Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JONA 2015

 TANTARAM-PIAINANA

Tonga Hatratỳ Amin’ny Taranaka Fahafito Ilay Lova

Tonga Hatratỳ Amin’ny Taranaka Fahafito Ilay Lova

Misy miteny hoe mitovy be amin’ny dadanay aho. Ny bikako sy ny masoko ary ny vazivaziko, hono, dia izy navela mihitsy. Misy zavatra hafa koa anefa nolovako taminy. Lova ara-panahy ilay izy, ary izaho no taranaka fahafito nandova azy. Andraso fa hotantaraiko.

Izahay sy Dada, miresaka momba ny lova ara-panahin’ny fianakavianay

Teraka tamin’ny 20 Janoary 1815, tany Horncastle any Angletera, i Thomas (1) * Williams razambeko. Maty ny reniny, roa taona taorian’izay, ka i John Williams rainy no nitaiza azy efatra mianadahy. Nampiofanin’i John ho lasa mpandrafitra i Thomas, nefa zavatra hafa mihitsy no tiany hatao.

Nafana fo tamin’ny fivavahana ny olona tany Angletera, tamin’izany. Niala tao amin’ny Eglizy Anglikanina i John Wesley, ka namorona ny Fikambanan’ny Metodista. Nazoto nianatra samirery ny Baiboly sy nitory ny Filazantsara ny mpikambana tao. Vetivety dia niely be ny fampianaran’i Wesley. Tian-dry Williams mianakavy ilay fampianarana, ka lasa anisan’io fikambanana io koa izy ireo. Lasa mpitory i Thomas, tatỳ aoriana, ary nanolo-tena hanao misionera tany Pasifika Atsimo. Tonga tany amin’ny Nosy Lakeba, * any Fidji, izy sy Mary (2) fofombadiny tamin’ny Jolay 1840. Nosy volkanika izy io, ary mpihinana olona ny mponina tany.

NIARA-NIAINA TAMIN’NY MPIHINANA OLONA

Mafy be ny fiainan’i Thomas sy Mary tamin’ny taona voalohandohany nahatongavany tany. Nafana be ny andro nefa niasa mafy isan’andro izy ireo, ary tsizarizary ny fitaovana. Nahatsiravina koa ny zavatra niainany satria fanao tany ny nanakenda mpitondratena, namono zazakely, nihinana olona, ary teo koa ny adim-poko. Betsaka koa no tsy tia ny hafatra notorin’izy ireo. Narary saika maty i Mary sy John, zanany lahimatoa. Izao no nosoratan’i Thomas, tamin’ny 1843: “Tena reraka ny foko. ... Nila ho kivy tanteraka aho.” Tsy nanary toky anefa i Thomas sy Mary, fa niantehitra tamin’i Jehovah Andriamanitra.

Nampiasain’i Thomas tamin’ny fomba tsara ny fahaizany nandrafitra. Izy no voalohany nanamboatra trano mitovy amin’ny any Eoropa tao Fidji. Nasiany tongony ilay trano mba hahafahan’ny rivotra hivezivezy tsara, ary nasiany zavatra hafa vaovao tamin’ny Fidjianina koa ka variana erỳ izy ireo nijery an’ilay izy. Taloha kelin’ny nahavitan’ilay trano anefa, dia teraka i Thomas Whitton (3) Williams, zanany faharoa, izay lasa razambeko.

Nanampy tamin’ny fandikana ny Filazantsaran’i Jaona ho amin’ny teny fidjianina i Thomas Williams, tamin’ny 1843. Sarotra taminy ny nanao an’ilay izy. * Mpandinika ny olombelona koa izy sady  tena nahay. Nosoratany tao amin’ilay boky hoe Fidji sy ny Fidjianina (1858) ny fikarohana nataony. Miresaka momba ny fiainan’ny mponina tany tamin’ny taonjato faha-19 io boky io.

