Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MARTSA 2014

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana no mahasoa antsika ny nahafatesan’i Jesosy?

Noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona, ka tsy harary na ho faty mihitsy. Tsy nankatò ny Mpamorona anefa i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka lasa tsy afaka niaina mandrakizay. Mety maty toa azy koa isika satria taranany. (Romanina 5:8, 12; 6:23) Nirahin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ho etỳ an-tany i Jesosy Zanany mba ho faty ka hamerina an’izay nafoin’i Adama.—Vakio ny Jaona 3:16.

Maty i Jesosy mba hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay. Hoatran’ny ahoana izany fiainana mandrakizay eto an-tany izany, araka ny hevitrao?

Afaka mahazo famelan-keloka sy miaina mandrakizay isika, noho i Jesosy maty ho antsika. Resahin’ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy, rehefa tsy hisy intsony ny antitra sy ny marary ary ny maty.—Vakio ny Isaia 25:8; 33:24; Apokalypsy 21:4, 5.

Ahoana no tokony hahatsiarovana ny nahafatesany?

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, fa tokony hanao fandaharana tsotsotra hahatsiarovana ny nahafatesany izy ireo. Isaky ny manao an’izany isika isan-taona, dia ho tsapantsika hoe tena tia ny olombelona i Jehovah sy Jesosy.—Vakio ny Lioka 22:19, 20; 1 Jaona 4:9, 10.

Mitsingerina amin’ny alatsinainy 14 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ity taona ity. Asaina ianao hanatrika izany miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo.—Vakio ny Romanina 1:11, 12.

Fanampim-panazavana

Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Jesosy

Olona an-tapitrisany isan-taona no mankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahafatesan’i Jesosy. Asaina ianao hijery hoe nahoana no mahakasika anao izany.

Iza i Jesosy Kristy?

Jereo ato hoe nahoana i Jesosy no lazaina fa Mesia, avy aiza izy, ary nahoana izy no antsoina hoe Zanaka lahitokan’i Jehovah.

Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra

Inona no atao hoe vidim-panavotana? Inona no soa azonao avy amin’izy io?