Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MARTSA 2014

Ny Tantaran’ny Baiboly Tany Espaina Fahiny

Ny Tantaran’ny Baiboly Tany Espaina Fahiny

“Rehefa ho any Espaina aho, dia manantena indrindra amin’ny diako ho any, ny hahita anareo sy ny haterinareo lavidavitra, rehefa mba avy miaraka kely aminareo.”—Romanina 15:24.

TAMIN’NY taona 56 tany ho any ny apostoly Paoly no nanoratra an’io teny io ho an’ny Kristianina tany Roma. Tsy nilaza ny Baiboly raha nandeha tany Espaina tokoa i Paoly na tsia. Tonga tany Espaina anefa ny vaovao tsara, talohan’ny taona 200, noho ny ezaka nataony na ny an’ny misionera kristianina hafa.

Tsy ela dia nitombo ny Kristianina tany Espaina. Efa nozanahin’ny Romanina nandritra ny fotoana ela be i Espaina, talohan’izay, ka ny teny latinina no nampiasaina eran’ny fanjakana romanina. Tena nila nadika tamin’ny teny latinina àry ny Baiboly mba ho azon’ny olona.

BAIBOLY TAMIN’NY TENY LATININA

Namoaka ny Vetus Latina Hispana, izay fitambarana fandikan-teny latinina tranainy, ny Kristianina espaniola voalohany. Niely be tany Espaina nandritra ny taona maro ireo Baiboly ireo, talohan’ny nivoahan’ny Vulgate latinina, fandikan-teny nataon’i Jérôme tamin’ny taona 405.

Tany Betlehema, any Palestina, i Jérôme no namita ny fandikan-teniny, ary vetivety ilay izy dia tonga tany Espaina. Naniry hahazo tamin’izy io faran’izay haingana mantsy i Lucinius, mpianatra Baiboly nanan-katao, raha vao reny hoe nanomana fandikan-teny tamin’ny teny latinina i Jérôme. Naniraka mpanao dika soratra enina tany Betlehema izy mba hanao kopia azy io, ary hitondra izany tany Espaina. Nandritra ny taonjato maro, dia ny Vulgate no nisolo tsikelikely ny Vetus Latina Hispana. Afaka namaky Baiboly sy nahalala ny hafatra ao anatiny ny olona tany Espaina noho ireo fandikan-teny latinina ireo. Fiteny hafa indray anefa no nanjaka rehefa rava ny fanjakana romanina.

BAIBOLY TAMIN’NY TAKELA-BATO

Nibodo an’i Espaina ny Visigoths sy ny foko alemà hafa talohan’ny taona 500, ka ny teny gôtika indray no nampiasaina. Fivavahana kristianina atao hoe Arianisma, izay tsy mino ny Andriamanitra telo izay iray, no narahin’ireo foko ireo. Nentin’izy ireo koa ny Baiboliny, dia ny Baibolin’i Ulfilas Amin’ny Teny Gôtika, ary io indray no nampiasaina. Tsy nisy boky tamin’ny teny gôtika intsony anefa tany Espaina, taloha kelin’ny taona 600. Lasa Katolika mantsy i Reccared, mpanjakan’ny Visigoths, ary niala tamin’ny Arianisma. Nasainy nangonina sy nopotehina daholo ny boky momba ny Arianisma, anisan’izany ny Baibolin’i Ulfilas.

Takela-bato misy andinin-teny amin’ny teny latinina (taona 501-600)

Mbola niely tany Espaina foana anefa ny Tenin’Andriamanitra, tamin’izany. Ankoatra ny gôtika, dia be mpampiasa koa ny tenim-paritra latinina, izay nipoiran’ny fiteny maromaro nampiasaina tao amin’ny Saikinosy Iberika. * Antsoina hoe takela-baton’ny Visigoths ireo asa soratra tranainy indrindra amin’io tenim-paritra latinina io, satria nosoratana tamin’ny takela-bato. Teo anelanelan’ny taona 500 sy 700 no nanoratana azy ireo, ary ahitana andinin-teny avy ao amin’ny Salamo sy Filazantsara  ny sasany aminy. Ny takelaka iray aza ahitana ny Salamo faha-16 iray manontolo.

