Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Hira

Manampy ny Finoana

Manampy ny Finoana
FILAHARANY
Soratra
Sary

Haka:

  1. 1. ’Zay andro mandalo, tsy mora setraina.

    Ny ampitso aza mbola mampiady saina.

    Nefa hoy ianao: “Misy antenaina.”

    Nanome toky ahy indray ny Baiboly,

    Ka maivamaivana aho ’zao no sady tony

    ’Zay nampanahy tsy nisy intsony.

    (FIVERENANA)

    Na dia mafy aza ny mahazo ahy

    Dia manampy ahy ny finoana.

    N’inona hitranga, izaho tsy hanahy,

    Manampy ahy ny finoana.

    ’Zay no hanampy ahy.

  2. 2. ’Lay vaovao mahafaly mba tiako hotorina

    Satria mbola maro ’reo mila ampiana,

    Mbola mijaly sy be fahoriana

    Fa feno ny ato am-poko,

    Dia vonona ny saiko

    Hanampy ny hafa hahalala ’zay efa haiko

    Momba ny hoavy ’zay antenaiko.

    (FIVERENANA)

    Na dia mafy aza ny mahazo ahy

    Dia manampy ahy ny finoana.

    N’inona hitranga, izaho tsy hanahy,

    Manampy ahy ny finoana,

    ’Zay no hanampy ahy.

    (TETEZANA)

    Mba mijaly aho ’ndraindray, fa mino anefa aho

    Hoe izaho tsy irery fa hanampy ahy i Jehovah.

    Hoy izy: “’Zaho antsoina rehefa very,

    Satria eo foana aho hampahery.

    Matokia fa ’zaho tsy handao,

    Sy hitantana anao.”

    (FIVERENANA)

    Na dia mafy aza izay hanjo,

    Izao no tsy azo hadinoina:

    Na dia maizim-pito ny eo aloha,

    Hanampy ahy ny finoana.

    (FIVERENANA)

    Tena mino aho, matoky aho fa

    Hanampy ahy ny finoana.

    Ny olana rehetra dia mbola hivaha.

    Hanampy ahy ny finoana.

    ’Zay no hanampy ahy.