Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Nahavita Be Taminao Andriamanitra

Nahavita Be Taminao Andriamanitra

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16, Fandikan-teny Protestanta.

Io no anisan’ny andinin-teny be mpahalala sy be mpampiasa indrindra. Voalaza fa io ihany no andininy “mamintina tsara ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olombelona sy ny fomba namonjeny azy ireo.” Matetika àry io andinin-teny io, na ilay hoe “Jaona 3:16”, no ataon’ny olona talaky maso rehefa fotoan-dehibe, na apetany amin’ny fiara na rindrina na amin’ny toerana hafa.

Nahoana ny olona no mampiasa azy io? Azo inoana fa resy lahatra izy hoe tsy ho voavonjy raha tsy noho ny fitiavan’Andriamanitra. Ary ianao? Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny fitiavan’Andriamanitra ianao? Ahoana no nampisehoany fa tiany ianao?

“IZAO NO NITIAVAN’ANDRIAMANITRA IZAO TONTOLO IZAO”

Maro no miaiky fa Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao, ny biby, ny zavamaniry, ary ny olombelona. Be pitsiny sy tsara voatra ny zavamananaina ka tsy maintsy ho manam-pahaizana be ilay nanao azy. Maro no misaotra an’Andriamanitra isan’andro noho izy manome fiainana. Ekeny fa tsy ho velona na ho afaka hankafy fiainana izy raha tsy nomen’Andriamanitra izay ilainy, toy ny rivotra, rano, sakafo, ary ny tsingerina voajanahary.

Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika amin’izany rehetra izany, satria izy tokoa no nanao antsika sy mamelona antsika. (Salamo 104:10-28; 145:15, 16; Asan’ny Apostoly 4:24) Hankasitraka ny fitiavany antsika isika rehefa misaintsaina ny zava-drehetra nataony mba hahavelona  antsika. Hoy ny apostoly Paoly: “[Andriamanitra] no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra. Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.”—Asan’ny Apostoly 17:25, 28.

Tsy izay ilaintsika ara-batana ihany anefa no karakarainy. Tsy nataony nitovy tamin’ny biby isika, fa nataony mahatsapa hoe mila azy ary ampiany mba hifandray aminy. (Matio 5:3) Afaka ny ho lasa “zanak’Andriamanitra” àry izay mankatò, ka ho anisan’ny fianakaviany.—Romanina 8:19-21.

Resahin’ny Jaona 3:16 fa tia antsika Andriamanitra, ka nirahiny tetỳ an-tany i Jesosy Zanany mba hampianatra antsika momba azy sy ho faty ho antsika. Maro anefa no tsy tena mahalala hoe nahoana i Jesosy no tsy maintsy maty ary nahoana izany no porofon’ny fitiavan’Andriamanitra. Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly momba izany sy ny soa ho azontsika avy amin’izany.

“NOMENY NY ZANANI-LAHY TOKANA”

Andairan’aretina sy mihantitra ary mety maty daholo ny olombelona. Tsy izany anefa no fikasan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny voalohany. Nataony ho afaka hiaina mandrakizay tao amin’ny paradisa teto an-tany ny mpivady voalohany, saingy izao no fepetra: Tsy maintsy nankatò azy izy ireo fa raha tsy izany dia ho faty. (Genesisy 2:17) Nikomy tamin’Andriamanitra anefa ilay lehilahy voalohany ka lasa mety maty izy sy ny taranany. Hoy i Paoly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

“Tia rariny” anefa Andriamanitra. (Salamo 37:28) Marina fa tsy maintsy nanao zavatra izy tamin’i Adama ninia nandika ny lalàny. Na izany aza, dia tsy nomelohiny hijaly sy ho faty mandrakizay noho ny nataon’ny olona iray ny olombelona rehetra. Nanao ny rariny kosa izy, ka nampihatra an’ilay toro lalana hoe “aina ho solon’ny aina” mba ho afaka hiaina mandrakizay ny olona mankatò. (Eksodosy 21:23) Mba hanavotana an’ilay aina lavorary nafoin’i Adama àry dia tsy maintsy misy olona iray lavorary toa azy manao sorona ny ainy.

Nanaiky ho ety an-tany sy hanao sorona ny ainy i Jesosy, mba hamonjena ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana

Tsy lavorary daholo ny taranak’i Adama ka tsy misy afaka manao an’izany. (Salamo 49:6-9) I Jesosy kosa lavorary toa an’i Adama, satria tsy nandova ota izy rehefa teraka. Nanavotra ny olona mba tsy ho andevon’ny ota àry izy rehefa nanolotra ny ainy. Ho afaka hanana fiainana tonga lafatra toy ny an’i Adama sy Eva ny taranany noho izany. (Romanina 3:23, 24; 6:23) Inona no tokony  hataontsika raha tiantsika ny handray soa avy amin’izany porofom-pitiavana lehibe izany?

“IZAY REHETRA MINO AZY”

Milaza ny Jaona 3:16 fa “tsy ho very izay rehetra mino [an’i Jesosy], fa hanana fiainana mandrakizay.” Midika izany fa mila mino sy mankatò an’i Jesosy isika, raha te ‘hiaina mandrakizay.’