Namaky Baiboly sy nanao kopia azy io ny olon-tsotra tamin’izany, matoa nisy ireny andinin-teny tamin’ny takela-bato ireny. Toa nampiasa azy ireny mihitsy aza ny mpampianatra mba hanampiana ny mpianatra hamaky teny sy hanoratra. Mora ny takela-bato fa tsy lafo be hoatran’ny hodi-biby fanaovan’ny monasitera fahiny Baiboly misy sary.

Santionan’ny sary ao amin’ny Baibolin’i Leon. Tena sarobidy ny Baiboly toa an’io, saingy tsy tena nanampy ny olona hahalala ny hafatra tao anatiny

Ahitana Baiboly misy sary tena lafo vidy ao amin’ny Eglizin’i Masindahy Isidore, any León, any Espaina. Vita tamin’ny taona 960 izy io ary misy takelaka 516. Mirefy 47 santimetatra ny lavany, 34 santimetatra ny sakany, ary 18 kilao eo ho eo ny lanjany. Misy iray hafa koa izao any amin’ny Tranombokin’i Vatikana. Antsoina hoe Baibolin’i Ripoll izy io ary vita tamin’ny taona 1020 tany ho any. Io no anisan’ny Baiboly be sarisary indrindra tamin’ny Moyen Âge. Niangaliana fatratra ilay izy ka indray andro maninjitra no lanin’ny moanina namoronana litera iray, ary herinandro be izao no namitany lohateny iray. Tena sarobidy ny Baiboly toy ireny, saingy tsy tena nanampy ny olona hahalala ny hafatra tao anatiny.

BAIBOLY TAMIN’NY TENY ARABO

Nanafika an’i Espaina ny Silamo taorian’ny taona 700. Ny teny arabo indray no nahazo laka tany amin’izay toerana nozanahin’ny Silamo, fa tsy ny latinina intsony. Nila nadika tamin’io fiteny io indray àry ny Baiboly.

Afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra ny Espaniola, teo anelanelan’ny taona 400 sy 800, noho ireo Baiboly tamin’ny teny latinina sy arabo

Azo inoana fa maro ny fandikan-teny arabo niely eran’i Espaina fahiny. Filazantsara no betsaka tamin’izy ireny. Toa nadikan’i Juan, evekan’i Séville, tamin’ny teny arabo mihitsy aza ny Baiboly manontolo talohan’ny taona 800. Tsy hita intsony anefa ny ankamaroan’ireny fandikan-teny arabo ireny. Misy Filazantsara iray amin’ny teny arabo, vita tamin’ny taona 950 tany ho any, ao amin’ny katedralin’i León.

Filazantsara amin’ny teny arabo (taona 901-1000).

 BAIBOLY TAMIN’NY TENY ESPANIOLA

Nanomboka nahazo vahana tao amin’ny Saikinosy Iberika ny teny castillan, na espaniola, taloha kelin’ny taona 1500. Tena nilaina hitoriana ny vaovao tsara io fiteny io. * Tao amin’ny La Fazienda de Ultra Mar (Fitsidihana Tany Ampitan-dranomasina), izay vita taoriana kelin’ny taona 1200, no nahitana ny andinin-teny voalohany tamin’ny teny espaniola. Misy fitantarana momba ny dia nataon’ny lehilahy iray tany Israely ao amin’io boky io, sady ahitana ampahany amin’ny boky sasany ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Filazantsara ary ireo taratasy ao amin’ny Soratra Grika.

Nanampy tamin’ny fandikana Baiboly tamin’ny teny espaniola ny Mpanjaka Alphonse Faha-10

Tsy nahafaly ny lohandohany tao amin’ny Eglizy io fandikan-teny io. Namoaka didy ny Konsilin’i Tarragone, tamin’ny taona 1234, fa tsy maintsy nomena hodoran’ny mpitondra fivavahana teo an-toerana daholo izay boky nisy ampahana Baiboly, tamin’ireo fiteny nampiasaina tany Espaina. Tsy nahasakana ny fandikana Baiboly anefa izany. Te handika ny Baiboly tamin’ny teny espaniola, ohatra, ny Mpanjaka Alphonse Faha-10 (1252-1284), ilay noheverina fa nanao lahatsoratra tamin’ny teny espaniola voalohany. Tena nanampy hahavitana an’ilay fandikan-teny àry izy. Anisan’ny fandikan-teny tamin’ny teny espaniola tamin’izany ny Baiboly talohan’ny andron’i Alphonse sy ny Baibolin’i Alphonse, izay vita tatỳ aoriana kely.

