Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA AOGOSITRA 2014

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Tia Niady Aho Satria Te Hanafoana ny Tsy Rariny sy ny Herisetra

Tia Niady Aho Satria Te Hanafoana ny Tsy Rariny sy ny Herisetra
  • TERAKA: 1960

  • FIRENENA: LIBAN

  • FIAINANY TALOHA: MPANAO KUNG-FU

NY FIAINAKO TALOHA:

Lehibe tany Rmeich, eo akaikin’ny sisin-tanin’i Israely sy Liban, aho. Nisy ady an-trano tamin’izany, ka mbola tadidiko foana ireo tsy nanan-tsiny tapa-tanana sy tapa-tongotra nipoahan’ny vanja nilevina. Mafy ny fiainana ary niely patrana ny heloka bevava sy ny herisetra.

Tao amin’ny Fiangonana Maronita, anisan’ny Fivavahana Katolika, ny fianakaviako. Niasa foana i Dada mba hamelomana anay folo mianadahy. I Neny kosa niezaka nitondra anay nivavaka foana. Tsapako, tatỳ aoriana, fa na ny fiangonana aza tsy nahavita niahy ny madinika.

Lasa tia kung-fu aho rehefa lehibebe. Nanao fanazaran-tena foana aho, ka lasa kinga erỳ tamin’ny daka sy ny totohondry. Lasa havanana tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana amin’ny haiady koa aho. Nihevitra aho hoe ‘rehefa tsy afaka manakana ny firenena tsy hiady aho, dia mba vitako kosa, fara faharatsiny, ny misakana ny olona tsy hiady.’ Tonga dia niditra an-tsehatra aho raha vao nahita olona niady. Olona mora tezitra aho, ka na zavatra kely aza dia efa naharomotra ahy. Tia niady aho satria te hanafoana ny tsy rariny sy ny herisetra, ka lasa natahoran’ny olona tany amin’ny faritra atsimon’i Liban.

Niditra tao amin’ny fikambanan’ny mpanao kung-fu tany Beyrouth aho, tamin’ny 1980. Nirefotra isan’andro ny baomba sy ny tafondro ary ny bala afomanga, nefa tsy nahasakana ahy tsy handeha hanao fanazaran-tena izany. Ny nanahaka an’i Bruce Lee, ilay mpilalao sarimihetsika sinoa, no tena nimasoako, ankoatra ny nisakafo sy ny natory. Nalaiko tahaka ny hety volony, ny fandehany, hatramin’ny kiakiaka fanaony rehefa manao kung-fu. Tsy nitsiky mihitsy koa aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Te ho lasa mpanao kung-fu matihanina tany Chine aho. Nisy nandondòna anefa tao aminay, indray takariva. Vavolombelon’i Jehovah roa no tao, niaraka tamin’ny namako anankiray. Teo am-panaovana  fanazaran-tena aho tamin’izay, satria nanomana ny diako ho any Chine. Nanao akanjo mainty ambony ambany aho, ary nipatrapatraka ny hatsembohako. Hoy aho tamin’izy ireo: “Izaho tsy mahay Baiboly izany mihitsy an!” Tsy nampoiziko hoe hampiova ny fiainako iny fitsidihana iny.

Nasehon’ireo Vavolombelona ahy tao amin’ny Baiboly fa tsy ho vitan’ny olombelona ny hanafoana ny tsy rariny sy ny herisetra. I Satana Devoly, hoy izy ireo, no tena mahatonga an’izany. (Apokalypsy 12:12) Gaga be aho fa tony sy natoky tena erỳ ry zareo. Nilaza koa izy ireo hoe manana anarana Andriamanitra, ary tena nanohina ny foko izany. (Salamo 83:18) Nasehony ahy koa ny 1 Timoty 4:8 hoe: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena, fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra, satria izy io no misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.” Nisy vokany be tamiko io andinin-teny io.

Nampalahelo fa tsy navelan’ny tao an-trano nankany aminay intsony ireo Vavolombelona, ka tsy hitako intsony. Tapa-kevitra anefa aho hoe tsy hanao kung-fu intsony, fa hianatra Baiboly. Na tsy nanaiky an’izany aza ny iray tam-po amiko, dia ny hitady Vavolombelona sy hianatra Baiboly ihany no masaka tao an-tsaiko.

Nitady aho ka nitady, fa tsy nahita Vavolombelona mihitsy. Maty tampoka ny dadako tamin’izany sady nisy voina hafa, ka nalahelo be aho. Efa niasa tao amin’ny orinasa mpanao trano aho tamin’izany. Nisy mpiara-miasa tamiko iray izay nanontany ahy tany am-piasana hoe naninona aho no toa nalahelo be. Adel no anarany, ary niresaka tamiko momba ny fitsanganana amin’ny maty izy. Nampianatra Baiboly ahy izy nandritra ny sivy volana, ary tena be fitiavana sy tsara fanahy ary nanam-paharetana.

Rehefa nitohy ny fianaranay, dia hitako hoe tena nila niova aho. Tsy mora ilay izy, satria olona mora tezitra aho. Nanampy ahy hifehy tena sy tsy ho mora entim-po anefa ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Jesosy ao amin’ny Matio 5:44 hoe: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” Ny Romanina 12:19 indray milaza hoe: ‘Aza mamaly faty, ry malala, fa voasoratra hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly”, hoy i Jehovah.’ Nanampy ahy tsikelikely hifehy ny fihetseham-poko ireo andinin-teny ireo sy ny maro hafa.

NY SOA NORAISIKO:

Lasa nanaja ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny fianakaviako, tatỳ aoriana, fa tsy nanohitra intsony. Manompo an’i Jehovah koa izao ny zandriko lahy, ary niaro anay foana ny mamanay, fony fahavelony, rehefa nisy nanakiana ny finoanay.

Manana namana mahafinaritra sy tsy mivadika koa aho izao. Anita no anarany, ary samy mitory manontolo andro izahay mivady. Efa hatramin’ny taona 2000 izao izahay no nipetraka teto Eskilstuna, Soeda, ary mampianatra Baiboly an’ireo olona miteny arabo.

Mbola malahelo foana aho rehefa mahita olona iharan’ny herisetra. Faly sy milamin-tsaina anefa aho, satria efa haiko ny tena antony mahatonga ny herisetra. Fantatro koa fa hofoanan’Andriamanitra tsy ho ela izany.—Salamo 37:29.

Tena tianay mivady ny manao fanompoana. Tianay ny mampianatra ny olona momba an’i Jehovah

Fanampim-panazavana

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Nanomboka oviana no nisy faharatsiana teto an-tany? Nahoana Andriamanitra no mbola miandry? Mbola hifarana ihany ve ny fijaliana?