Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA AOGOSITRA 2014

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JOSEFA

“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”

“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”

EFA harivariva tamin’izay. Mipitrapitra erỳ i Josefa mijery miantsinanana. Raha mba afaka mandositra mantsy izy! Ao ambadika kelin’ireo havoana ireo izao i Hebrona tanànany. Any izay i Jakoba rainy mipetrapetraka ao an-trano tsy mahalala akory an’izay mahazo an’ity zanany tsy foiny. Tsy afaka mody any anefa izao i Josefa, ary mety tsy hahita an’ilay Dada malalany intsony. Iny izy mizotra amin’ilay lala-masaka mianatsimo mankany Ejipta miaraka amin’ireo mpivaro-mandeha. Sady manara-maso azy ry zareo no mandroaka ny ramevany. Efa an-dry zareo mantsy izao i Josefa. Lasa entam-barotra hoatran’ny menaka sy ditin-kazo manitra izy, ka hakany tombony any Ejipta.

Vao 17 taona mahery kely i Josefa tamin’izay. Alao sary an-tsaina ange e! Iny izy mitazana ny masoandro mody eny amin’ny faravodilanitry ny Ranomasina Lehibe, sady lasa saina hoe: ‘Fa dia nahoana loatra re aho no niharan’izao e?’ Tsy nampino azy mihitsy hoe ny zokiny izao no saika hamono azy, dia avy eo nivarotra azy ho andevo. Azo antoka fa tsy tanany ny ranomasony tamin’izy nieritreritra an’izany. Tsy azony an-tsaina koa hoe hanao ahoana izao no hiafarany.

Mbola nanam-pinoana foana i Josefa na dia lasa andevo aza

Niharan’ny tsy rariny i Josefa sady tsy noraharahain’ny zokiny. Fa nahoana? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny finoan’io tovolahy io?

TSY NIRAY SAINA NY FIANAKAVIANY

Maro an-trano ry Josefa, saingy tsy sambatra sady tsy niray saina izy mianakavy. Asehon’ny Baiboly amin’ny fiainan-dry Jakoba fa tena ratsy ny mampirafy. Fanaon’ny olona izany fahiny, ary mbola noleferin’Andriamanitra aloha. Rehefa tonga ny Zanany vao naverina indray ilay fitsipika tany am-boalohany hoe iray ihany no tokony ho vadin’ny lehilahy iray. (Matio 19:4-6) Nisy 14, fara fahakeliny, ny zanak’i Jakoba, izay naterany tamin’i Lea sy Rahely vadiny ary Zilpa sy Bilaha mpanompon-dry zareo. I Rahely no tena tian’i Jakoba. Voafitaka anefa izy satria i Lea, zokin’i Rahely, indray no nomena azy ho vadiny. Tsy hoatran’ny fitiavany an’i Rahely anefa ny fitiavany an’i Lea, ka lasa nifandrafy izy roa vavy ary lasa nifampialona hatramin’ny zanak’izy ireo.—Genesisy 29:16-35; 30:1, 8, 19, 20; 37:35.

Momba nandritra ny fotoana ela be i Rahely. Niteraka an’i Josefa ihany anefa izy tatỳ aoriana,  ary tena niangaran’i Jakoba io zaza io satria zanaky ny fahanterany. Tamin-dry zareo hihaona tamin’i Esao, ohatra, dia nataon’i Jakoba tany aoriana indrindra i Rahely sy Josefa kely. Tiany ho voaro mantsy izy ireo, satria olona efa nifofo ny ainy io zokiny lahy io. Tsy maintsy ho nisy vokany be tamin’i Josefa izany nataon’ny rainy izany. Fa eritrereto koa izay mety ho tsapany rehefa nahita an’ilay rainy lasa nikotringa tampoka, ny marainan’io andro io. Taitra be angamba izy, satria olona mbola natanjaka ihany ny dadany, na dia efa antitra aza. Hay niady tamin’ny anjely matanjaka be izy. Te hahazo fitahiana tamin’i Jehovah Andriamanitra mantsy i Jakoba. Notahina tokoa izy ka novana hoe Israely ny anarany, ary hisy firenena hantsoina amin’io anarany io. (Genesisy 32:22-31) Lasa fantatr’i Josefa, tatỳ aoriana, hoe ho avy amin’ny zanak’i Israely io firenena io.

