Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA SEPTAMBRA 2014

Inona no Atao hoe Peshitta Syriàka? Mbola Ilaina ve Izy Io?

Inona no Atao hoe Peshitta Syriàka? Mbola Ilaina ve Izy Io?

Nisy kambana roa vavy atao hoe Agnes Lewis sy Margaret Gibson nandeha rameva nandritra ny sivy andro tany an-tany efitra, tamin’ny 1892, mba ho any amin’ny Monasiteran’ny Mb. Catherine, any an-tendrombohitra Sinay. Efa samy 50 taona latsaka izy roa tamin’izay. Nahoana izy ireo no nandeha tany, nefa nampidi-doza be ny lalana nalehany? Tsara ho fantatrao ny valin’izany. Vao mainka mantsy ianao hino hoe tena marina ny Baiboly.

Agnes Lewis sy ilay Monasiteran’ny Mb. Catherine

NANIRAKA ny mpianany hitory momba azy “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” i Jesosy, taloha kelin’ny hiakarany tany an-danitra. (Asan’ny Apostoly 1:8) Nazoto nanao izany tokoa ny mpianany sady tsy natahotra. Tsy tian’ny olona tao Jerosalema anefa ny zavatra notorin’izy ireo. Novonoin’ny olona àry i Stefana. Maro ny mpianatr’i Jesosy nandositra tany Antiokia, any Syria. Anisan’ny tanàna lehibe tany amin’ny Fanjakana Romanina izy io, ary 550 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Jerosalema.—Asan’ny Apostoly 11:19.

Mbola nitory “ny vaovao tsara” momba an’i Jesosy foana ny mpianany rehefa tonga tany Antiokia, ka betsaka ny olona tsy Jiosy lasa Kristianina. (Asan’ny Apostoly 11:20, 21) Teny syriàka no fitenin’ny olona teny amin’ny tanàna manodidina, na dia teny grika aza no tena nampiasaina tao Antiokia.

NADIKA HO AMIN’NY TENY SYRIÀKA NY VAOVAO TSARA

Nihabetsaka ny Kristianina niteny syriàka tamin’ny taonjato faharoa, ka tsy maintsy nadika ho amin’io fiteny io ny vaovao tsara. Toa tamin’ny teny syriàka àry, fa tsy tamin’ny teny latinina, no nandikana voalohany ny Soratra  Grika Kristianina, ary ny ampahany ihany no nadika.

Natambatr’i Tatien, mpanoratra syrianina (velona tamin’ny taona 120-173 tany ho any), ho boky iray ny Filazantsara efatra, tamin’ny taona 170 tany ho any, ary mety ho tamin’ny teny grika na syriàka no nanaovany izany. Nantsoina hoe Diatessaron (teny grika midika hoe “avy amin’ireo efatra”) ilay izy. Namoaka boky nanazava azy io ilay Syrianina atao hoe Éphrem (velona tamin’ny taona 310-373 tany ho any), tatỳ aoriana. Hita àry fa efa nampiasa ny Diatessaron ny Kristianina syrianina.

Tsara ho fantatsika izany. Nisy manam-pahaizana nilaza mantsy tamin’ny taonjato faha-19 fa tamin’ny taona 130 ka hatramin’ny 170, vao nosoratana ny Filazantsara, ka tsy marina ny zavatra tantaraina ao momba an’i Jesosy. Nisy sora-tanana tranainy amin’ny Diatessaron anefa hita tatỳ aoriana. Voaporofo tamin’izany fa efa be mpampiasa ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona, tamin’ny taona 150 tany ho any. Tsy maintsy ho efa nosoratana talohan’izay àry izy ireo. Ireo Filazantsara efatra ireo koa no tena nampiasain’i Tatien rehefa nanoratra ny Diatessaron izy, fa tsy ireo filazantsara hafa nosoratana tatỳ aoriana, izay tsy noheverina hoe marina sy avy amin’Andriamanitra.

Anisan’ny Baiboly sora-tanana tranainy indrindra ny Peshitta. Manaporofo izany fa efa ela no be mpanana ny Baiboly

Nisy Baiboly tamin’ny teny syriàka lasa be mpampiasa tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia, tany am-piandohan’ny taonjato fahadimy. Tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo angamba izy io no voadika. Ao daholo ny boky ao amin’ny Baiboly, afa-tsy ny Petera Faharoa, Jaona Faharoa sy Fahatelo, Joda, ary Apokalypsy. Nantsoina hoe Peshitta izy io. “Tsotra” na “mazava” no dikan’ny hoe “Peshitta.” Anisan’ny Baiboly sora-tanana tranainy indrindra ny Peshitta. Manaporofo izany fa efa ela no be mpanana ny Baiboly.

Tsara homarihina fa misy daty mifanitsy amin’ny taona 459/460 ny sora-tanana iray tamin’ny Peshitta. Io àry no Baiboly sora-tanana tranainy indrindra fantatra ny taona nanoratana azy. Nohavaozina ny Peshitta, tamin’ny taona 508 tany ho any, ary nampidirina tao ireo boky dimy mbola tsy tafiditra. Nantsoina hoe Dikan-tenin’i Philoxène ilay izy.