Niasa mafy loatra i Thomas ka narary be rehefa afaka 13 taona. Nifindra teto Aostralia àry izy mianakavy. Maty tany Ballarat, any Victoria, izy tamin’ny 1891 rehefa nanao ny asan’ny mpitondra fivavahana nandritra ny taona maro.

NITRANDRAKA “VOLAMENA” TANY ANDREFANA

Nifindra tany Perth, eto Aostralia Andrefana, i Thomas Whitton Williams sy Phoebe (4) vadiny ary ny zanak’izy ireo, tamin’ny 1883. Sivy taona i Arthur Bakewell (5) Williams zanak’izy ireo faharoa, tamin’izay, ary lasa razambeko koa izy.

Rehefa 22 taona i Arthur dia nila ravinahitra tany Kalgoorlie, tanàna be olona mpitrandraka volamena, 600 kilaometatra eo hoe eo any atsinanan’i Perth. Namaky bokin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) izy tany. Nanao famandrihana gazety Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) koa izy. Nahaliana azy ny zavatra novakiny, ka noresahiny tamin’ny olona ary nitarika fivoriana izy mba hianarana Baiboly. Toy izany no niandohan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia Andrefana.

Noresahin’i Arthur tamin’ny fianakaviany koa ny zavatra nianarany. Nanohana azy i Thomas Whitton rainy rehefa nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly izy. Maty anefa i Thomas Whitton taoriana kelin’izay. Lasa Mpianatra ny Baiboly koa i Phoebe reniny, ary i Violet sy Mary anabaviny. Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, na mpisava lalana, i Violet. Azo antoka fa nampitombo i Arthur rehefa niteny hoe i Violet no “mpisava lalana mahay sy mazoto indrindra eto Aostralia Andrefana.” Nisy vokany be teo amin’ny zanak’izy ireo ny zotom-pony.

Nanambady i Arthur ary nifindra tany Donnybrook, tanàna be voankazo any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Aostralia Andrefana. Nataon’ny olona hoe “Ingahibe 1914!” izy satria nazoto nitory momba ny faminanian’ny Baiboly mahakasika an’io taona io. * Tsy nananihany azy intsony ny olona rehefa nipoaka ny Ady Lehibe I. Mpivarotra i Arthur, ary nazoto nitory tamin’ny mpividy. Nasiany boky sy gazety teo amin’ny varavarankelin’ilay fivarotana, sady nasiany soratra hoe mahazo 100 livres sterling izay afaka manaporofo avy ao amin’ny Baiboly hoe telo izay iray Andriamanitra. Tsy araka ny Soratra Masina mantsy izany ka tsy neken’i Arthur. Tsy nisy nahazo mihitsy ilay vola.

Tao an-tranon-dry Williams no nianarana Baiboly sy nivorian’ny fiangonana tao Donnybrook. Nanorina Efitrano Fanjakana, na trano fivoriana, i Arthur, tatỳ aoriana. Io no anisan’ny Efitrano Fanjakana voalohany teto Aostralia Andrefana. Mbola nitory tany amin’ny toerana lavitra be nanerana ny faritr’ i Donnybrook ihany izy tamin’izy 70 taona mahery. Ampidiriny ny kompile sy kravaty, asiany lasely ilay soavaliny atao hoe Doll, dia lasa amin’izay izy.

Nazoto nitory i Arthur sady tena nohajain’ny olona na dia tsy be teny firy aza. Nisy vokany be tamin’ny zanany izany. Misionera tany Inde i Florence (6) zanany vavy. Anti-panahy nandritra ny taona maro teo anivon’ny fiangonana kosa i Arthur Lindsay (7) sy Thomas zanany lahy, toy ny rainy.

PAOMA MAMY BE AN’NY LADY WILLIAMS

Tian’ny olona i Arthur Lindsay Williams, dadaben’i Dada, sady nalaza hoe tia manampy olona. Vonona foana izy rehefa misy ilana azy, ary nanaja olona koa izy. Mpikapa hazo mahay koa anefa izy, ka im-18 izy no nandresy tamin’ny fifaninanana nikapa hazo, tao anatin’ny 12 taona.

