Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA APRILY 2015

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no asan’ny manamboninahitra tao amin’ny tafika romanina?

Tsangambaton’i Marcus Favonius Facilis, manamboninahitra romanina

Miverimberina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe manamboninahitra, izany hoe lehiben’ny zato. Io no gradin’i Kornelio, ilay hafa firenena voalohany lasa Kristianina, sy ilay lehilahy nanara-maso ny namonoana an’i Jesosy. Lehiben’ny zato koa ilay lehilahy niandraikitra an’i Paoly tamin’izy saika hokaravasina, sy i Jolio, ilay nitondra azy tany Roma.—Marka 15:39; Asan’ny Apostoly 10:1; 22:25; 27:1.

Miaramila mandeha an-tongotra miisa 50 ka hatramin’ny 100 no teo ambany fahefan’ny lehiben’ny zato. Izy no nampiofana sy nifehy azy ireo, nanara-maso ny fitaovan’izy ireo sy ny akanjony, ary nibaiko azy ireo rehefa tany an’ady.

Grady ambony indrindra mety ho azon’ny miaramila tsotra ny hoe lehiben’ny zato. Miaramila raikitra no nitana an’io toerana io ary tsy maintsy nahay nitari-tafika izy. Nilamina tsara sy nahomby ny tafika romanina rehefa nahay ny lehiben’ny zato. Milaza ny boky iray fa izy ireo “mazàna no ampy traikefa indrindra tao amin’ny tafika.”

Hoatran’ny ahoana ny fitaratra fahiny?

Fitaratra tany Ejipta fahiny

Tsy mitovy amin’ny fitaratra ankehitriny ny fitaratra fahiny satria vita tamin’ny metaly natao malama tsara. Matetika ilay izy no halimo nefa koa mety ho vita tamin’ny varahina, volafotsy, volamena, na volamena sy volafotsy mifangaro. Ao amin’ny fitantarana momba ny nanorenana ny tranolay masina, na ny foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, no ahitana voalohany ny teny hoe fitaratra, ao amin’ny Baiboly. Nisy vehivavy be dia be nanome fitaratra tamin’izay mba hanamboarana ny kovetabe varahina sy ny tongony varahina. (Eksodosy 38:8) Tsy maintsy natsonika angamba aloha ireo fitaratra ireo vao azo nampiasaina.

Matetika no niaraka tamin’ny firavaka fampiasan’ny vehivavy ny fitaratra hita tany Israely sy ny manodidina. Boribory ny ankamaroany ary tsy nasiana haingony ny tao ambadika. Hazo na metaly na ivoara ny tahony, ary matetika no natao hoatran’ny bikam-behivavy.

Manjavozavo ny fitaratra fahiny raha oharina amin’ny fitaratra ankehitriny. Mazava àry ilay tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 13:12 hoe: “Mahita manjavozavo eo amin’ny fitaratra metaly isika ankehitriny.”