Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Martsa 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA I JESOSY NO NAMONJY ANTSIKA?

Nahoana i Jesosy no Maty sy Natsangana Tamin’ny Maty?

Nahoana i Jesosy no Maty sy Natsangana Tamin’ny Maty?

“Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao.”—Asan’ny Apostoly 16:31.

Ny apostoly Paoly sy Silasy no nilaza an’izany tamin’ny lehilahy iray mpiambina fonja tany Filipy, tany Makedonia. Inona no tian’izy ireo holazaina? Nahoana no voavonjy amin’ny fahafatesana izay mino an’i Jesosy? Mba hamaliana izany, dia mila azontsika aloha hoe nahoana isika no maty. Aleo hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.

Tsy natao ho faty ny olombelona

“Naka an-dralehilahy i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina. Ary i Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: ‘Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ ”—Genesisy 2:15-17.

Napetrak’Andriamanitra tao Edena i Adama, ilay lehilahy voalohany. Paradisa teto an-tany izy io, ary feno biby sy zavamaniry tsara tarehy. Nisy voankazo isan-karazany azon’i Adama nohanina tao. Voankazo iray ihany anefa no tsy azony nohanina. Nilaza taminy Andriamanitra hoe ho faty izy raha mihinana azy io.

Nazava tamin’i Adama ve izany? Fantany ny atao hoe fahafatesana satria efa nahita biby maty izy. Tsy ho nampitandrina azy mihitsy koa Andriamanitra raha efa natao ho faty izy. Nazava tamin’i Adama àry hoe tsy ho faty mihitsy izy raha mankatò an’Andriamanitra, ka tsy mihinana an’ilay voankazo.

Misy mihevitra fa ny firaisana ara-nofo no tiana holazaina amin’ilay hazo. Tsy marina anefa izany satria Andriamanitra mihitsy no nitso-drano an’i Adama sy Eva hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Genesisy 1:28) Tena nisy àry ilay hazo nandrarany azy ireo. Nantsoin’i Jehovah hoe “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” ilay izy satria izy io no nentiny nampiseho fa manana zo hamaritra an’izay tsara sy ratsy ho an’ny olombelona izy. Raha tsy nihinana ny voan’ilay hazo i Adama, dia ho nanaporofo hoe mankatò sy mankasitraka an’ilay namorona azy sy nanome azy zavatra be dia be.

Maty i Adama satria tsy nankatò an’Andriamanitra

‘Hoy [Andriamanitra] tamin’i Adama: “Satria nihinananao ny voan’ilay hazo, dia amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” ’—Genesisy 3:17, 19.

 Nihinana ny voan’ilay hazo nandrarana azy i Adama. Tena ratsy ny nataony satria tsy nankatò an’Andriamanitra izy. Nikomy izy sady nanao tsinontsinona ny zavatra tsara rehetra nataon’i Jehovah ho azy. Nasehony tamin’izany hoe tsy mila an’i Jehovah izy fa mahavita tena. Loza ny vokany.

Maty i Adama, araka ny efa nolazain’i Jehovah. Namorona azy “avy tamin’ny vovoky ny tany” i Jehovah, ary nilaza taminy fa ‘hiverina amin’ny tany’ izy. Tsy hoe velona any ankoatra na lasa nanana vatana hafa i Adama. Lasa tsy mananaina toy ilay vovoka nanamboarana azy kosa izy.—Genesisy 2:7; Mpitoriteny 9:5, 10.

Maty isika satria taranak’i Adama

Niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Romanina 5:12.

Nisy vokany ratsy maro ny fahotan’i Adama. Tsy fiainana 70 na 80 taona fotsiny no nafoiny fa fiainana mandrakizay mihitsy. Tsy vitan’izay fa lasa tsy lavorary izy sy ny taranany rehetra.

Taranak’i Adama isika rehetra ka nandova vatana tsy lavorary. Mora manota sy mety maty isika, na dia tsy fanahy iniantsika aza. Nohazavain’i Paoly tsara izany zavatra mampalahelo manjo antsika izany. Hoy izy: ‘Nofo aho, namidy ho andevon’ny ota. Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatako ity, satria izy ity no mitarika ahy ho amin’izany fahafatesana izany?’ Izy ihany avy eo no mamaly hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!”—Romanina 7:14, 24, 25.

Maty ho antsika i Jesosy mba hiainantsika mandrakizay

“Ny Ray efa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.”—1 Jaona 4:14.

