Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA OKTOBRA 2014

MATOAN-DAHATSORATRA | HANOVA NY FIAINANAO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Hanova ny Fiainanao ny Fanjakan’Andriamanitra

Hanova ny Fiainanao ny Fanjakan’Andriamanitra

Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Mety ho vaovao be aminao anefa ny fampanantenana sasany noresahintsika tao. Mety ho lasa saina àry ianao hoe izany ve dia hitranga.

Tena tsara ny mandinika hoatr’izany, fa tsy tonga dia minomino fahatany. (Ohabolana 14:15) Izany no nataon’ny Jiosy tany Beria. * Tsy tonga dia nino ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana notorina taminy izy ireo, na dia tiany hitranga aza ilay izy. Nandinika tsara ny Soratra Masina aloha izy ireo mba “hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:11) Nampitahainy tamin’izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny vaovao tsara reny. Resy lahatra izy ireo avy eo hoe tena avy ao tokoa ilay izy.

Mampirisika anao hanao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mampianatra Baiboly anao maimaim-poana izahay. Ianao ihany amin’izay no hahita raha tena avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanay momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa mianatra Baiboly koa ianao, dia hahita ny valin’ny fanontaniana sasany manahiran-tsaina antsika, ohatra hoe:

Ho lasa naman’Andriamanitra koa ianao rehefa mianatra Baiboly, ary izany no zava-dehibe indrindra. (Jakoba 4:8) Arakaraka ny anatonanao azy no hahitanao fa efa manao zavatra tsara ho anao ny Fanjakany, ary mbola hanao izany koa mandrakizay. Hoy mantsy i Jesosy, tamin’izy nivavaka tamin’ny Rainy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

 

^ feh. 4 Tanàna tany Makedonia i Beria.

Fanampim-panazavana

Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana?

Ny mpitondra fivavahana sa ny manam-pahaizana sa ny Baiboly?

Inona no Atao hoe Fianarana Baiboly?

Fantaro ny valin’ireo fanontaniana momba ny fandaharam-pampianarana Baiboly maimaim-poana ataonay.