Nisy fahoriana nianjady tamin’i Josefa, taorian’izay. Mbola kely izy nefa nilaozan’ilay reny malalany sahady. Teo am-piterahana an’i Benjamina zandriny lahy ny reniny no maty. Nalahelo be ny dadany tamin’izay. Alao sary an-tsaina i Jakoba mamafa moramora ny ranomason’i Josefa sady mampahery azy hoe mbola hatsangana ny reniny. Izany fanantenana izany koa mantsy no nampahery an’i Abrahama, dadaben’i Jakoba. Tsy maintsy ho nanohina ny fon’i Josefa izany. Vao mainka angamba izy lasa tia be an’ilay ‘Andriamanitry ny velona’, izay tena tsara fanahy. (Lioka 20:38; Hebreo 11:17-19) Tena tia an’izy mirahalahy kely, zanany tamin’i Rahely, foana i Jakoba taorian’ny nahafatesan’ilay vadiny.—Genesisy 35:18-20; 37:3; 44:27-29.

Matetika no lasa maditra ny ankizy rehefa ampihantaina. Hafa mihitsy anefa i Josefa, fa ny toetra tsaran’ny ray aman-dreniny no notahafiny. Lasa nanam-pinoana sy nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy koa izy. Nanampy ny zokiny lahy niandry ondry, ohatra, izy tamin’izy 17 taona, ary nahita azy ireo nanao ratsy. Hanafina an’izany ve izy, amin’izay mba ho tian’ireo zokiny ireo? Tsy fantatsika izay tao an-tsainy, fa nety aloha ny nataony. Notantarainy tamin’ny dadany ilay izy. (Genesisy 37:2) Noho izy sahy nanao an’izany angamba no vao mainka nitiavan’i Jakoba azy. Tokony hanahaka azy ny tanora kristianina. Mety ho nanao zavatra tsy nety ny iray tam-po aminy na ny namany, ary mety halaim-panahy tsy hiteny izy. Tokony hanahaka an’i Josefa anefa izy, ka hitantara an’ilay izy amin’izay olon-dehibe afaka manitsy an’ilay nanao ny tsy nety.—Levitikosy 5:1.

Misy azontsika ianarana koa avy amin’ny zava-nitranga tao amin-dry Josefa. Marina fa tsy misy mampirafy intsony ny tena Kristianina. Mety hisy raikely na renikely na zana-bady anefa ao an-tranony. Lasa tsy miray saina ny fianakaviana raha misy atao tombo sy hala ao an-trano, toy ny tao amin-dry Jakoba. Tokony hanome toky ny  zanany sy ny zana-badiny ny ray aman-dreny hoe tena tiana daholo ny tsirairay amin’izy ireo, sady samy manana ny mampiavaka azy no samy ilaina mba hahasambatra an’ilay fianakaviana.—Romanina 2:11.

NANOMBOKA NIALONA IZY IREO

Tian’i Jakoba rainy kokoa i Josefa satria azo atokisana sady nanao ny marina

Noho i Josefa sahy nanao ny tsara angamba no nahatonga ny dadany ho tena tia azy. Nampanamboatra akanjo manokana ho azy àry i Jakoba. (Genesisy 37:3) Toa akanjo lava hatreny an-kitrokely izy io sady lava tanana, ary mety ho ireny fanaon’ny olona ambony na andriana ireny.

Mba te haneho ny fitiavany an’ilay zaza fotsiny angamba i Jakoba tamin’izay. Tsy maintsy ho tena nanohina ny fon’i Josefa izany. Hampisy olana aminy anefa izao io akanjo io. Mpiandry ondry mantsy izy, ary asa mafy izany. Alao sary an-tsaina hoe iny ilay zaza manavatsava any anaty bozaka miaraka amin’ilay akanjo tsara be, dia avy eo mianika harambato, na manavotra zanak’ondry voasaringotry ny kirihitra. Izay eo ihany fa hanao ahoana koa ny ho fifandraisany amin’ny zokiny noho io akanjo io? Io mantsy no porofo fa tian’ny dadany kokoa izy.

Hoy ny Baiboly: “Rehefa hitan’ny rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahala azy izy ireo, ka tsy nahavita niresaka taminy tamin-katsaram-panahy.” * (Genesisy 37:4) Ara-dalàna raha nialona azy ny zokiny, kanefa tokony ho nifehy ny fihetseham-pony ihany izy ireo. (Ohabolana 14:30; 27:4) Efa nialona koa ve ianao satria hoe lasan’olon-kafa ny voninahitra na zavatra hafa tianao ho azo? Tadidio ny zokin’i Josefa. Lasa nanao zavatra nanenenany mafy izy ireo noho ny fialonana. Aleo foana àry ‘miara-mifaly amin’izay mifaly.’—Romanina 12:15.

