Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2013

 TANTARAM-PIAINANA

Ny Fanompoana An’i Jehovah no Nataoko Anton’asa

Ny Fanompoana An’i Jehovah no Nataoko Anton’asa

Nipetraka tany afovoany andrefan’i Etazonia aho taloha. Niditra tao amin’ny Oniversiten’ny Fanjakan’i Iowa aho, rehefa nahazo diplaoma teny amin’ny lise ny Janoary 1937. Niasa koa aho mba handoavana ny saram-pianarana, ka tsy nanam-potoana hanaovana zavatra hafa. Faniriako hatramin’ny mbola kely ny hianatra hanamboatra tranobe sy tetezana mihantona.

Nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe II i Etazonia tany am-piandohan’ny taona 1942. Tao amin’ny taona fahadimy aho tamin’izany, ary volana vitsivitsy sisa dia hahazo ny diplaoman’ny injeniera. Telo lahy izahay no niray efitra. Nilaza ny iray fa tokony hiresaka amin’ilay olona “mitsidika an’ireo mpianatra ao ambany rihana” aho. Izany no nihaonako tamin’i John Brehmer, Vavolombelon’i Jehovah. Gaga aho fa voavaliny tao amin’ny Baiboly ny fanontaniako rehetra. Nanomboka nianatra Baiboly tsy tapaka àry aho, ary tsy ela dia niara-nitory taminy, isaky ny afaka.

Direkteran’ny banky tao Walnut, Iowa, i Otto, rain’i John, tamin’izy lasa Vavolombelona. Nialany ny asany mba hitoriana manontolo andro. Ny modelin’izy sy ny fianakaviany no nanampy ahy handray fanapahan-kevitra lehibe tatỳ aoriana.

NILA NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA

Nilaza tamiko ny tompon’andraikitry ny oniversite, indray andro, fa niharatsy ny naotiko ary tsy ampy hahazoako diplaoma ny naotiko tsara taloha. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hahalalako izay tokony hatao. Nampanantsoin’ny mpampianatra ahy aho, tsy ela taorian’izay. Naharay telegrama fangatahana injeniera, hono, izy, ary tsy nisalasala namaly hoe vonona hanao an’ilay asa aho. Nisaotra azy aloha aho, nefa nanazava taminy fa tapa-kevitra ny hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho anton’asako. Natao batisa aho ny 17 Jona 1942, ary voatendry ho mpisava lalana, na mpitory manontolo andro.

Nahazo taratasy fiantsoana miaramila aho, tamin’ny faramparan’ny 1942. Tsy maintsy nihaona tamin’ny tompon’andraikitra aho mba hanazava fa tsy eken’ny feon’ny fieritreretako ny handray anjara amin’ny ady. Naniry hangataka tsy hanao miaramila aho, ka niangaviako ny mpampianatra ahy mba hanoratra taratasy milaza fa olona tsara toetra aho ary injeniera nahay. Na izany aza, dia nasaina nandoa lamandy 10 000 dolara aho, ary voasazy higadra dimy taona tao Leavenworth, Etazonia.

FIAINANA TANY AM-PONJA

Fonjan’i Leavenworth ankehitriny. Nisy 230 teo ho eo izahay no nogadraina tao

Tanora Vavolombelona 230 mahery no efa nogadraina tao Leavenworth. Nanana toeram-pambolena sy fiompiana io fonja io, ka nasaina niasa tany ny gadra sady nambenan’ny mpiambina maromaro. Fantatry ny mpiambina sasany hoe  tsy momba ny atsy na ny aroa izahay, ary tsy nanakiana an’izany izy ireo.

Nanampy anay ny mpiambina sasany, ka afaka nivory tsy tapaka izahay sady afaka nahazo boky sy gazety. Ny lehiben’ny fonja aza nangataka famandrihana tamin’ny gazety Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny).