 Nanao zavatra i Jehovah mba hanafoanana ny vokatry ny ota sy hamonjena antsika tsy ho voaheloka ho faty mandrakizay. Nirahiny avy any an-danitra i Jesosy Zanany malalany mba ho lasa olombelona lavorary toa an’i Adama. Tsy hoatran’i Adama anefa i Jesosy satria “tsy nanota.” (1 Petera 2:22) Lavorary izy ka tsy voaheloka ho faty, ary afaka ny ho velona mandrakizay.

Navelan’i Jehovah hovonoin’ny fahavalony anefa i Jesosy. Natsangany ho anjely izy, telo andro taorian’izay, mba ho afaka hiverina any an-danitra. Niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy tany, mba hitondra ny vidim-panavotana, izany hoe ny aina lavorary nataony sorona, mba hamerenana an’izay nafoin’i Adama sy ny taranany. Neken’i Jehovah ilay sorona, ka lasa afaka miaina mandrakizay izay maneho finoana an’i Jesosy.—Romanina 3:23, 24; 1 Jaona 2:2.

Nanonitra ny zavatra nafoin’i Adama àry i Jesosy. Nanaiky ho faty ho antsika izy mba hahafahantsika hiaina mandrakizay. Hoy ny Baiboly: ‘Nandia fahafatesana i Jesosy, mba ho faty ho an’ny rehetra noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’—Hebreo 2:9.

Hita avy amin’izany fa tsara toetra i Jehovah. Manana fitsipika avo lenta momba ny atao hoe rariny izy. Tsy rariny aminy raha samy olombelona tsy lavorary no mifanavotra. Ny Zanany mihitsy àry no nomeny mba hanavotana antsika, na dia mafy taminy aza izany. Tiany mantsy isika sady mampalahelo azy.—Romanina 5:6-8.

Natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary hisy olon-kafa hatsangana amin’ny maty koa

“Efa natsangana tamin’ny maty tokoa anefa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry. Koa satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.”—1 Korintianina 15:20-22.

Marina fa niaina tetỳ an-tany i Jesosy ary maty. Inona anefa ny porofo fa natsangana tamin’ny maty izy? Anisan’ny porofo mampiaiky indrindra ny hoe imbetsaka izy no niseho tamin’olona maro tany amin’ny toerana samy hafa. Nanoratra ho an’ny Korintianina, ohatra, i Paoly hoe niseho tamin’ny olona 500 mahery i Jesosy. Mbola velona ny sasany tamin’ireo olona ireo tamin’izay, ka afaka nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra hitany sy reny.—1 Korintianina 15:3-8.

Tsy maintsy hisy olon-kafa hatsangana amin’ny maty koa aorian’i Jesosy. Nilaza mantsy i Paoly hoe i Kristy no “voaloham-bokatra” amin’izay atsangana amin’ny maty. I Jesosy mihitsy no niteny hoe ‘hivoaka izay rehetra any am-pasana’, indray andro any.—Jaona 5:28, 29.

Mila maneho finoana an’i Jesosy isika raha te hiaina mandrakizay

“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

 Tantaraina any am-piandohan’ny Baiboly hoe oviana no lasa nisy ny fahafatesana ary oviana no tsy nisy Paradisa intsony. Resahina any amin’ny boky farany kosa fa ho avy ny fotoana tsy hisian’ny fahafatesana intsony, ary haverin’Andriamanitra ho Paradisa ny tany. Ho sambatra mandrakizay sy hanan-javatra tsara hatao foana ny olona amin’izay. Hoy ny Apokalypsy 21:4: “Tsy hisy fahafatesana intsony.” Tena hitranga izany satria hoy ny andininy faha-5: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo.” Vitan’i Jehovah tsara ny manatanteraka an’izay nampanantenainy.

Mino ve ianao fa “azo antoka sady marina” tokoa izany? Mianara àry bebe kokoa momba an’i Jesosy Kristy, ary manehoa finoana azy. Hankasitraka anao i Jehovah amin’izay. Homeny fitahiana be dia be ianao dieny izao, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ilay Paradisa eto an-tany. “Tsy hisy fahafatesana intsony” amin’izay sady “tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”

Fanampim-panazavana

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra

Inona no atao hoe vidim-panavotana? Inona no soa azonao avy amin’izy io?