Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Desambra 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | ILAINA VE NY MAHAZO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Mora Azo ny Zavatra Lazain’ny Baiboly

Mora Azo ny Zavatra Lazain’ny Baiboly

Boky efa ela be ny Baiboly. Tany Israely sy ny firenena manodidina azy no nanomboka nosoratana izy io, 3500 taona teo ho eo izay. Tamin’ny fotoana nitondran’ny tarana-mpanjaka Shang tany Chine izany, ary 1000 taona teo ho eo talohan’ny nisian’ny fivavahana Bodisma tany Inde.—Jereo ilay efajoro hoe “ Ny Zavatra Mampiavaka ny Baiboly.”

Hita ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina eo amin’ny fiainana

Raha tiana hanampy sy hitari-dalana ny olona ny boky iray, dia tokony ho azon’izy ireo tsara ny zavatra lazainy sady azony ampiharina. Tena izany mihitsy ny Baiboly. Hita ao ny valin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina eo amin’ny fiainana.

Efa nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Inona no antony namoronana antsika?’ Efa an’arivony taona izany no nanahiran-tsaina ny olona. Hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly anefa ny valin’izany, ao amin’ny Genesisy toko voalohany sy toko faharoa. Resahiny ao ny zava-nisy “tany am-piandohana”, an’arivony tapitrisa taona lasa izay. (Genesisy 1:1) Tamin’izay no nanomboka nisy izao rehetra izao, anisan’izany ny vahindanitra sy ny kintana ary ny tany. Hazavaina tsikelikely ao hoe ahoana no nahatonga ny tany ho azo iainana, ahoana no nampisy ny zavamananaina isan-karazany, ahoana no namoronana ny olona, ary inona no antony nanaovana an’izany rehetra izany.

NY FOMBA NANORATANA AZY

Misy torohevitra manampy antsika hamaha olana eo amin’ny fiainana ao amin’ny Baiboly. Tsy sarotra ny mahazo azy ireny. Nahoana?

Tsotra sy mazava ary mahaliana ny teny ao amin’ny Baiboly. Tsy misy hevitra saro-takarina na hafahafa koa ao. Teny fampiasa andavanandro koa no ilazana hevitra sarotra, ka tonga dia mora azon’ny olona.

Imbetsaka, ohatra, i Jesosy no nampiasa fanoharana tsotra rehefa nampianatra, mba hanohinana ny fon’ny olona. Zavatra fanao amin’ny fiainana andavanandro no noresahiny tamin’izany. Nampiasa fanoharana be dia be hoatr’izany izy, tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hita ao amin’ny Matio toko 5 ka hatramin’ny toko 7 izany. Nilaza ny manam-pahaizana iray hoe: ‘Tena azo ampiharina ilay toriteny. Natao hitari-dalana antsika sy hahasoa antsika izy io, fa tsy natao hamenoana ny saintsika.’ Mety ho vitanao ao anatin’ny 15 ka  hatramin’ny 20 minitra ny hamaky an’ireo toko ireo. Ho gaga anefa ianao rehefa mamaky an’ilay izy, satria tsotra ny fampianaran’i Jesosy nefa mafonja.

Inona koa no mahatonga ny Baiboly ho mora azo? Ny zavatra resahiny. Tsy angano no tantaraina ao fa zavatra tena nisy. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): ‘Tantaran’olona nalaza sy olon-tsotra no tena betsaka ao. Resahiny ao ny zava-tsarotra natrehin’izy ireny, ny fanantenany, ny zavatra tsy nety nataony, ary ny zavatra tsara vitany.’ Mora amintsika ny mahazo an’ireny tantara sy zava-nitranga ireny. Afaka mandray lesona avy amin’izy ireny koa isika.—Romanina 15:4.

NATAO HO AN’NY OLON-DREHETRA

Tsy maintsy amin’ny fiteny hainao aloha ny boky iray izay vao ho azonao izay lazainy. Azo antoka fa misy amin’ny fiteny hainao ny Baiboly, na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona fiavianao. Ahoana no nahavitana an’izany?

Fandikan-teny. Tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika no nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany. Vitsy kely àry ny olona afaka namaky azy io. Tsy maintsy nadika tamin’ny fiteny samihafa ny Baiboly, ka nanao ezaka be ny mpandika teny mba hahavitana an’izany. Efa voadika amin’ny fiteny 2700 eo ho eo izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany amin’izy io. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eran-tany àry no afaka mamaky ampahany amin’ny Baiboly, fara fahakeliny.

Famoahana azy. Zavatra mora simba no nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany, ohatra hoe hoditra na taratasy papyrus. Tsy maintsy naverimberina nadika tanana àry izy io mba tsy ho very. Tsy maintsy nitandrina be koa izay nanao an’izany. Lafo be izy ireny ka vitsy ihany no nahatakatra ny vidiny. Namorona milina fanaovana pirinty anefa i Gutenberg, tamin’ny taona 1450 tany ho any, ka lasa niparitaka haingana be ny Baiboly. Dimy arivo tapitrisa mahery ny Baiboly, manontolo na ny ampahany aminy, efa voazara, araka ny tombantombana.

Hita amin’izany fa tsy misy boky momba ny fivavahana azo ampitahaina amin’ny Baiboly mihitsy. Tsy sarotra ny zavatra lazain’izy io. Mila miezaka anefa ianao vao tena hahazo izay voalaza ao. Iza àry no mety ho afaka hanampy anao? Ary inona ny soa mety ho azonao? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.