Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MARTSA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA I JESOSY NO NAMONJY ANTSIKA?

Nahoana Isika no Mila Mpamonjy?

Nahoana Isika no Mila Mpamonjy?

“Ny olona atera-behivavy dia fohy andro iainana sady mitebiteby lava. Toy ny voninkazo izy, eny, toy ny voninkazo izay mamelana nefa tapahina avy eo. Ary mandositra toy ny aloka izy, ka tsy misy intsony.”—Joba 14:1, 2.

Efa ela be ny olona no naniry ho tanora sy ho salama mandrakizay. Mampalahelo anefa fa mbola mety maty isika. Marina io tenin’i Joba eo ambony io, na dia efa 3 000 taona mahery aza izay no nitenenany azy io.

Tena te ho velona mandrakizay ny olon-drehetra. Milaza ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra ao am-pontsika io faniriana io, ary nataony te hamantatra isika hoe hoatran’ny ahoana izany miaina mandrakizay izany. (Mpitoriteny 3:11) Andriamanitra fitiavana ve dia hanisy an’izany faniriana izany ao anatintsika, raha tsy azo tanterahina ilay izy? Tsy hanao an’izany mihitsy izy. Milaza ny Baiboly hoe fahavalo ny fahafatesana ary “hofoanana” izy io.—1 Korintianina 15:26.

Fahavalo tokoa ny fahafatesana ary tsy misy olona salama saina maniry ho faty. Mitsoaka isika na miafina na miala rehefa mitady hiharan-doza. Mitsabo tena koa isika rehefa marary. Manao izay rehetra azo atao isika mba tsy ho faty.

Azo antoka ve hoe ho foana io fahavalo io? Eny. Rehefa namorona ny olombelona i Jehovah Andriamanitra, dia tsy nataony ho velona taona vitsivitsy izy ireo ary ho faty avy eo. Efa fikasan’Andriamanitra kosa ny hoe ho velona mandrakizay eto an-tany ny olona, ary tanterahin’Andriamanitra foana izay nokasainy.—Isaia 55:11.

Ahoana àry no hahafoana ny fahafatesana? Niezaka niady tamin’izy io foana ny olona fa tsy naharesy. Mbola mikaroka ody faty ny olona hatramin’izao. Nahavita nanamboatra vaksiny sy fanafody ny manam-pahaizana ka nisy ihany ny aretina sitrana. Nodinihin’izy ireo koa ny fototarazo, izay zavatra ao anatin’ny selan’ny zavamananaina. Lasa ela velona kokoa noho ny tamin’ny 100 taona lasa àry ny olona any amin’ny tany maro. Tsy resy ihany anefa Rafahafatesana. Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Hiverina ho vovoka indray izy rehetra.”—Mpitoriteny 3:20.

Izao anefa: Tsy voatery hiantehitra amin’ny fahaizan’ny olombelona isika vao ho voavaha io olana io. Efa nanao zavatra i Jehovah mba hamonjena antsika amin’ny fahafatesana, ary i Jesosy Kristy no nampiasainy tamin’izany.