Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA AOGOSITRA 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Te Hifandray Aminao Izy

Te Hifandray Aminao Izy

“Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.”—JAONA 6:44.

NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Maro amin’ny olona mino an’Andriamanitra no tsy mahatsapa ho akaiky azy. Nandeha niangona isan-kerinandro i Christina, any Irlandy, nefa hoy izy: “Tsisy zavatra fantatro momba an’Andriamanitra ankoatra ny hoe namorona ny zava-drehetra izy. Mbola tsy nahatsiaro ho akaiky azy mihitsy aho.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Nanao an’ity fanoharana ity i Jesosy: “Raha misy olona manana ondry zato ka nania ny iray, tsy hamela ny sivy amby sivifolo eo an-tendrombohitra ve izy ka handeha hikaroka ilay nania?” Te hilaza izy hoe ‘tsy tian’ny Rainy any an-danitra hisy ho very koa ny iray amin’ireny madinika ireny.’ (Matio 18:12-14) Raha mahatsiaro ho very àry ianao ka tsy mahita haleha intsony, dia tadidio fa tsy hahafoy anao mihitsy i Jehovah.

Sarobidy amin’Andriamanitra daholo ny tsirairay “amin’ireny madinika ireny.” Ahoana àry no ikarohany an’izay “nania”? Taominy hanatona azy izy ireo, araka ilay andinin-teny erỳ am-piandohana.

Iza ankehitriny no manatona ny olona any an-tranony na eny amin’ny toerana be olona, mba hiresaka momba an’Andriamanitra?

Diniho izay nataon’Andriamanitra fahiny. Nasainy niresaka tamin’ny tandapa etiopianina iray i Filipo, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mba hanazava ny dikan’ilay faminaniana novakin’io tandapa io. (Asan’ny Apostoly 8:26-39) Nirahiny ho any amin’i Kornelio koa ny apostoly Petera. Efa nivavaka tamin’Andriamanitra io manamboninahitra romanina io sady niezaka nanompo azy. (Asan’ny Apostoly 10:1-48) Andriamanitra koa no nitarika ny apostoly Paoly sy ny namany ho any amin’ny renirano iray tany ivelan’i Filipy. Hitan’izy ireo tany i Lydia, “mpivavaka tamin’Andriamanitra”, ary “nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah mba handraisany tsara ny teny.”—Asan’ny Apostoly 16:9-15.

Asehon’ireo tantara ireo fa raha mitady an’i Jehovah ny olona iray, dia ataony izay hahafantaran’ilay olona azy. Iza ankehitriny no manatona ny olona any an-tranony na eny amin’ny toerana be olona, mba hiresaka momba an’Andriamanitra? Maro no hamaly hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah.” Mieritrereta àry hoe: ‘Sao dia ry zareo àry no ampiasain’Andriamanitra mba hitaomana ahy hanatona azy?’ Hanaiky ve ianao? Nahoana àry raha mangataka amin’Andriamanitra mba hanampiany anao? *

^ feh. 8 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ao amin’ny www.jw.org/mg.

Fanampim-panazavana

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?

Olona an-tapitrisany eran-tany no mianatra Baiboly ka mahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Te hahazo ny valin’ireo fanontanianao koa ve ianao?

Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?

Jereo ato hoe henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra, ahoana no atao rehefa mivavaka, ary inona koa no azontsika atao mba ho akaiky an’Andriamanitra.