Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 52

Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra

Mifidiana Raki-peo
Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Hebreo 10:7, 9)

  1. 1. Jehovah Ray ô, nataonao

    ’Zao rehetra misy izao.

    Ny tany sy ny lanitra

    Dia asa tananao.

    Mpamorona ianao, Jehovah,

    Avy aminao ny aina;

    Ka mendrika hivavahana,

    Ianao ’rery no hoderaina.

  2. 2. ’Lay Zanakao ’ndray andro izay,

    Nivavaka, nilaza

    Hoe: ‘Vonona aho ny hanompo anao,

    Na mety ho sarotra aza.’

    Nekeny ilay fanendrenao,

    Tsy niahotra izy, sahy.

    Rehefa avy natao batisa izy,

    Voahosotry ny fanahy.

  3. 3. Jehovah ô, izahay koa,

    ’Zahay koa nanokan-tena.

    Foinay ho anao ny fiainanay,

    Tsy nisy noterena.

    Nataonao vidin’ny ainay

    Ny ran’ny Zanakao.

    Na maty na velona izahay,

    Dia mandrakizay ho anao!