Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | MANKASITRAKA NY ADY VE ANDRIAMANITRA?

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Fahiny

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Fahiny

Ny Israelita no vahoakan’Andriamanitra fahiny. Nampijalin’ilay firenena matanjaka atao hoe Ejipta izy ireo. (Eksodosy 1:13, 14) Nivavaka tamin’Andriamanitra imbetsaka io vahoaka io, mba ho afaka tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina. Tsy nivaly teo no hoe eo anefa ilay vavaka, fa tsy maintsy niandry an-taonany maro izy ireo. Nanao zavatra ihany Andriamanitra, tamin’ny farany. (Eksodosy 3:7-10) Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra mihitsy no niady tamin’ny Ejipsianina. Nasiany tamin’ny loza nisesisesy sady nahatsiravina i Ejipta, ary naripany tao amin’ny Ranomasina Mena avy eo ny mpanjakany sy ny tafiny. (Salamo 136:15) Noporofoin’i Jehovah Andriamanitra fa “mpiady mahery” ho an’ny vahoakany izy.—Eksodosy 15:3, 4.

Tsy hoe halan’Andriamanitra daholo àry rehefa ady, raha jerena ny ady nataony tamin’ny Ejipsianina. Nisy fotoana izy namela ny Israelita hiady. Nasainy niady tamin’ny Kananita, ohatra, izy ireo satria ratsy fanahy be ny Kananita. (Deoteronomia 9:5; 20:17, 18) Nanome toromarika an’i Davida mpanjakan’ny Israely izy mba hiady tamin’ny Filistinina. Nampijaly ny Israelita mantsy izy ireo. Natoron’Andriamanitra paikady mihitsy aza i Davida, amin’izay mandresy.—2 Samoela 5:17-25.

Hita amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly ireo fa rehefa nisy nampijaly na nampahory ny Israelita, dia navelan’Andriamanitra hisy ny ady mba hiarovana ny vahoakany sy ny fivavahana marina. Mariho anefa fa nisy zavatra telo nampiavaka an’ireny ady ireny.

  1. ANDRIAMANITRA IHANY NO NAMARITRA HOE IZA NO ALEFA HIADY. Nisy fotoana izy nilaza tamin’ny Israelita hoe: “Tsy mila miady ianareo amin’ity indray mandeha ity.” Fa nahoana? Satria Andriamanitra mihitsy no niady ho azy ireo. (2 Tantara 20:17; 32:7, 8) Imbetsaka izy no nanao an’izany, ohatra hoe ilay nataony tamin’ny Ejipsianina. Nasainy niady anefa ny Israelita, indraindray, mba hakana sy hiarovana ny Tany Nampanantenaina.—Deoteronomia 7:1, 2; Josoa 10:40.

  2. ANDRIAMANITRA IHANY NO NAMARITRA HOE RAHOVIANA NO HATAO ILAY ADY. Nila niady ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nisy nampijaly na ratsy fanahy be ny olona nanodidina azy ireo. Tsy maintsy niandry ny fotoana nety tamin’Andriamanitra  anefa izy ireo. Tsy nahazo nandeha niady mihitsy izy ireo, mandra-pahatongan’izany. Raha nanandrana nanao an’izany izy ireo, dia tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa loza ny vokany rehefa sahisahy nandeha niady ny Israelita, nefa tsy nahazo alalana tamin’Andriamanitra akory. *

  3. Niady tamin’ny Kananita Andriamanitra nefa narovany ihany ny sasany tamin’izy ireo, ohatra hoe i Rahaba sy ny fianakaviany

    TSY TIAN’ANDRIAMANITRA HO FATY NY OLONA, ANISAN’IZANY NY RATSY FANAHY. I Jehovah Andriamanitra no Loharanon’aina sady Mpamorona ny olombelona. (Salamo 36:9) Tsy tiany ho faty àry ny olona. Misy olona ratsy fanahy mitady hampijaly ny hafa anefa, na te hamono azy ireo mihitsy. (Salamo 37:12, 14) Nisy fotoana navelan’Andriamanitra hiady ny Israelita, mba hanakanana an’ireny olona ratsy fanahy ireny. Na izany aza anefa, dia ‘namindra fo’ sy “tsy mora tezitra” tamin’izy ireny i Jehovah. (Salamo 86:15) Nanome didy, ohatra, izy hoe alohan’ny handehanan’ny Israelita hiady amin’ny tanàna anankiray, dia tokony holazaina amin’ny mponina ao aloha “izay fepetra tsy hisian’ny ady.” Ho afaka hiova amin’ny ratsy fanaony izy ireo amin’izay, ka tsy hisy ny ady. (Deoteronomia 20:10-13) Asehon’Andriamanitra amin’izany fa ‘tsy sitrany ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny mba ho velona izy.’—Ezekiela 33:11, 14-16. *

Hita avy amin’izany fa fomba nampitsaharan’Andriamanitra ny fampijaliana sy ny faharatsiana ny ady, fahiny. Andriamanitra anefa fa tsy olona no namaritra hoe rahoviana ilay ady no hatao, ary iza no hanao an’ilay izy. Tena lian-dra ve anefa Andriamanitra, ka mailaka erỳ izy raha vao hoe resaka ady? Tsy izany mihitsy. Mankahala ny herisetra izy. (Salamo 11:5) Niova ve ny fiheveran’Andriamanitra ny ady rehefa tonga tetỳ an-tany i Jesosy Kristy Zanany tamin’ny taonjato voalohany, mba hitory sy hampianatra?

^ feh. 7 Tsy navelan’Andriamanitra hiady tamin’ny Amalekita sy ny Kananita, ohatra, ny Israelita, indray mandeha. Mbola lasa ihany anefa izy ireo ka resy. (Nomery 14:41-45) Nandeha niady koa i Josia Mpanjaka, taona maro tatỳ aoriana, na dia tsy nahazo alalana tamin’Andriamanitra aza. Loza ny vokany satria nafoiny hatramin’ny ainy.—2 Tantara 35:20-24.

^ feh. 8 Nahoana ny Israelita no tsy nilaza an’izay fepetra tsy hisian’ny ady tamin’ny Kananita? Satria efa nomena 400 taona izy ireo mba hiovana. Mbola nanohy ny asa ratsiny ny ankamaroan’izy ireo, rehefa tonga nanafika azy ireo ny Israelita. (Genesisy 15:13-16) Mendrika ny horinganina tanteraka àry izy ireo. Tsy naringana kosa ny Kananita sasantsasany satria niova.—Josoa 6:25; 9:3-27.

Fanampim-panazavana

Niditra ny Tany Kanana ny Israelita

Nahoana i Jehovah no nitsimbina an’i Rahaba sy ny fianakaviany rehefa niditra ny tany Kanana ny Israelita?

‘Nambara ho Marina i Rahaba Noho Izay Nataony’

Nahoana ny tantaran’i Rahaba no mampiseho fa sarobidy amin’i Jehovah isika rehetra? Inona no ianarantsika avy amin’ny finoany?