Azo antoka fa hitan’i Josefa hoe tsy tia azy maizina ny zokiny. Asa raha nieritreritra ny hanafina an’ilay akanjo izy, rehefa teo akaikikaiky teo ry zareo. Fantatsika anefa fa porofom-pitiavan’i Jakoba an’ilay zanany ilay akanjo. Nanaovan’i Josefa foana àry ilay izy satria mba te hampiseho koa izy hoe azo atokisana. Ohatra tsara ho antsika izy. Marina fa tsy miangatra ilay Raintsika any an-danitra, kanefa misy mpanompony ataony miavaka amin’ny hafa ihany indraindray. Milaza koa izy hoe tokony hiavaka ny mpanompony, fa tsy ho ratsy fitondran-tena toy ny olona eto amin’izao tontolo izao. Ny an’i Josefa ny akanjony no nampiavaka azy, fa ny an’ny tena Kristianina ny fitondran-tenany. Mahatonga ny olona hialona sy tsy ho tia azy ireo izany indraindray. (1 Petera 4:4) Kristianina anefa izy ireo ka tsy tokony hanafina an’izany, hoatran’ny tsy nanafenan’i Josefa ny akanjony.—Lioka 11:33.

 NY NOFIN’I JOSEFA

Nanonofy i Josefa tatỳ aoriana kely, ary tsy mahazatra ilay izy. Tamin’ny voalohany izy nanonofy hoe samy namatotra amboara, hono, izy sy ny zokiny lahy. Dia nanodidina ny amboarany ny amboaran’ny zokiny lahy sady niankohoka, fa ny azy kosa nijoro mahitsy. Tamin’ny faharoa indray izy nanonofy hoe niankohoka teo aminy daholo, hono, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana 11. (Genesisy 37:6, 7, 9) Nokobonin’i Josefa ho azy samirery ve izany nofy izany?

Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ireo nofy ireo. Faminaniana ilay izy ary tian’Andriamanitra holazain’i Josefa amin’ny olona. Mitovitovy amin’ny nataon’ny mpaminany tatỳ aoriana no nataon’i Josefa. Nasain’Andriamanitra niresaka hafatra sy didim-pitsarana ho an’ny mpanompony nivadika koa mantsy izy ireny.

Nitandrintandrina erỳ i Josefa niteny tamin’ny zokiny hoe: “Mba henoy kely izao nofiko izao.” Azon’ny zokiny tsara ilay nofy ary tsy tiany maizina. Hoy izy ireo: “Dia tena hanjaka aminay tokoa ve ialahy? Dia tena hifehy anay tokoa ve ialahy?” Lasa “vao mainka nankahalan’ireo azy ny nofiny sy ny teniny.” Mbola hoatr’izay ihany no nitranga rehefa nitantara an’ilay nofy faharoa tamin’izy ireo sy ny dadany i Josefa. “Niteny mafy azy ny rainy hoe: ‘Inona no dikan’izany nofinao izany? Ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?’ ” Nosaintsainin’i Jakoba ihany anefa ilay nofy. Mety ho i Jehovah mantsy, hoy izy, no niresaka tamin’io zaza io.—Genesisy 37:6, 8, 10, 11.

Tsy i Josefa ihany no mpanompon’i Jehovah nirahina hilaza hafatra tsy tian’ny olona hoatr’izany. Ny mpitory sasany aza nenjehina mihitsy noho ny hafatra notoriny. I Jesosy no lehibe indrindra amin’ireny mpitondra hafatra ireny. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy. “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Afaka ny hanam-pinoana sy ho sahy, toa an’i Josefa kely, ny Kristianina rehetra na tanora izy na antitra.

NIHOA-PAMPANA NY FANKAHALAN’IZY IREO

Taoriana kelin’izay, dia nirahin’i Jakoba ho any amin’ny rahalahiny i Josefa. Niandry ondry tany akaikin’i Sekema ry zareo tamin’izay. Vao tsy ela talohan’io anefa, dia lasa fahavalon’ny olona tao amin’io tanàna io izy ireo, noho ny zavatra nataon-dry zareo ihany. Tsy nahagaga raha natahotra i Jakoba, ka naniraka an’i Josefa mba hijery hoe nanao ahoana izy ireo. Azonao an-tsaina ve ny mety ho fihetseham-pon’i Josefa? Fantany hoe vao mainka nankahala azy ny zokiny. Izao indray izy ity ho mpitondra tenin’ny rainy! Nankatò foana anefa i Josefa ka nandeha.—Genesisy 34:25-30; 37:12-14.

Lavitra ny lalana satria dia an-tongotra efatra na dimy andro eo ho eo. Any amin’ny 80 kilaometatra any avaratr’i Hebrona mantsy no misy an’i Sekema. Tao Sekema anefa i Josefa vao nahalala hoe nifindra tany Dotana ny zokiny, ka mbola nila nianavaratra 22 kilaometatra teo ho eo indray izy. Tonga dia romotra be ny zokiny raha vao nahatazana azy. “Nifampiresaka ireo hoe: ‘Iny tonga iny ilay mpanonofy. Andao hovonointsika izy dia hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireo lavaka fanangonan-drano ireo, ka holazaintsika hoe lanin’ny bibidia masiaka. Dia ho hitantsika hoe hanao ahoana ny nofiny.’ ” Niangavy azy ireo anefa i Robena hoe aleo i Josefa hatsipy ao anaty lavadrano fotsiny. Azony avotana mantsy i Josefa amin’izay.—Genesisy 37:19-22.

