Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Desambra 2014

Timgad, Ilay Tanàn-dehibe Fahiny

Timgad, Ilay Tanàn-dehibe Fahiny

TAONA 1765 tamin’izay. Tsy nampoizin’ilay mpikaroka ekosey atao hoe James Bruce ny zavatra hitany. Nahita andohalambo romanina tany an-tany efitr’i Alzeria izy. Ny tapany ambony fotsiny no niseho, fa ny tapany ambany tototry ny fasika. Tsy fantany fa hay izy nijoro teo ambonin’ilay tanàna efa rava natao hoe Thamugadi, izay antsoina hoe Timgad ankehitriny. Io no tanàna lehibe indrindra naorin’ny Romanina tany Afrika Avaratra.

Nofongarin’ny manam-pahaizana frantsay ny sisa tavela tamin’ilay tanàna, nanomboka tamin’ny 1881, izany hoe 100 taona mahery tatỳ aoriana. Hitan’izy ireo hoe niadana be ny mponina tao, na dia maina sy ngazana aza ny manodidina. Fa nahoana ny Romanina no nanangana tanàna nandroso be tany amin’ny toerana toy izany? Ary inona no ianarantsika avy amin’io tanàna io sy ny mponina tao?

NISY AMBADIKA POLITIKA

Niezaka nanjanaka an’i Afrika Avaratra ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany Talohan’i Kristy. Nanohitra mafy azy ireo anefa ny foko sasany mpifindrafindra monina. Inona no nataon’ny Romanina mba tsy hiadiana amin’ny mponina tany? Nanorina toby voahodidina manda sy trano fiambenana maromaro aloha ny tafika romanina. Toerana be tendrombohitra tany amin’ny faritra avaratr’i Alzeria ankehitriny no nanaovan’izy ireo izany. Nanangana ny tanànan’i Timgad izy ireo tatỳ aoriana, saingy hafa mihitsy ny tanjon’izy ireo.

Mody nilaza ny Romanina hoe natao ho an’ny miaramila misotro ronono ny tanànan’i Timgad. Tsy izay anefa no tena antony nanorenany azy io, fa mba tsy hahatonga an’ireo tompon-tany hanohitra be azy ireo. Nahomby ilay tetika. Niadana be mantsy ny mponina tao ka lasa te hipetraka tao ny olona teny amin’ny manodidina, izay tonga hivarotra ny entany. Izay nizaka ny zom-pirenena romanina ihany anefa no nahazo nipetraka tao, ka maro ny Afrikanina vonona hanao miaramila nandritra ny 25 taona, mba hahazoana zom-pirenena romanina ho azy ireo sy ny zanany lahy.

Tsy nahafa-po ny Afrikanina sasany ny zom-pirenena romanina. Niezaka mafy izy ireo ka nisy mihitsy nahazo toerana ambony tao Timgad na tany amin’ny tanàna hafa nozanahin’ny Romanina. Tena nahomby ilay tetika hanambatambazana ny tompon-tany, satria 50 taona monja taorian’ny nanorenana an’i Timgad, dia Afrikanina Tavaratra ny ankamaroan’ny mponina tao.

NAHAY NAMBABO FO NY ROMANINA

Tsena nisy andry tsara tarehy

Nahoana no babon’ny Romanina haingana be ny fon’ny Afrikanina? Narahin’izy ireo ilay hevitr’i  Cicéron, mpanao politika romanina, hoe atao mitovy zo ny olom-pirenena rehetra. Nozaraina nitovy tamin’ny miaramila romanina nisotro ronono sy ny Afrikanina nizaka ny zom-pirenena romanina ilay tany. Voalamina tsara ilay tanàna, satria 20 metatra ny lavan’ny trano tsirairay, 20 metatra ny sakany, ary lalankely no nanasaraka azy ireo. Azo antoka fa izany fitoviana sy filaminana izany no tena nahasarika ny olona teo an-toerana.

Nisy toerana malalaka tao an-tsena, toy ny fahita tany amin’ny tanàna romanina maro, ary ambohipihaonan’ny olona ilay izy rehefa tsena satria tao izy ireo no nandre vaovao na nilalao. Azo inoana fa te handehandeha teny ambany alokalok’ireo andry mitafo tao Timgad koa ny mponina teny amin’ireo tendrombohitra ngazana tsy lavitra teo, rehefa mahamay ny andro. Tsy vitan’izay fa feno toerana fandroana tsy andoavam-bola tao, ka mety ho nisy nanonofinofy mitsotsotra ao sady mihaino ny feon’ny rano mikoriana. Mety ho azony an-tsaina koa hoe iny izy fa mipetrapetraka eny amoron’ireo dobo, sady miresadresaka amin’ny namany.

Tsangambatom-pasana misy sarin’andriamanitra telo eo an-tampony

Tena nahasarika olona koa ilay kianja filalaovana teatra tao Timgad. Nahazaka olona 3 500 mahery ilay izy, ka antonona ny mponina tao an-tanàna sy teny amin’ny manodidina, izay samy tia fety. Tantara nankafizin’ny Romanina no nolalaovina tao, ary matetika izy ireny no feno fitondran-tena ratsy na herisetra.

