Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JONA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | TSY ILAINA INTSONY VE NY BAIBOLY FA EFA EO NY SIANSA?

Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ny Siansa

Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ny Siansa

Araka ny diksionera iray, ny siansa dia “ny fianarana momba ny toetoetran’ireo zavatra eo amin’izao rehetra izao, amin’ny alalan’ny fandinihana, fanaovana andrana, ary fandrefesana.” Sarotra ny manao an’izany ary matetika no mampiady saina. Maharitra herinandro maro, amam-bolana, na aman-taona mihitsy ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa. Tsy misy vokany izy ireny indraindray, nefa imbetsaka no mahomby ka mahasoa ny olona. Ireto misy ohatra:

Nanamboatra fitaovana fanadiovana rano ny orinasa iray any Eoropa. Karazana plastika sy zavatra fanatantavanana rano no natambatr’izy ireo. Lasa tsy mankarary àry ny rano tsy azo antoka rehefa ampandalovina ao. Ampiasaina ny fitaovana hoatran’io rehefa misy loza voajanahary, ohatra hoe ilay horohoron-tany tamin’ny 2010 tany Haïti.

Misy zanabolana maromaro mifandray eny amin’ny habakabaka, ary antsoina hoe GPS (Global Positioning System) ny fitambaran’izy ireo. Natao ho an’ny miaramila izy io tamin’ny voalohany, nefa lasa ampiasain’ny mpitondra fiara, fiaramanidina, sambo, ary na dia ny mpihaza sy ny mpihanika tendrombohitra aza. Noho ireo manam-pahaizana namorona ny GPS, dia lasa mora kokoa ny mankany amin’izay toerana tiana haleha.

Mampiasa finday na ordinatera na Internet ve ianao? Nihasalama kokoa ve ianao na sitrana mihitsy, satria mandroso be ny fitsaboana? Mampiasa fiara ve ianao? Raha izany no izy, dia mandray soa avy amin’ny fandrosoan’ny siansa ianao.

MISY FETRANY NY ZAVA-BITAN’NY SIANSA

Te hampitombo ny fahalalany ny manam-pahaizana ka mikaroka lavitra kokoa. Misy mandinika ny any anatin’ny ataoma. Misy koa miezaka mikaroka an’izay nitranga tamin’ny an’arivony tapitrisa taona lasa mba hahalalana ny niandohan’izao rehetra izao. Tonga hatrany amin’ny zavatra tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny fikarohana ataon’izy ireo. Mihevitra àry ny mpahay siansa hoe raha tena misy ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly dia tokony ho hitan’izy ireo.

Tsy mianina amin’izany anefa ny mpahay siansa sy filozofa malaza sasany. Araka ny tenin’i Amir Aczel, mpanoratra boky momba ny siansa, dia manao fikarohana izy ireo mba “hanaporofoana hoe tsy misy Andriamanitra.” Hoy, ohatra, ny mpahay fizika malaza iray: “Tsy misy porofo mihitsy mampiseho hoe misy Andriamanitra mampandeha tsara an’izao rehetra izao, ka azontsika antoka fa tsy misy izany andriamanitra izany.” Misy kosa toa te hilaza hoe “mazia” na “hery hafahafa tsy mazava”, hono, no nampiasain’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. *

 Tena mahalala tsara ny momba an’izao rehetra izao ve anefa ny mpahay siansa ka afaka manatsoaka hevitra marina tsara? Tsia. Marina fa nahavita zavatra niavaka ny siansa. Betsaka anefa ny manam-pahaizana miaiky hoe be dia be ny zavatra tsy haintsika, ary mety hisy zavatra tsy ho fantatsika mihitsy aza. Hoy i Steven Weinberg, mpahay fizika nahazo loka Nobel, momba ny natiora: “Tsy ho fantatsika amin’ny an-tsipiriany daholo ny zava-drehetra.” Hoy koa ny Profesora Martin Rees, astronoma to teny sady manam-pahefana any Grande-Bretagne: “Mety hisy zavatra tsy ho takatry ny sain’ny olona mihitsy.” Betsaka àry ny zavatra tsy fantatry ny mpahay siansa, manomboka amin’ny sela bitika indrindra ka hatramin’izao rehetra izao midadasika. Ohatra:

  • Tsy mahafantatra tsara ny zava-mitranga ao anaty sela ny mpikaroka momba ny zavamananaina. Tsy hain’izy ireo, ohatra, hoe ahoana no fampiasany angovo sy famokarany proteinina ary ny fomba fizarany.

  • Tsapantsika isan’andro ny hery misinton’ny tany. Tsy tena fantatry ny mpahay fizika anefa izy io. Tsy hainy tsara hoe nahoana io hery io no mahatonga antsika hiverina eo amin’ny tany rehefa mitsambikina, ary nahoana izy io no mahatonga ny volana hihodinkodina manodidina ny tany.

  • Manombantombana ny mpandinika ny any ambony tsy taka-maso hoe ny 95 isan-jato eo ho eo amin’ny zavatra eo amin’izao rehetra izao no tsy hitan’ny fitaovana ampiasain’izy ireo. Antsoiny hoe angovo tsy fantatra sy zavatra tsy fantatra izy ireny, satria tsy hay mihitsy hoe inona.

Mbola betsaka no tsy fantatry ny mpahay siansa ka manahiran-tsaina azy ireo. Nahoana izany no mahaliana? Hoy ny lehilahy iray mpanoratra boky momba ny siansa: “Tena kely ny zavatra fantatsika raha oharina amin’ny zavatra tsy fantatsika. Rehefa mianatra siansa ny olona iray dia tokony ho talanjona ary te hianatra bebe kokoa, fa tsy hoe lasa tery saina.”

Raha mihevitra àry ianao fa tsy tokony hino an’Andriamanitra sy tsy tokony hampiasa Baiboly intsony isika satria efa eo ny siansa, dia diniho aloha izao: Marani-tsaina be ny mpahay siansa sady manana fitaovana arifomba, nefa kely ny zavatra fantany momba an’izao rehetra izao. Tsy afaka milaza àry isika hoe izay zavatra tsy hitan’ny siansa dia tsy misy. Marina mihitsy ny voalazan’ny lahatsoratra iray momba ny tantaran’ny astronomia ao amin’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy). Izao no eo amin’ny teny famaranana: “Efa ho 4 000 taona izay no nianarana astronomia. Rehefa dinihina anefa izao rehetra izao dia tsy mifankaiza loatra amin’ny fahitan’ny Babylonianina azy.”

Ny tsirairay no manapa-kevitra amin’izay hinoany. Manaja an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah sady miezaka manaraka an’ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Asainay àry ianao hahay handanjalanja ka handinika hoe tena mifanaraka sy mifameno ny Baiboly sy ny siansa.

^ feh. 9 Tsy mino ny Baiboly ny olona sasany noho ny fampianaran’ny fiangonana taloha sy ankehitriny, anisan’izany ilay hoe ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao, sy ilay hoe noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro misy 24 ora ny tany.—Jereo ilay efajoro hoe “ Voaporofon’ny Siansa hoe Marina Izay Lazain’ny Baiboly.”

Fanampim-panazavana

Tena Misy ve Andriamanitra?

Manome valiny dimy tena mampiaiky ny Baiboly.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Famoronana?

Milaza ny Baiboly fa enina “andro” ny famoronana. Naharitra 24 ora avy ve ireo andro ireo?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fahasalamana?

Fantaro izay lazain’ny Baiboly momba ny aretina sy ny fitsaboana.