ’Zay etỳ an-tany Sy any an-dranomasina any,

    Ianareo havoana, Derao ny hatsarany!

    Dia ny lohasaha Sy renirano hankalaza;

    ’Lay Mpanjakantsika

    Hataontsika malaza.

    (FIVERENANA)

    Dia hirao

    ’Lay hira vaovao!

    Mba hirao,

    Jehovah no derao.