NISY HAFA KOA HITA TATỲ AORIANA

Dikan-teny natao tamin’ny taonjato fahadimy na ela be taorian’izay ny ankamaroan’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny grika hita talohan’ny taonjato faha-19. Tena nahaliana ny manam-pahaizana àry izay dikan-teny tranainy kokoa, anisan’izany ny Vulgate latinina sy ny Peshitta syriàka. Nisy nilaza hoe angamba nadika avy tamin’ny Baiboly syriàka tranainy ny Peshitta. Toa tamin’ny taonjato faharoa mantsy dia efa nisy Baiboly syriàka. Mbola tsy nisy nahita Baiboly tranainy be toy izany anefa tamin’ny taonjato faha-19. Raha misy Baiboly tranainy hita àry, dia tena hanampy ny manam-pahaizana hahalala izany hoe hoatran’ny ahoana ny Baiboly voalohandohany. Nisy tokoa ve izany Baiboly syriàka tranainy izany?

Sinaitika Syriàka. Mbola hita eo amin’ny sisim-pejy ireo andinin-teny nofafana

Eny. Nisy sora-tanana syriàka roa hita, ary manaporofo izy ireo hoe efa nisy Baiboly syriàka tranainy. Sora-tanana efa tamin’ny taonjato fahadimy ny voalohany. Niaraka tamin’ny sora-tanana syriàka maro ilay izy, ary azon’ny Tranombakoka Britanika tany amin’ny monasitera iray tany an-tany efitr’i Nitria, any Ejipta, tamin’ny 1842. Nantsoina hoe Dikan-teny Syriàkan’i Cureton izy io satria i William Cureton, mpiasa ao amin’ilay tranombakoka, no nahita sy nanao pirinty azy. Ao daholo ny Filazantsara efatra, fa milahatra toy izao: Matio, Marka, Jaona, ary Lioka.

Antsoina hoe Sinaitika Syriàka kosa ilay faharoa. Ilay mpirahavavy noresahina teny am-piandohana no nahita azy. Tsy nianatra teny amin’ny oniversite i Agnes, nefa nahay fiteny valo, anisan’izany ny teny syriàka. Nahita zavatra niavaka tao amin’ny monasiteran’ny Mb. Catherine tany Ejipta izy, tamin’ny 1892.

 Nahita Baiboly sora-tanana amin’ny teny syriàka, tao anaty arimoara maizimaizina izy. Nitantara izy hoe “ratsy be ny paozin’ilay izy satria naloto be. Efa niraikidraikitra be daholo koa ny pejy tamin’ilay izy” satria efa taonjato maro no “tsy nisokatra.” Nisy namafa ny soratra tao anatiny, ary nosoloana tantarana masimbavy amin’ny teny syriàka. Tsikaritr’i Agnes anefa fa tsy voafafa tsara ny soratra sasany, sady mbola nisy hoe “nosoratan’i Matio” sy “nosoratan’i Marka” ary “nosoratan’i Lioka” teny an-tampon’ireo pejy. Hay ireo Filazantsara efatra amin’ny teny syriàka ilay izy, fa tsy ampy kely fotsiny. Milaza ny manam-pahaizana fa tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra no nosoratana izy io.

Iray amin’ireo Baiboly sora-tanana miavaka indrindra hita ny Sinaitika Syriàka, tsy misy hafa amin’ny Baiboly sora-tanana grika hafa, ohatra hoe ny Kôdeksa Sinaiticus sy ny Kôdeksa Vaticanus. Maro no milaza fa dikan-teny avy tamina Filazantsara syriàka tamin’ny taona 200 tany ho any ilay Dikan-teny Syriàkan’i Cureton sy ilay Sinaitika Syriàka.

‘HAHARITRA MANDRITRA NY FOTOANA TSY VOAFETRA NY TENIN’ANDRIAMANITSIKA’

Tena mbola ilain’ny olona tia mandalina Baiboly ireny sora-tanana ireny. Mbola misy an’ilay atao hoe teny famaranana lava, ohatra, aorian’ny Marka 16:8, ao amin’ny Baiboly sasany. Anisan’izany ilay Baiboly grika tamin’ny taonjato fahadimy atao hoe Kôdeksa Alexandrinus sy ao amin’ny Vulgate latinina. Tsy ahitana an’io teny famaranana lava io anefa ny Baiboly roa sora-tanana grika vita tamin’ny taonjato fahefatra. Tsy inona izany fa ny Kôdeksa Sinaiticus sy ny Kôdeksa Vaticanus. Tsy nisy an’io koa ny Sinaitika Syriàka. Midika izany fa tsy nisy an’ilay teny famaranana lava tao amin’ny Filazantsaran’i Marka tamin’ny voalohany, fa tatỳ aoriana izy io vao natsofoka tao.

Nisy teny maromaro nasisika koa tao amin’ny 1 Jaona 5:7, tamin’ny taonjato faha-19, ary saika nahitana an’ilay izy ny Baiboly rehetra tamin’izany. Nentina nanaporofoana ilay izy fa telo izay iray Andriamanitra. Tsy hita ao amin’ny Baiboly sora-tanana grika tranainy indrindra sy ao amin’ny Peshitta anefa ireo teny ireo. Midika izany fa tatỳ aoriana vao nisy nanova ilay andinin-teny.

Narovan’i Jehovah Andriamanitra tokoa ny Teniny Masina, araka ny nampanantenainy. Hoy ny Baiboly: “Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Isaia 40:8; 1 Petera 1:25) Tena nilaina ny Peshitta mba hahafantaran’ny olona an’izay tena voalazan’ny Baiboly, na dia kely fotsiny aza ny anjara biriky nentin’izy io.

Fanampim-panazavana

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Nahoana ny Baiboly no afaka manampy anao hiatrika olana? Nahoana no azonao itokisana ny faminaniana ao?