Nahoana no ilaina koa ny mankatò? Tsy efa nilaza ve i Jesosy hoe hanana fiainana mandrakizay “izay rehetra mino Azy”? Marina fa zava-dehibe ny finoana. Tsy ampy anefa ny mino fotsiny hoe misy i Jesosy, raha ny Baiboly no jerena. Milaza ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy) fa ilay teny tany am-boalohany nampiasain’i Jaona, dia midika hoe “miantehitra, fa tsy mino fotsiny.” Tsy ampy àry ny manaiky hoe i Jesosy no Mpamonjy raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra isika. Ilaina koa ny miezaka mafy mampihatra an’izay nampianarin’i Jesosy. Tsy misy dikany ny finoana raha tsy arahin’asa. Milaza ny Baiboly fa ‘maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ (Jakoba 2:26) Mila maneho finoana an’i Jesosy àry isika, izany hoe tsy maintsy asehontsika eo amin’ny fiainana ny finoantsika.

Hoy i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray [Jesosy] no maty ho an’ny rehetra ... Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.” (2 Korintianina 5:14, 15) Hiova isika raha tena mankasitraka ny sorona nataon’i Jesosy, ka tsy ho velona ho an’ny tenantsika intsony fa ho an’ilay efa maty ho antsika. Ny fampiharana an’izay nampianariny àry no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Misy vokany eo amin’ny fitsipika arahintsika sy ny safidintsika ary izay rehetra ataontsika izany. Inona no soa ho azon’ireo mino sy maneho finoana an’i Jesosy?

‘TSY HO VERY, FA HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY’

Inona ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ireo mankatò ny fitsipiny sy maneho finoana ny vidim-panavotana? Milaza ny tapany farany amin’ny Jaona 3:16 hoe “tsy ho very” izy ireo fa “hanana fiainana mandrakizay.” Tsy mitovy daholo anefa ny valisoa ho azon’ireo tsy mivadika.

Nisy antokon’olona iray nampanantenain’i Jesosy fiainana mandrakizay any an-danitra. Nilazany ny mpianany tsy nivadika fa hanomana toerana ho azy ireo izy, mba hahafahan’izy ireo hiara-manjaka aminy. (Jaona 14:2, 3; Filipianina 3:20, 21) “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy” ireo hatsangana ho any an-danitra, “ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.”—Apokalypsy 20:6.

Tsy ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra no hahazo an’io tombontsoa io. Hoy i Jesosy: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32) Firy ny isan’ireo “ondry vitsy” ireo? Hoy ny Apokalypsy 14:1, 4: “Hitako ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy efa nitsangana tamin’ny maty] nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona [any an-danitra], ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo. ... Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.” “Ondry vitsy” ireo 144 000 ireo, raha oharina amin’ny olona an’arivony tapitrisa efa niaina hatramin’izay. Hanjaka amin’iza izy ireo?

Niresaka antokon’olona tsy mivadika hafa, izay handray soa avy amin’ilay Fanjakana any an-danitra, koa i Jesosy. Hoy izy ao amin’ny Jaona 10:16: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” Manantena hiaina mandrakizay eto an-tany ireo “ondry” ireo, toa an’i  Adama sy Eva tamin’ny mbola tsy nanota. Ahoana no ahalalantsika fa ho eto an-tany izy ireo?

Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny fiainana amin’ny hoavy ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Sokafy mihitsy ny Baibolinao dia vakio ireto andininy ireto: Salamo 37:9-11; 46:8, 9; 72:7, 8, 16; Isaia 35:5, 6; 65:21-23; Matio 5:5; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:4. Resahina ao fa tsy hisy intsony ny ady, mosary, aretina, ary ny fahafatesana. Samy ho afaka hanao ny tranony ny olona amin’izay, hamboly eo amin’ny taniny, ary hitaiza ny zanany amin’ny toerana milamina. * Tsy mba maniry an’izany ve ianao? Afaka matoky isika fa ho tanteraka tsy ho ela ireo fampanantenana ireo.

NANAO ZAVATRA BE DIA BE ANDRIAMANITRA

Tsy hitanao ve hoe efa nanao zavatra be dia be Andriamanitra, rehefa mieritreritra ny zavatra nataony ho anao sy ho an’ny olona rehetra ianao? Izy, ohatra, no manome antsika ny fiainana, fahasalamana, fahaizana, ary izay ilaintsika mba hivelomana. Izy koa no nanome an’i Jesosy, izay maty ho antsika mba hahazoantsika fitahiana betsaka kokoa, araka ny efa hitantsika tao amin’ny Jaona 3:16.

Ho sambatra mandrakizay tokoa isika rehefa hilamina sy hahafinaritra foana ny fiainana, sady tsy hanahy intsony hoe harary, na ho mosarena, na ho faty, na hisy ady. Miankina aminao ihany no hahazoanao an’izany. Inona àry izao no efa ataonao ho an’Andriamanitra?

^ feh. 24 Manazava bebe kokoa an’ireo faminaniana ireo ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.