Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MARTSA 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA: NAHAVITA BE TAMINAO ANDRIAMANITRA

Aza Hadinoina Ilay Fotoan-dehibe!

Aza Hadinoina Ilay Fotoan-dehibe!

Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, mba hahatsiaro na hankalaza ny sorona hataony. Nampiasa mofo tsy nisy lalivay sy divay mena izy tamin’izay, ka nanomboka nanao an’ilay antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo na Fanasan’ny Tompo. Hoy izy avy eo: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19.

Miara-mivory ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany isan-taona, mba hankalaza ny andro nahafatesan’i Jesosy, isaky ny mitsingerina izy io. Mifanitsy amin’ny alatsinainy 14 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io, amin’ity 2014 ity.

Asaina ianao hanatrika an’ilay fivoriana, satria hohazavaina bebe kokoa amin’io hoe inona no tena dikan’ny sorona nataon’i Jesosy. Tsy misy vidim-pidirana any sady tsy misy fanantazan-drakitra. Mety holazain’ilay olona nanome anao an’ity gazety ity ny ora sy ny toerana hankalazana ny Fahatsiarovana eny akaikinareo. Azonao atao koa anefa ny mijery an’izany ao amin’ny tranonkalanay ao amin’ny jw.org/mg. Mino izahay fa ho avy ianao amin’io fotoan-dehibe io.

Fanampim-panazavana

Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Jesosy

Olona an-tapitrisany isan-taona no mankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahafatesan’i Jesosy. Asaina ianao hijery hoe nahoana no mahakasika anao izany.