Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MARTSA 2015

 TANTARAM-PIAINANA

Ny Masony no Anompoan’i Jairo An’Andriamanitra

Ny Masony no Anompoan’i Jairo An’Andriamanitra

Alao sary an-tsaina hoe tsy misy azonao baikoina ny vatanao afa-tsy ny masonao. Izany no manjo an’i Jairo rahalahiko. Falifaly anefa izy sady mahatsapa hoe mamy ny miaina. Fa nahoana? Aleo aloha holazaiko anareo ny tantarany.

Vao teraka i Jairo dia efa nisy tsy nety tao amin’ny atidohany. * Tsy mahavita mibaiko tsara ny hozany ny atidohany, ka mila ho ny vatany manontolo mihitsy no tsy voafehiny. Miolakolaka na mihetsiketsika mafy be tampoka àry ny tanany sy ny tongony. Manaintaina sy maratra mihitsy aza izy indraindray. Mety ho voa koa izay olona eo akaiky eo raha tsy mitandrina. Mampalahelo fa matetika no tsy maintsy fatorana amin’ny sezany ny tanan’i Jairo sy ny tongony mba tsy hitrangan’izany.

NIJALY FOANA MANDRA-PAHALEHIBENY

Nijaly be foana i Jairo mandra-pahalehibeny. Vao telo volana izy, dia efa nifanintontsintona ary tsy nahatsiaro tena avy eo. Matetika i Neny no nitazona azy mafy be sady nitrotro azy haingana nankany amin’ny hopitaly satria nihevitra hoe efa maty izy.

Lasa nivilana ny taolan’i Jairo, rehefa nandeha ny fotoana, satria nivonkina lava ny hozany sady tsy maintsy notazonina mafy izy. Nipitsoka ny taola-maojany, tamin’izy 16 taona, ka tsy maintsy nanaovana fandidiana lehibe ny feny sy ny andilany ary ny maojany. Mbola tadidiko izy nikiakiaka nitomany isan’alina mandra-pahasitrany.

Mila olona hikarakara azy foana i Jairo. Tsy maintsy fahanana sy ampiakanjoana ary bataina mankeo am-pandriana, ohatra, izy. I Dada sy Neny matetika no nanao an’ireo. Na izany aza, dia nampahatsiahy azy foana izy ireo hoe tsy miankina amin’olombelona fotsiny ny fiainany fa miankina amin’Andriamanitra koa.

AFAKA NIRESAKA IHANY TATỲ AORIANA

Vavolombelon’i Jehovah ry Dada sy Neny, ary mbola notrotroina i Jairo dia efa namakiany tantara tao amin’ny Baiboly. Fantatr’izy ireo fa sambatra kokoa ny olona minamana amin’Andriamanitra. Afaka manantena àry i Jairo hoe mbola ho tsara ny fiainany, na dia sembana sy mifanintontsintona aza izy. Matetika anefa i Dada sy Neny no lasa saina hoe mba azon’i Jairo ihany àry ve izay ampianarina azy ao amin’ny Baiboly.

Notenenin’i Dada i Jairo, tamin’izy mbola kely, hoe: “Jairo a! Miresaha moa e! Mba mitenena raha tena tia ahy ialahy.” Niangavy azy i Dada mba  hilaza na dia teny iray monja aza. Nilatsaka àry ny ranomason’i Jairo. Tena te hiteny izy saingy feo hafahafa fotsiny no tafavoakany. Nanenina be i Dada avy eo satria nampitomany azy. Matoa anefa izy nitomany, dia azony ny tenin’i Dada, fa tsy mahay miteny fotsiny izy.

Tsikaritr’i Dada sy Neny hoe ahetsiketsik’i Jairo be ny masony indraindray, ary hita hoe misy zavatra tiany holazaina. Sorena be izy satria zara raha azon’ny olona ny tiany hotenenina. Rehefa nahay namantatra ny tian’ny masony holazaina anefa ry Dada sy Neny, ka nanome azy an’izay notadiaviny, dia nitsikitsiky be izy. Izay no fomba nitenenany hoe misaotra.

Nisy dokotera momba ny fahaiza-miteny nanoro hevitra anay hoe maninona raha atsangana ny tanana roa rehefa hanontany zavatra azy ka mila valiny hoe eny na tsia. Raha mijery an’ilay tanana ankavanana izy, dia “eny” no dikany, fa raha mijery an’ilay ankavia kosa, dia “tsia.”

FOTOAN-DEHIBE HO AN’I JAIRO

Manao fivoriambe intelo isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary misy lahateny ara-baiboly amin’ilay izy, anisan’izany ny lahateny ho an’ireo hatao batisa. Nientanentana be foana i Jairo isaky ny nandeha io lahateny io. Nanontanian’ny dadanay àry izy, tamin’izy 16 taona, hoe: “Jairo a! Te hatao batisa angaha ialahy?” Tonga dia nojereny tsara ny tanan’i Dada ankavanana, ka mazava fa te hatao batisa izy. Hoy indray àry i Dada: “Ialahy ve anefa efa nivavaka tamin’Andriamanitra hoe hanompo azy mandrakizay?” Nojereny tsara indray ny tanan’i Dada ankavanana. Hay izy efa nanokan-tena ho an’i Jehovah!