Teo koa ny fivavahana romanina. Feno sarisary mareva-doko misy ifandraisany amin’ny angano momba ny andriamanitra romanina, teny amin’ny tany sy rindrin’ireo toerana fandroana. Fanaon’ny olona ny mandro any isan’andro, ka lasa zatra tsikelikely an’ireo andriamanitry ny Romanina sy ny fivavahany izy ireo. Tena nandaitra àry ilay tetiky ny Romanina hoe hatao izay hanarahan’ny Afrikanina ny kolontsainy. Ny tsangambatom-pasana sasany aza nasiana sarin’andriamanitra telo nivavahan’ny Afrikanina sy sarin’andriamanitra telo nivavahan’ny Romanina.

VITA HATREO ILAY TANÀNA TSARA TAREHY

Taorian’ny nanorenan’i Trajan Mpanjaka an’i Timgad, tamin’ny taona 100, dia nampirisika ny mponina eran’i Afrika Avaratra hamokatra voamadinika sy menak’oliva ary divay ny Romanina, satria tena nilain’izy ireo izany. Tany Afrika Avaratra ny Romanina no tena nanafatra an’ireo, tsy ela taorian’izay. Lasa nandroso be toy ireo zanatany romanina hafa i Timgad. Nihamaro ny mponina tao rehefa nandeha ny fotoana, ka nitatra be ilay tanàna.

Ny olona nanan-tany sy ny mponina tao Timgad no tena nahazo tombony tamin’ny varotra nifanaovana tamin’ny Romanina, fa zara raha nahazo tombony kosa ny tantsaha. Nirotaka àry ny tantsaha tamin’ny taonjato fahatelo, satria nahatsapa hoe niharan’ny tsy rariny sady nitakiana hetra be loatra. Katolika ny sasany taloha, fa lasa Donatistes. Antokon’olona nilaza azy ho Kristianina ny Donatistes, ary nanohitra ny Eglizy Katolika satria nahita ny kolikoly nanjaka tao.—Jereo ilay efajoro hoe “ Tsy ‘Fivavahana Madio’ ny Donatistes.

Lefy ny herin’ny kolontsaina romanina tany Afrika Avaratra, taonjato maro tatỳ aoriana, satria imbetsaka tany no nisy ady ara-pivavahana sy ady  an-trano ary olona niditra an-keriny. May tanteraka i Timgad, tamin’ny taonjato fahenina, satria nodoran’ny foko arabo. Tsy nisy niraharaha intsony ilay tanàna nandritra ny 1 000 taona mahery.

“IZANY NO TENA FIAINANA!”

Soratra amin’ny teny latinina, hoe: “Mihaza, milona rano, milalao, mifalifaly: Izany no tena fiainana!”

Nisy soratra tamin’ny teny latinina nampihomehy ny mpikaroka, tao an-tsenan’i Timgad. Izao no vakiny: “Mihaza, milona rano, milalao, mifalifaly: Izany no tena fiainana!” Izany no nahatonga ny mpahay tantara frantsay iray hilaza fa ‘hoatran’ny tsy nivaky loha tamin’ny fiainana’ ny mponina tao, ‘nefa tsy maintsy misy ihany ny hiteny hoe izany no tena tsara.’

Nanaram-po tamin’ny fiainana tokoa ny Romanina, taloha. Nilaza ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany, fa nisy olona nanana toe-tsaina hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” Marina aloha fa mpivavaka be ny Romanina, nefa nanao izay nahafinaritra azy teo no ho eo fotsiny, fa tsy mba niraharaha izay hiafaran’ny fiainany. Nampitandreman’i Paoly ny Kristianina toa azy mba tsy hifandray amin’ny olona toy izany. Hoy izy: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:32, 33.

Efa 1 500 taona teo ho eo izay no tsy nisy mponina intsony tany Timgad, nefa mbola mitovitovy amin’ny toe-tsaina tany ihany ny toe-tsain’ny olona ankehitriny. Maro no tsy mieritreritra afa-tsy izay hampifalifaly ny tenany eo no ho eo. Heverin’izy ireo hoe tena tsara ilay toe-tsain’ny Romanina, na inona na inona ho vokany. Milaza anefa ny Baiboly hoe “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity”, ka tsy tokony ho “revo tanteraka aminy” isika. (1 Korintianina 7:31) Tsotra izany teny izany nefa marina.

Hita avy amin’ny sisa tavela amin’ny tanànan’i Timgad fa tsy izay manaraka ny voalazan’ilay soratra efa nilevina ela be tao no ho sambatra, fa izay manaraka an’ilay fampahatsiahivan’ny Baiboly hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17.

Fanampim-panazavana

BOKY & BOKIKELY

Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?

Fantaro ny antony roa inoantsika an’ilay voalazan’ny Baiboly hoe hisy hoavy sambatra.