Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2013

‘Ao An-tendrombohitra no Hitrandrahanao Varahina’

‘Ao An-tendrombohitra no Hitrandrahanao Varahina’

Nisy ekipana mpikaroka ny any ambanin’ny tany nikaroka tao amin’ireo hadilanana sy lava-bato tany an-tany efitr’i Jodia. Nahita lava-bato iray tao amin’ny harambato mitsatoka be izy ireo. Inona no ho hitany ao? Rakitry ny ela ve sa sora-tanana fahiny toy ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty? Gaga izy ireo fa nahita zava-tsarobidy, izay nantsoina hoe zava-tsarobidin’i Nahal Mishmar, tatỳ aoriana.

HITA tamin’ny Martsa 1961 izy io ary nifono tsihy vita tamin’ny bararata. Nisy triatra tao anatin’ilay lava-bato ary nisisika tao ilay izy. Zavatra 400 mahery no tao ary vita tamin’ny varahina ny ankamaroany. Nisy satroboninahitra isan-karazany, tehim-panjakana, fitaovana, ary fitaovam-piadiana tao. Mahaliana ny mpamaky Baiboly izany, satria milaza ny Genesisy 4:22 fa “mpanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin’ny varahina sy vy” i Tobala-kaina.

Maro ny zavatra mbola tsy fantatra momba ny fiavian’io zava-tsarobidy io. Hita anefa hoe efa ela be ny olona tany Palestina no nitrandraka sy nandrendrika varahina.

TOERANA NISY VARAHINA TAO AMIN’NY TANY NAMPANANTENAINA

Rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia hoy i Mosesy: “Ao amin’ny [tendrombohitr’ilay tany] no hitrandrahanao varahina.” (Deoteronomia 8:7-9) Nahita toeram-pitrandrahana sy fandrendrehana maro be tany Israely sy Jordana ny mpikaroka. Anisan’ireny i Feinan sy Timna ary Khirbat en-Nahas. Inona no asehon’izy ireny?

Feno lavaka marivo any Feinan sy Timna. Nitrandrahana varahina izy ireny nandritra ny 2 000 taona mahery, fara fahakeliny. Mbola mety hahita silaka vato misy varahina mipentimpentina maitso izao ny mpitsidika. Noloahan’ireo mpitrandraka fahiny tamin’ny fandraka vita tamin’ny vato ny vatolampy mba hisokirana ny varahina. Rehefa lany ny teo dia nandavaka lalina kokoa izy ireo, ary fitaovana vita tamin’ny vy no nampiasainy. Nitariny koa ireo lava-bato sady nanao tionelina izy. Miresaka zavatra mitovitovy amin’izany ny bokin’i Joba. (Joba 28:2-11) Asa mafy ilay izy, ka ny mpanao heloka bevava sy ny voafonja hafa no nasain’ny manam-pahefana romanina nitrandraka varahina tany Feinan, tamin’ny taonjato fahatelo ka hatramin’ny fahadimy.

Nisy antontana tain-drendrika hita tany Khirbat en-Nahas (midika hoe “Sisam-barahina”). Midika izany fa nisy orinasa lehibe fandrendrehana varahina tany. Mino ny manam-pahaizana fa avy any amin’ny toeram-pitrandrahana teo akaiky teo,  toa an’i Feinan sy Timna, ireo vato nakana varahina. Ahoana no nanasarahana ny varahina tamin’ny vato? Tafoforana sy fitaovana fitsofan-drivotra hafa no nampiasaina mba hampiakarana ny hafanan’ny afon-tsaribao ho 1 200 degre, mandritra ny adiny valo ka hatramin’ny adiny folo. Vato dimy kilao matetika no nahazoana varahina iray kilao, izay nahavitana zavatra samihafa.

NAMPIASA VARAHINA NY ISRAELITA FAHINY

Nasain’i Jehovah nampiasaina tamin’ny fanorenana ny tranolay masina sy ny tempoly tao Jerosalema ny varahina. Samy nitrandrahana azy io mantsy na tany amin’ny Tendrombohitra Sinay na tany Jerosalema. (Eksodosy toko 27) Mety ho tany Ejipta na talohan’ny nandehanany tany no nahaizan’ny Israelita nanefy. Nahavita zanak’omby volamena mantsy izy ireo taoriana kelin’ny nialany tany Ejipta. Nahavita fitaovana maro vita tamin’ny varahina koa izy ireo, izay nampiasaina tamin’ny fanompoana tao amin’ny tranolay masina. Anisan’izany ny kovetabe, vilany, lapoaly, lapelina, ary fitrebika.—Eksodosy 32:4.

Nimenomenona momba ny mana sy rano ny Israelita, tany an-tany efitra. Tany amin’ny manodidina an’i Ponona (mety ho i Feinan), izay toerana be varahina, angamba izy ireo tamin’izay. Nosazin’i Jehovah izy ireo ka nandefasany bibilava misy poizina, ary be no maty. Rehefa nibebaka izy ireo dia nifona ho azy ireo i Mosesy. Nasain’i Jehovah nanamboatra bibilava varahina sy nanantona izany tamin’ny tsato-kazo àry izy. Hoy ny Baiboly: “Raha nisy olona voakaikitra ka nijery an’ilay bibilava varahina, dia tsy maty.”—Nomery 21:4-10; 33:43.

NAMPIASA VARAHINA I SOLOMONA MPANJAKA

Vita tamin’ny varahina ny ankamaroan’ireo zavatra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema

Nampiasa varahina be dia be i Solomona rehefa nanamboatra an’ireo fitaovana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Azon’i Davida rainy tamin’izy nandresy ny Syrianina ny ankamaroan’ireo. (1 Tantara 18:6-8) Nampiasa fitoeran-drano lehibe nantsoina hoe “ranomasina varahina” ny mpisorona mba hisasana. Nahazaka rano 66 000 litatra izy io ary mety ho nahatratra 30 taonina ny lanjany. (1 Mpanjaka 7:23-26, 44-46) Nisy andry varahina lehibe roa koa teo amin’ny fidirana amin’ny tempoly. Poakaty izy ireo, ka 7,5 santimetatra ny hateviny, 1,7 metatra ny savaivony, 8 metatra ny haavony, ary 2,2 metatra ny haavon’ireo loha andry teo amin’ny tampony. (1 Mpanjaka 7:15, 16; 2 Tantara 4:17) Eritrereto ny habetsahan’ny varahina nanaovana an’ireo fotsiny.

Nampiasaina be teo amin’ny fiainana andavanandro koa ny varahina, fahiny. Resahin’ny Baiboly, ohatra, ny fitaovam-piadiana, gadra, zava-maneno, ary varavarana varahina. (1 Samoela 17:5, 6; 2 Mpanjaka 25:7; 1 Tantara 15:19; Salamo 107:16) Niresaka momba ny vola “varahina” ao anaty fitoeram-bola i Jesosy, ary niresaka an’i “Aleksandra mpanefy varahina” ny apostoly Paoly.—Matio 10:9; 2 Timoty 4:14.

Maro ny zavatra mbola tsy fantatry ny mpikaroka sy ny mpahay tantara momba ny fiavian’ireo varahina fahiny sy ny zava-tsarobidin’i Nahal Mishmar. Porofoin’ny zava-misy sy ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly anefa fa “tany soa” tokoa ilay tany nolovan’ny Israelita, ary ‘tao amin’ny tendrombohiny no nitrandrahan’izy ireo varahina.’—Deoteronomia 8:7-9.