Nisy hevitra maromaro avy tao amin’ny Baiboly niarahana nidinika taminy, ka hita hoe azony tsara ny dikan’ny batisa. Nasaina namaly an’ity fanontaniana ity izy tamin’ny 2004, tamin’izy 17 taona: “Moa ve ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?” Io no fanontaniana lehibe indrindra napetraka taminy. Nampiakariny ambony ny masony satria efa nifanarahana hoe izay no fomba hilazany hoe “eny.” Natao batisa izy avy eo, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

AMPIASAINY TSARA NY MASONY

Nisy zava-baovao nanampy an’i Jairo hiresaka, nanomboka tamin’ny 2011. Ordinatera baikoin’ny maso ilay izy, ary mahay manaraka ny fihetsiky ny voamaso. Misy sary kely maromaro ao amin’ilay ordinatera, ka teny na fehezanteny no dikan’ny  sary tsirairay. Namoronana sary kely maromaro i Jairo mba hahafahany hilaza ny heviny. Mivadika ho azy ho fehezanteny amin’ny feo avo izay sary pihiny maso.

Lasa te hanampy olona ho tia an’Andriamanitra i Jairo arakaraka ny nahafantarany an’izay lazain’ny Baiboly. Matetika ny masony no ataony mivezivezy mijery ahy sy ny ordinaterany, rehefa mianatra Baiboly izahay mianakavy isan-kerinandro. Te hampahatsiahy ahy izy hoe tokony hanoratra fanazavana horesahiny any amin’ny fivorianay Vavolombelon’i Jehovah aho. Misy fanontaniana apetraka mantsy any ary afaka mamaly ny mpanatrika.

Rehefa any am-pivoriana izy, dia tadiaviny eo amin’ilay ordinatera izay sary misy an’ilay fanazavana, mba hopihiny maso, ary mivadika ho feo ren’ny rehetra ilay izy. Mampahery olona ny fanazavany, ka mitsikitsiky be izy rehefa vita ilay izy. Hoy i Alex, ankizilahy namany: “Variana aho isaky ny mahare an’i Jairo manazava momba ny Baiboly.”

Mampiasa ordinatera baikoin’ny maso i Jairo mba hanomezana fanazavana any am-pivoriana sy hitoriana

Ampiasain’i Jairo hitoriana ny zavatra inoany koa ny masony. Izao, ohatra, no ataony: Pihiny maso ny sary kely iray ahitana zaridaina tsara tarehy misy biby sy olona sambatra. Misy feo mivoaka, avy eo, ao amin’ilay ordinatera hoe: “Mampanantena ny Baiboly fa ho paradisa ny tany, ary tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana, Apokalypsy 21:4.” Raha liana ilay olona, dia alefany indray ity feo ity: “Tianao ve ny hampianariko Baiboly?” Nahagaga fa nanaiky ny dadabenay. Mahafinaritra be ny mahita an’i Jairo miaraka amin’ny Vavolombelona hafa, mampianatra Baiboly tsikelikely an’i Dadabe. Faly izahay fa natao batisa tamin’ny fivoriambe tany Madrid i Dadabe, tamin’ny Aogositra 2014.

Voamariky ny mpampianatra any an-tsekoly koa fa mahafoy tena ho an’Andriamanitra i Jairo. Hoy, ohatra, i Rosario, mpampianatra momba ny fahaiza-miteny: “Raha ho lasa mpivavaka ihany aho, dia aleoko Vavolombelon’i Jehovah. Hitako hoe ny finoan’i Jairo no mahatonga azy hankafy fiainana, na dia mafy aza ny manjo azy.”

Faly be foana i Jairo isaky ny amakiako an’ity fampanantenan’ny Baiboly ity: “Hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:6) Kivikivy izy indraindray, nefa falifaly izy amin’ny ankapobeny. Variana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra mantsy izy sady be namana. Tena manam-pinoana i Jairo sady be fanantenana foana, na dia mijaly aza. Manaporofo izany fa mamy ny miaina rehefa manompo an’i Jehovah.

^ feh. 5 Tsy afaka mihetsika ara-dalàna ny olona tratran’io karazan’aretina io. Mety hifanintona koa izy, na halain-komana, na hazoto homana loatra, ary mety tsy hahay hiteny tsara. Antsoina hoe quadriplégie spastique ilay mahazo an’i Jairo, ary io no karazany ratsy indrindra amin’ilay aretina. Mety hihinjitra be ny tanan’ilay olona sy ny tongony, ary mety halezolezo ny tendany.

Fanampim-panazavana

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fijaliana?

Mba mahita ny fijaliantsika ve Andriamanitra?