Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA OKTOBRA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

Nahoana Isika no Asain’Andriamanitra Mivavaka?

Nahoana Isika no Asain’Andriamanitra Mivavaka?

Tiany ho lasa namany isika.

Mifampiresaka ny mpinamana, amin’izay lasa mifandray tsara. Asain’Andriamanitra hiresaka aminy koa isika, mba hifandray tsara aminy. Hoy izy: “Hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, ary hihaino anareo aho.” (Jeremia 29:12) Raha miresaka amin’Andriamanitra ianao, dia hanatona azy, ary izy ‘hanatona anao.’ (Jakoba 4:8) Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.” (Salamo 145:18) Vao mainka ianao hifandray akaiky amin’Andriamanitra, raha mazoto mivavaka.

“Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”—Salamo 145:18

Te hanampy anao izy.

Hoy i Jesosy: ‘Iza tokoa moa aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato? Ary raha angatahany trondro no hanome azy bibilava? Koa raha ianareo aza mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.’ (Matio 7:9-11) Manasa antsika hivavaka Andriamanitra satria ‘miahy antsika’ izy sady te hanampy antsika. (1 Petera 5:7) Asainy resahina aminy mihitsy aza ny olana manjo antsika. Hoy ny Filipianina 4:6: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”

Mila mifandray amin’Andriamanitra isika.

Hitan’ny manam-pahaizana momba ny olombelona hoe an-jatony tapitrisa ny olona te hivavaka. Anisan’izany ireo tsy mino an’Andriamanitra sy misalasala momba ny fisiany. * Hita amin’izany fa noforonina mba hifandray amin’Andriamanitra ny olona. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Miresaha foana àry amin’Andriamanitra. Anisan’ny fomba ampisehoantsika izany hoe mila azy isika.

Manasa antsika Andriamanitra mba hivavaka aminy. Inona avy ny soa mety ho azontsika raha manaiky isika?

^ feh. 8 Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibem-pikarohan’i Pew, tany Etazonia, tamin’ny 2012, dia ny 11 isan-jaton’ny olona tsy mino an’Andriamanitra sy ny olona misalasala momba ny fisiany no mivavaka, fara fahakeliny, indray mandeha isam-bolana.