Tsy nanampo na inona na inona i Josefa fa dia nanatona soa aman-tsara. Nihevitra aza izy hoe handray azy tsara ny zokiny. Tonga dia nendahan-dry zareo anefa ny akanjony, dia notaritaritiny ho eny amin’ny lavadrano iray efa ritra izy, ary natosiny tao. Nanaintaina be izy rehefa nidoboka tao. Niezaka nitsangana izy rehefa tsy dia naninona, saingy hitany hoe tsy ho tafavoaka tao mihitsy izy. Ny lanitra manga tandrifin’ilay vava lavaka sisa no mba hitany. Nihalefy tsikelikely koa ny feon’ireo zokiny rehefa nihanihataka an’ilay lavaka izy ireo. Niangavingavy sy nitalaholaho mafy izy, fa tsy nisy niraharaha. Tsy rototra akory ry zareo nihinan-kanina teo akaiky teo. Nony dify kely i Robena dia nieritreritra ny hamono an’i Josefa  indray ry zareo, saingy notenenin’i Joda hoe aleo izy hamidy amin’ny mpivaro-mandeha. Akaikin’ny lalan’ny mpivaro-mandeha mankany Ejipta mantsy i Dotana, ka tsy ela dia nandalo ny Ismaelita sy ny Midianita. Efa vita ny varotra vao tonga i Robena. Namidin’izy ireo ho andevo ny zandriny, ary lafony 20 sekely. *Genesisy 37:23-28; 42:21.

Tsy tian’ny rahalahiny i Josefa na dia nanao ny marina foana aza

Miverina amin’ilay noresahintsika tany am-piandohana indray isika. Hoatran’ny hoe namoy izay rehetra nananany i Josefa rehefa nihazo an’ilay lalana ho any Ejipta. Nosarahina tampoka tamin’ny fianakaviany mantsy izy. Tsy nahalala momba azy ireo intsony izy nandritra ny taona maro. Tsy fantany akory hoe nitebiteby be ange i Robena rehefa niverina ka tsy nahita azy tao amin’ilay lavaka intsony. Tsy fantany fa nalahelo be i Jakoba rainy rehefa nandaingan’ny zokiny hoe maty izy. Tsy nisy fantany koa ny momba an’i Isaka dadabeny, izay mbola velona tamin’izany. Tsy naheno vaovao momba an’i Benjamina, ilay zandriny tsy foiny, intsony koa izy. Nisy zavatra tsy nafoiny anefa.—Genesisy 37:29-35.

Mbola nanana finoana i Josefa, ary tsy azon’ireo zokiny nesorina taminy izany. Nahalala zavatra betsaka momba an’i Jehovah Andriamaniny izy, ka tsy nihena mihitsy ny finoany na inona na inona nitranga. Namoy ny tranony tokoa i Josefa, niatrika zava-tsarotra maro teny an-dalana ho any Ejipta, ary toa tsy nanana ny hasiny intsony rehefa namidy ho andevo tamin’i Potifara, ilay Ejipsianina mpanankarem-be. (Genesisy 37:36) Na teo aza anefa izany, dia vao mainka izy nino an’ilay Andriamaniny sy nifikitra taminy. Hojerentsika any aoriana fa vao mainka i Josefa azon’i Jehovah Andriamanitra nampiasaina ary afaka namonjy ny fianakaviany, noho izy nanam-pinoana. Tena tokony hanahaka azy àry isika.

^ feh. 15 Nilaza ny mpikaroka sasany fa angamba ny zokin’i Josefa nihevitra hoe matoa i Jakoba nanome an’ilay akanjo an’i Josefa, dia tian’ny dadany homena azy ny zon’ny lahimatoa. Fantatr’izy ireo mantsy fa i Josefa no lahimatoan’i Rahely, ilay tena tian’i Jakoba sy noeritreretiny halaina ho vady voalohany. I Robena, zanak’i Jakoba lahimatoa, koa efa nanao firaisana tamin’ny vadikelin-drainy. Nahatonga azy hamoy ny zon’ny lahimatoa izany sady nanala baraka an’ilay rainy.—Genesisy 35:22; 49:3, 4.

^ feh. 25 Marina ny nolazain’ny Baiboly na dia amin’io tsipiriany kely io aza. Nisy asa soratra nilaza fa 20 sekely ny vidin’ny andevo tany Ejipta tamin’izany.

Fanampim-panazavana

“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”

Nanadala an’i Josefa foana ny vadin’i Potifara. Ahoana anefa no nandavany azy?