Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Ahoana no hahatonga ny ankizy ho tia an’Andriamanitra?

Ampiasao ny zavaboary mba hanampiana ny zanakao hahalala sy ho tia an’Andriamanitra

Tsy ho tia an’Andriamanitra ny zanakao raha tsy manana porofo hoe misy izy sady tia azy ireo. Mila mahafantatra an’Andriamanitra izy ireo mba ho tia azy. (1 Jaona 4:8) Mila fantany, ohatra, hoe: Nahoana Andriamanitra no namorona ny olona? Nahoana isika no avelany hijaly? Inona no hataony ho an’ny olona amin’ny hoavy?—Vakio ny Filipianina 1:9.

Mila asehonao amin’ny zanakao koa hoe tia an’Andriamanitra ianao. Azo inoana fa hanahaka anao ny zanakao rehefa mahita an’izany, ka ho tia azy.—Vakio ny Deoteronomia 6:5-7; Ohabolana 22:6.

Ahoana no hampianaranao ny zanakao?

Mahery ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12) Ampio àry ny zanakao hahafantatra an’izay voalaza ao. Tahafo ny fomba fampianatr’i Jesosy raha tianao hilentika any am-pony izay ampianarinao. Nametraka fanontaniana i Jesosy, nihaino ny valiny, ary nanazava ny Soratra Masina rehefa nisy zavatra tiany hilentika any am-pon’ny olona.—Vakio ny Lioka 24:15-19, 27, 32.

Tantaraina ao amin’ny Baiboly koa hoe ahoana no nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona taloha. Hahalala sy ho tia an’Andriamanitra ny ankizy raha hainy ireny tantara ireny. Misy zavatra maro natao hanampiana azy amin’izany ao amin’ny www.jw.org/mg.—Vakio ny 2 Timoty 3:16.