Taitra anefa i Arthur rehefa nokapain’i Ronald (8) (dadabeko) tamin’ny famaky ilay paoma kely naniry teo an-tokotanin’izy ireo. Vao roa taona io zanany lahimatoa io tamin’izay. Nofatoran’ny reniny tsara ilay hazo ka namokatra paoma mamy be, tatỳ aoriana. Lasa nantsoina hoe Lady Williams ny karazan’ilay paoma, ary io no niavian’ny Cripps Pink, izay karazam-paoma malaza eran-tany.

Tatỳ aoriana, dia zavatra tsara kokoa no nifantohan’i Ronald, izay antsoiko hoe Dadabe. Efa an-taonany maro izao izy sy Bebe no nanampy an-tsitrapo nanorina trano an’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Aostralia sy any amin’ny Nosy Salomon. Efa ho 80 taona izao Dadabe nefa mbola anti-panahy ihany, sady manampy amin’ny fanorenana sy fanavaozana Efitrano Fanjakana eto Aostralia Andrefana.

SAROBIDY AMIKO ILAY LOVAKO

Zava-dehibe amin’i Geoffrey (9) sy Janice (10) Williams ray aman-dreniko ilay lova ara-panahy, ka niezaka mafy izy ireo nanampy ahy (12) sy Katharine (11) anabaviko mba ho tia ny fampianaran’ny Baiboly. Tamin’izaho 13 taona no nahatsapa hoe tena sarobidy ilay izy. Nanatrika fivoriambe izahay tamin’izay, ary nampirisika ny tanora rehetra i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe: “Manana tombontsoa be ianareo satria afaka mianatra momba an’i Jehovah sy ho tia azy. Aza avela handalo fotsiny izany fa hararaoty.” Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho ny alin’iny, ary nanao mpisava lalana aho roa taona taorian’izay.

Mpisava lalana eto Tom Price izao izaho sy Chloe vadiko. Tanàna mitokana misy toeram-pitrandrahana atỳ amin’ny faritra avaratrandrefan’i Aostralia Andrefana izy io. Miasa tapa-potoana izahay mba hivelomanay. I Dada sy Neny kosa mpisava lalana any Port Hedland, 420 kilaometatra eo ho eo mianavaratra, miaraka amin’i Katharine sy Andrew vadiny. Samy anti-panahy izahay sy Dada.

Taona maro lasa izay, dia nazoto nanompo an’i Jehovah i Thomas Williams razambeko. Nandova ny finoany sy ny zotom-pony ny taranany ka tonga hatratỳ amiko. Tena mahatsiaro hoe nahazo fitahiana be dia be aho nahazo an’io lova ara-panahy io.

^ feh. 5 Ny sarin’ireo olona erỳ ambany no tondroin’ireo nomerao.

^ feh. 6 Lakemba no niantsoana an’io nosy io taloha. Any amin’ny faritra atsinanan’ny Vondronosy Lau, any Fidji, no misy azy.

^ feh. 10 I John Hunt, misionera, no nandika ny ampahany betsaka amin’ny Testamenta Vaovao ho amin’ny teny fidjianina, izay nivoaka tamin’ny 1847. Tena niavaka ilay fandikan-teny satria mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe “Jiova,” ao amin’ny Marka 12:36, Lioka 20:42, ary Asan’ny Apostoly 2:34.

^ feh. 16 Jereo ilay Fanazavana Fanampiny hoe “1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly” ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady azo jerena ao amin’ny jw.org/mg.

Fanampim-panazavana

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Nohazavain’i Jesosy hoe nahoana isika no mila tari-dalana, ary inona no toro lalana lehibe indrindra.

Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?

Miresaka ny fotoana hifaranan’ny fitondram-panjakan’olombelona ilay faminaniana momba ny “fe-potoana fito” ao amin’ny Daniela 4.

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Inona no ianarantsika momba an’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana tantarain’ny Baiboly?