Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MEY 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA

Misy Mahay Mamantatra ny Hoavy Ve?

Misy Mahay Mamantatra ny Hoavy Ve?

Mieritreritra ny hoavy daholo isika. Lasa saina, ohatra, isika hoe: ‘Hanao ahoana re izahay mianakavy e? Hanao ahoana ny fiainan’ny zanako any aoriana any? Hisy loza hahapotika ny tany ve? Inona no azoko atao mba ho tsara kokoa ny hoaviko?’ Tia manontany hoatr’izany isika, satria efa izay mihitsy no namoronana antsika. Te hahazo toky sy hilamin-tsaina mantsy isika, ary tsy tiantsika hikorontana ny fiainantsika. Afaka miomana koa isika raha mahalala ny hoavy.

Hanao ahoana àry ny hoavinao? Misy mahalala an’izany ve? Nisy marina ihany aloha ny zavatra nolazain’ny mpikaroka, nefa betsaka koa ny diso. Voalaza anefa fa hain’Andriamanitra tsara ny milaza izay hitranga amin’ny hoavy. Milaza ny Isaia 46:10 fa “manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany” izy, ary “manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” Tanteraka daholo ve izay nolazainy?

TANTERAKA DAHOLO VE IZAY NOLAZAIN’ANDRIAMANITRA?

Tokony hahaliana antsika izay nolazainy fahiny. Nahoana? Andeha hatao hoe misy olona iray mpilaza toetrandro, ary marina foana ny toetrandro lazainy isan’andro. Azo inoana fa hihaino izay lazainy momba ny toetrandro indray ianao rahampitso. Azo antoka koa fa ho liana amin’izay lazain’Andriamanitra momba ny hoavinao ianao, raha fantatrao hoe marina foana izay nolazainy fahiny.

Namboarina indray ny manda iray teo amin’ilay toerana nisy an’i Ninive fahiny

HO RAVA ILAY TANÀNA LEHIBE:

Natanjaka be nandritra ny taonjato maro i Ninive. Nolazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny anefa fa ho rava izy io, ary izany tokoa no nitranga. Tena mampiaiky ny fahaizany maminany. (Zefania 2:13-15) Voamarin’ny mpahay tantara ve izany? Eny. Nanafika sy nandrava an’i Ninive mantsy ny  Babylonianina sy ny Medianina, 15 taona teo ho eo tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny taona 632 Talohan’i Kristy. Nilaza koa Andriamanitra fa hatao “tsy misy mponina i Ninive, ka ho karakaina toy ny tany efitra.” Tanteraka koa izany. Mety ho 518 kilaometatra toradroa ny velaran’ilay tanàna sy ny manodidina. Na izany aza, dia tsy nieritreritra ny haka an’ilay tanàna sy hipetraka tao toy ny fanaony ireo firenena nandresy azy. Noravany kosa ilay izy. Misy mpikaroka mahavita maminany hoatr’izany ve?

TAOLAN’OLONA HODORANA:

Iza no ho sahy hilaza, 300 taona mialoha, fa hisy lehilahy iray handoro taolan’olona eo ambony alitara, ary tsy izay ihany fa lazaina hatramin’ny anaran’ilay lehilahy sy ny razambeny ary ny tanàna hisy an’ilay alitara? Azo antoka fa halaza izay olona maminany an’izany raha tanteraka tokoa ilay izy. Hoy ny mpitondra tenin’Andriamanitra: ‘Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny taranak’i Davida. Josia no anarany, ary handoro taolan’olona eo ambonin’ny alitara iray ao Betela izy.’ (1 Mpanjaka 13:1, 2) Nisy mpanjaka nantsoina hoe Josia tokoa avy tamin’ny taranak’i Davida, 300 taona tatỳ aoriana. Tsy dia be mpanana io anarana io ao amin’ny Baiboly. Nampaka “taolam-paty” tokoa i Josia, ka “nodorany teo ambonin’ilay alitara” tao Betela izany. (2 Mpanjaka 23:14-16) Tsy misy mahavita maminany hoatr’izany raha tsy tarihin’Andriamanitra.