Santionany tamin’ny Baiboly talohan’ny andron’i Alphonse (havia) sy ny Baibolin’i Alphonse (havanana) (taona 1201-1300)

Anisan’ny nanatsara sy nampitombo ny voambolana tamin’ny teny espaniola ireo Baiboly roa ireo. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Thomas Montgomery, momba an’ilay Baiboly talohan’ny andron’i Alphonse: ‘Tena tsara ny asan’ireo nandika an’ilay Baiboly, satria marina sy kanto ny teny nampiasainy. Tsotra sy mazava ilay fiteny. Mety tsara izany, satria natao ho an’ny olona tsy nahay teny latinina izy io.’

Avy tamin’ny Vulgate latinina no nandikana an’ireo Baiboly espaniola voalohandohany ireo, fa tsy avy tamin’ny fiteny nandikana ny Baiboly tany am-boalohany. Maro anefa ny fandikan-teny espaniola nadika avy tamin’ny teny hebreo, taorian’ny taona 1300. Manam-pahaizana jiosy no nanao izany, ary ny Soratra Hebreo no tena nadikany. I Espaina no firenena eoropeanina be Jiosy indrindra tamin’izany, ary afaka nampiasa Baiboly sora-tanana marina tsara tamin’ny teny hebreo ry zareo rehefa nandika teny. *

Anisan’ny fandikan-teny niavaka tamin’izany ny Baibolin’i Albe, izay vita tamin’ny taona 1430. Nampanao azy io i Luis de Guzmán, espaniola nalaza iray. Feno diso mantsy ireo Baiboly tamin’ny fiteny nampiasaina tao amin’ny Saikinosy Iberika, ary nila fanamarihana teny an-tsisim-pejy ny olona mba hahazoany an’ireo andinin-teny sarotra. I Moisés Arragel no nasainy nandika an’ilay izy sy nanao an’izany tamin’ny teny espaniola marina tsara. Hita amin’izany fa tena tia namaky sy nianatra Baiboly ny olona tamin’ny androny. Hita koa hoe efa niely be tany Espaina ny Baiboly tamin’ny fiteny tany an-toerana.

“Mbola nahay Baiboly kokoa noho ny olona tany Alemaina na Angletera ny olona tany Espaina, talohan’ny andron’i Luther.”—uan Orts González, mpahay tantara

Afaka namaky Baiboly tamin’ny fiteniny tsy nisy fanakantsakanana ny olona nahita fianarana tany  Espaina, noho ny ezaka nataon’ireo mpandika teny sy mpanao dika soratra tany. Noho izany, dia hoy i Juan Orts González, mpahay tantara: “Mbola nahay Baiboly kokoa noho ny olona tany Alemaina na Angletera ny olona tany Espaina, talohan’ny andron’i Luther.”

Taloha kelin’ny taona 1500 anefa, dia tsy nisy navelan’ny Fitsarana Katolika Espaniola nandika na nanana Baiboly intsony, na tamin’ny fiteny inona na tamin’ny fiteny inona. Voarara nandritra ny 300 taona ny Baiboly tany Espaina. Nisy mpandika teny be herim-po vitsivitsy ihany namoaka fandikan-teny espaniola vaovao tany an-tany hafa, ary nampiditra an’izany an-tsokosoko tany Espaina. *

Hitantsika tamin’io tantaran’ny Baiboly tany Espaina fahiny io, fa nitady fomba maro hanafoanana ny Tenin’Andriamanitra ny mpanohitra. Tsy nahavita nampangina an’ilay Mahery Indrindra anefa izy ireo.—Salamo 83:1; 94:20.

Niely tany Espaina fahiny ny Baiboly noho ny fikirizan’ny manam-pahaizana maro, izay nandika ny Soratra Masina tamin’ny teny latinina, gôtika, arabo, ary espaniola. Nandimby azy ireny fotsiny ireo mpandika Baiboly ankehitriny. Olona miteny espaniola an-tapitrisany izao no afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fitenin-drazany.

^ feh. 10 Anisan’izany ny castillan, catalan, galicien, ary ny portogey.

^ feh. 17 Ny teny espaniola izao no fiteny ofisialin’ny olona 540 tapitrisa eo ho eo.

^ feh. 20 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Anaran’Andriamanitra sy ny Ezaka Nataon’i Alfonso de Zamora”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2011.

^ feh. 23 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Ady Nataon’i Casiodoro de Reina ho An’ny Baiboly Espaniola”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1996.