Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

Ataovy Izay Asain’Andriamanitra Ataonao

Ataovy Izay Asain’Andriamanitra Ataonao

“Raha misy zavatra ilainao, dia ilazao fotsiny aho.” Azo antoka fa tsy hiteny an’izany amin’ny olona tsy fantatrao, na zara raha fantatrao, ianao. Tsy hisalasala kosa ianao raha namanao be ilay olona. Mandeha ho azy amin’ny olona ny hoe manao izay angatahin’ny namany.

Hita ao amin’ny Baiboly fa ataon’i Jehovah foana izay zavatra fantany hoe hahafinaritra ny mpanompony. Hoy, ohatra, i Davida Mpanjaka, naman’Andriamanitra: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. ... Maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.” (Salamo 40:5) Tsy vitan’izay fa mampifaly ny olona mbola tsy mahalala azy koa izy, ka ‘mahavoky ny fon’izy ireo amin’ny hanina sy ny fifaliana.’—Asan’ny Apostoly 14:17.

Faly isika manao zavatra ho an’ny olona tiantsika sy hajaintsika

Tia mampifaly olona i Jehovah, ka tokony mba hanao izay ‘hampifaliana ny fony’ koa izay te ho namany. (Ohabolana 27:11) Inona anefa no azonao atao mba hampifaliana azy? Hoy ny Baiboly: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16) Midika ve izany hoe mila manao soa sy malala-tanana fotsiny isika, dia efa ankasitrahany?

“Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra”, hoy ihany ny Baiboly. (Hebreo 11:6) Tsara homarihina fa rehefa avy “naneho finoana an’i Jehovah” i Abrahama vao “nantsoina hoe ‘naman’i Jehovah.’ ” (Jakoba 2:23) Nasongadin’i Jesosy Kristy koa fa mila ‘mino an’Andriamanitra’ isika raha te hotahiny. (Jaona 14:1) Mila manam-pinoana àry izay taomin’Andriamanitra hanatona azy. Ahoana no hanananao an’izany finoana izany? Ianaro tsy tapaka aloha ny Tenin’Andriamanitra. Hanana “fahalalana marina tsara ny sitrapony” ianao amin’izay, ka hahay an’izay tokony hataonao mba “hankasitrahany tanteraka” anao. Rehefa mahalala tsara an’i Jehovah sy manao izay asainy ataonao ianao, dia vao mainka hino azy, ary izy kosa hanatona anao.—Kolosianina 1:9, 10.

Fanampim-panazavana

Inona no Tian’Andriamanitra Hataoko eo Amin’ny Fiainana?

Mila mahazo fambara manokana na fahitana ve ianao vao hahalala izay tian’Andriamanitra hataonao? Inona no lazain’ny Baiboly?

Afaka Mahalala an’Andriamanitra Daholo ve ny Olona?

Jereo izay ataon’Andriamanitra mba hahafahan’ny olona tso-po rehetra mahalala azy.