Nolazaina mialoha tao amin’ny Baiboly hoe hianjera i Babylona ary mahavariana fa tanteraka tokoa izany

HO RESY ILAY FANJAKANA MATANJAKA INDRINDRA:

Ahoana raha misy milaza mialoha hoe hisy lehilahy iray handrodana fanjakana matanjaka be, nefa ilay lehilahy aza mbola tsy teraka akory? Ahoana raha lazaina hatramin’ny tetika hampiasainy handresena an’ilay fanjakana? Ho variana angamba ianao raha tanteraka tokoa izany. Nahavita nanao an’izany Andriamanitra. Nilaza izy fa hisy lehilahy antsoina hoe Kyrosy handresy fanjakana iray. Hanafaka ny Jiosy babo izy io ary hanampy an’ilay vahoaka hanamboatra ny tempolin’izy ireo. Nolazainy koa aza ny tetika hampiasain’i Kyrosy. Anisan’izany ny hoe hataony ritra ny renirano. Nilaza koa Andriamanitra fa havela hidanadana ny vavahadin’ilay tanàna, ka ho mora amin-dry zareo  ny handresy azy. (Isaia 44:27–45:2) Tanteraka daholo ve izany? Niaiky ny mpahay tantara fa nandresy tokoa i Kyrosy. Navilin’ny tafiny ny lakandrano iray tao Babylona, ka ritra ny renirano tao. Nidanadana ho azy ny vavahadin’ilay tanàna ka niditra moramora ry zareo. Nafahan’i Kyrosy koa ny Jiosy avy eo, ary nilaza izy fa afaka manorina ny tempoly any Jerosalema indray izy ireo. Hafahafa izany satria i Kyrosy aza tsy nanompo ny Andriamanitry ny Jiosy akory. (Ezra 1:1-3) Tsy misy mahavita maminany hoatr’izany afa-tsy Andriamanitra?

Niresaka ohatra telo isika teo mampiseho fa tanteraka daholo izay nolazain’Andriamanitra mialoha. Efa nisy hoatr’izany koa fahiny. Hoy i Josoa tamin’ny Israelita: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.” (Josoa 23:1, 2, 14) Niaiky ny Israelita fa marina daholo izay ampanantenain’Andriamanitra sy izay lazainy mialoha. Ahoana anefa no anaovan’Andriamanitra an’izany? Betsaka ny zavatra tsy mampitovy azy amin’ny olombelona. Tena zava-dehibe ny hahalalanao an’izany, satria nilaza izy fa hisy zavatra maromaro hitranga amin’ny hoavy tsy ho ela ary hisy vokany aminao izy ireny.

INONA NO TSY MAMPITOVY AN’ANDRIAMANITRA SY NY OLONA?

Rehefa maminavina ny hoavy ny olona, dia matetika izy ireo no mampiasa ny valin’ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa, na ny zava-misy, na ny tenin’ny olona lazaina fa ipetrahan-javatra. Miandry fotsiny an’izay mety hitranga izy aorian’izay.—Ohabolana 27:1.

Tsy mba hoatr’izany Andriamanitra. Mahalala ny zava-drehetra izy, ary fantany tsara ny toetran’ny olombelona sy ny zavatra tian’izy ireo hatao. Azony atao àry ny mamantatra mialoha izay hataon’ny olona na firenena iray any aoriany any, raha te hanao an’izany izy. Afaka manovaova ny zava-misy mihitsy aza izy mba hahatanteraka ny fikasany. Hoy izy: ‘Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teny aloaky ny vavako, fa hahomby.’ (Isaia 55:11) Toy ny hoe milaza an’izay hataony amin’ny hoavy fotsiny àry Andriamanitra rehefa maminany. Ataony avy eo izay hahatanteraka an’ilay izy.

NY HOAVINAO

Misy fomba azo antoka hamantaranao ny hoavinao sy ny an’ny havanao ve? Azo antoka hoe hanao izay hamonjena ny ainao ianao, raha fantatrao fa hisy rivo-doza mananontanona. Afaka manao toy izany koa ianao raha mahafantatra ny faminanian’ny Baiboly. Nilaza Andriamanitra fa tsy ho ela dia hisy fiovana be maneran-tany. (Jereo ilay efajoro hoe “ Efa Nampahafantatra ny Hoavy Andriamanitra.”) Mifanohitra amin’izay lazain’ny olona mihambo ho mahay mamantatra ny hoavy izany.

Izao angamba no ahazoanao azy: Efa voasoratra amin’ny ambangovangony ny tantaran’izao tontolo izao, ary azo fantarina mialoha ny ho fiafarany. Nilaza Andriamanitra fa izy no ‘manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy milaza hoe: “Tsy hiova ny fikasako, ary hataoko izay sitrako rehetra.”’ (Isaia 46:10) Afaka manana hoavy sambatra ianao sy ny fianakavianao. Azonao anontaniana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe inona no resahin’ny Baiboly fa hitranga amin’ny hoavy. Tsy hoe mpanandro akory ny Vavolombelon’i Jehovah, na mihambo ho maheno fanahy miteny aminy, na hoe manana hery manokana ahafahana milaza ny hoavy. Mpianatra Baiboly kosa izy ireo, ary afaka manoro anao ny zavatra tsara nomanin’Andriamanitra ho anao amin’ny hoavy.