Iza no Antikristy?
Antikristy no lohatenin’ny filma mampahatahotra iray nivoaka vao haingana.
Antikristy Malaza no nataon’ny tarika malaza iray lohatenin’ny raki-kirany.
Ny Antikristy no lohatenin’ny boky iray nosoratan’i Friedrich Nietzsche, filozofa tamin’ny taonjato faha-19.
Antikristy no niantsoan’ny mpanjaka ny fahavalony, tamin’ny Moyen Âge.
Antikristy ny Papa rehetra ao amin’ny Katolika, hoy i Martin Luther, Alemà nitarika ny Fanavaozana Protestanta.
BETSAKA ny zavatra nantsoina hoe “antikristy”, na mpanjaka na filma na zavatra hafa. Ara-dalàna àry isika raha manontany hoe: Fa inona marina ny antikristy? Mbola tokony hahaliana antsika ve ny dikan’io teny io? Raha te hikaroka isika hoe iza ny antikristy, dia tsara raha ny Baiboly aloha no jerentsika. Miverina ao indimy io teny io.
FANTATRA HOE IZA NY ANTIKRISTY
Ny apostoly Jaona irery no mpanoratra Baiboly nampiasa an’ilay teny hoe “antikristy.” Ahoana no nilazalazany an’ilay izy? Hoy izy ao amin’ny Jaona Voalohany: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. ... Iza moa no mpandainga raha tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy mandà ny Zanaka.”—1 Jaona 2:18, 19, 22.
Fantatry ny apostoly Jaona fa izay minia manely lainga momba an’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany no antikristy
Inona no tian’izany hotenenina? Nilaza i Jaona fa misy “antikristy maro”, izany hoe tsy olona iray ilay izy fa fitambaran’olona. Manely lainga ny olona sy fikambanana anisan’ny antikristy, sady tsy manaiky hoe i Jesosy no Kristy na Mesia, ary miezaka mampifangaro an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Milaza ny tenany ho Kristy koa izy ireo, na mihambo ho solontenany. “Niala tamintsika” anefa izy ireo ka tsy nanaraka ny fampianaran’ny Baiboly intsony. Efa nisy ny antikristy rehefa nanoratra ny taratasiny i Jaona, tamin’ny “ora farany”, izay mety ho ny fotoana farany nisian’ny apostoly.
Inona koa no nosoratan’i Jaona momba ny antikristy? Nampitandrina toy izao izy, momba ny mpaminany sandoka: “Izay fanambarana rehetra manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy, dia avy amin’ny fanahin’Andriamanitra. Fa tsy avy amin’ny fanahin’Andriamanitra kosa izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy. Izany no fanambarana torin’ny antikristy, dia fanambarana efa renareo fa ho avy, ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady ankehitriny.” (1 Jaona 4:2, 3) Mbola hoy koa izy, ao amin’ny Jaona Faharoa: “Maro mantsy ny mpamitaka efa eo amin’izao tontolo izao, dia olona tsy manaiky fa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy. Izany ilay mpamitaka sy antikristy.” (2 Jaona 7) Fantatr’i Jaona àry fa izay minia manely lainga momba an’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany no antikristy.
NY “MPAMINANY SANDOKA” SY “ILAY LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA”
Nampitandrina i Jesosy hoe ‘amboadia mpiremby mitafy hodi-janak’ondry’ ny mpaminany sandoka
Efa ela be talohan’ny nanoratan’i Jaona an’ireo i Jesosy Kristy no nampitandrina hoe: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby.” (Matio 7:15) Nampitandrina ny Kristianina tany Tesalonika koa ny apostoly Paoly hoe: “Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin’inona na amin’inona, satria tsy ho tonga [ny andron’i Jehovah] raha tsy efa tonga aloha ny fivadiham-pinoana, ka haharihary ilay lehilahy mpandika lalàna, dia ilay zanaky ny fandringanana.”—2 Tesalonianina 2:3.
Efa niezaka mafy nanimba ny fiangonana kristianina àry ny mpaminany sandoka sy ny mpivadi-pinoana tamin’ny taonjato voalohany. Anisan’ilay antsoin’i Jaona hoe “antikristy” izay rehetra nanely lainga momba an’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany. “Zanaky ny fandringanana” no fiheveran’i Jehovah azy ireo, hoy i Paoly.
MITANDREMA AMIN’NY ANTIKRISTY
Mbola manohitra an’i Kristy sy ny fampianarany foana koa ny olona sy fikambanana anisan’ny antikristy, amin’izao fotoana izao. Manao fanahy iniana manely lainga izy ireo, amin’izay ny olona tsy mahay manavaka an’i Jehovah Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Zanany. Tena mila mitandrina isika sao voafitaka! Ireto misy lainga roa:
Efa an-jatony taona ny fivavahana no nampianatra hoe iray ihany ny Ray sy ny Zanaka. Manafina ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny antikristy amin’izany, sady manakorontana ny sain’ny olona. Lasa tsy afaka manahaka an’i Jesosy Kristy ny olona tso-po ary tsy afaka manatona an’Andriamanitra, nefa izany no asain’ny Baiboly atao.—1 Korintianina 11:1; Jakoba 4:8.
Esorin’ny olona sasany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah rehefa mandika Baiboly izy ireo, nefa ireny Baiboly ireny no ampirisihin’ny fivavahana mba hampiasain’ny olona. Miverimberina im-7000 eo ho eo anefa io anaran’i Jehovah io tamin’ny Baiboly vao nosoratana. Vao mainka àry ny olona tsy mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra.
Mpivavaka tso-po maro kosa no lasa akaiky an’Andriamanitra rehefa nahalala hoe Jehovah no anarany. Anisan’izy ireo i Richard. Izao no notantarainy momba ny resaka nifanaovany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah roa: “Nasehon’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly hoe Jehovah no anaran’ilay tena Andriamanitra. Mbola tsy henoko mihitsy izany, ka gaga be aho rehefa nahafantatra hoe manana anarana izy.” Niova izy nanomboka teo mba hanarahana an’izay lazain’ny Baiboly sy hampifaliana an’i Jehovah. Hoy izy: “Lasa naman’Andriamanitra aho rehefa nahalala ny anarany.”
Olona an-tapitrisany no tsy mahalala an’Andriamanitra noho ny ataon’ny antikristy, nandritra ny taonjato maro. Fantatsika avy ao amin’ny Baiboly anefa hoe iza marina ny antikristy ary tsy voafitaky ny laingany isika.—Jaona 17:17.