Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah

 HIRA 15

Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!

Mifidiana Raki-peo
Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!
FILAHARANY
Soratra
Sary

(Hebreo 1:6)

  1. 1. Jehovah nanendry

    Ny Zanany Lahimatoa

    Hitondra fitahiana

    Sy hiaro ny zony koa.

    Tia rariny izy, hanao soa,

    Ny tany hotsarainy;

    Ka hohamasinina anie

    Ny anaran’ilay Rainy!

    (FIVERENANA)

    Mendrika hoderaina

    ’Lay Zanaka Lahimatoa.

    Kristy manjaka ao Ziona,

    Derao izy amin’ny fo!

  2. 2. Jehovah nandefa

    Ny Zanany Lahimatoa,

    ’Zay nanome ny ainy,

    Hamonjy ’reo mankatò.

    Miakanjo fotsy madio

    Ny vadin’i Kristy.

    ’Lay fampakaram-bady,

    Hitondra soa doria!

    (FIVERENANA)

    Mendrika hoderaina

    ’Lay Zanaka Lahimatoa.

    Kristy manjaka ao Ziona,

    Derao izy amin’ny fo!