NAFAHANA ARY LASA MISIONERA

Nafahana aho ny 16 Febroary 1946, volana vitsivitsy taorian’ny Ady Lehibe II. Efa avy nigadra telo taona aho tamin’izay. Nanompo manontolo andro indray aho, ary voatendry hiverina tao amin’ny tanànan’i Leavenworth. Natahotra aho satria tena tsy tian’ny olona tao ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mora ny nahita asa hivelomana, indrindra moa fa trano hipetrahana.

Saika hitory tamin’ny lehilahy iray mpiambina ny fonja aho, fa nilelalela izy hoe: “Lasa ialahy mandeha any!” Niala hoatran’ny tsy teo aho raha vao nahita ny kibay teny an-tanany. Nisy vehivavy nitoriako indray nilaza hoe “andraso vetivety” sady nakatony ny trano. Niandry tokoa aho, kanjo nisokatra ny varavarankely teo ambony rihana ary notondrahany tamin’ny rano avy nanasana vilia aho. Nisy ihany anefa ny fitahiana. Reko, tatỳ aoriana, fa lasa Vavolombelona ny olona sasany nomeko boky na gazety.

Niforona tany New York ny sekoly iray fiofanana ho misionera, tamin’ny 1943. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-10 aho, ary nahazo diplaoma ny 8 Febroary 1948. Nantsoina hoe Sekoly Ara-baibolin’i Gileada izy io, tatỳ aoriana. Voatendry tany Côte-de-l’Or, Ghana ankehitriny, aho.

Nasaina nitory tamin’ny manam-pahefana sy ny Eoropeanina aho, rehefa tonga tany Côte-de-l’Or. Niara-niasa tamin’ny fiangonana iray aho ny faran’ny herinandro, ary nanampy an’ireo rahalahy hitory isan-trano. Ankoatra izany, dia nitsidika an’ireo mpitory tany amin’ny toerana mitokana aho, ary nampiofana azy ireo tamin’ny fanompoana. Nanao ny asan’ny mpitety faritany tany Côte d’Ivoire koa aho.

Nanahaka ny fomba fiainan’ny mponina aho, rehefa nanompo tany Afrika. Anisan’izany ny hoe matory ao anaty trano bongo, mihinana amin’ny tanana, ary mipetraka mininginingina “eny ivelany”, toa an’ireo Israelita tany an-tany efitra. (Deoteronomia 23:12-14) Lasa tsara laza izaho sy ny misionera namako, rehefa nanao izany. Nianatra Baiboly koa ny vadin’ireo manam-pahefana teo an-toerana. Rehefa nisy mpanohitra nitady hanakorontana anay sy hanafoana ny vizà  anay, dia ireo vehivavy ireo no nanery ny vadiny mba hiaro anay!

Voan’ny tazo aho, tatỳ aoriana, toa an’ireo misionera nanompo tany Afrika. Mbetika aho nangatsiaka be, mbetika nahamay be, ka lasa nirediredy. Nisy fotoana aza aho tsy maintsy nitazona ny saokako mba tsy hihetsiketsika be. Nahafaly sy nahafa-po ahy foana anefa ny fanompoako.

Nifanoratra tamin’i Eva Hallquist aho, nandritra ireo efa-taona voalohany nanompoako tany Afrika. Efa nifankahalala izahay talohan’ny nialako teto Etazonia. Lasa fantatro hoe hahazo diplaoma amin’ny kilasy faha-21 amin’ny Sekolin’i Gileada izy, ny 19 Jolay 1953, amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena hatao ao amin’ny Yankee Stadium, New York. Nifanaraka tamin’ny kapitenin-tsambo iray aho mba hiasa tao amin’ny sambony, ho solon’ny saran-dalana nankatỳ Etazonia.

Tsy mora ny dia, nefa tonga ihany aho rehefa afaka 22 andro. Nitady an’i Eva tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Brooklyn aho. Teo an-tampon’ny trano iray, izay nahatazanana ny faravodilanitra sy ny seranan-tsambon’i New York, aho no nilaza taminy ny faniriako hanambady azy. Namonjy ahy tany Côte-de-l’Or koa i Eva, tatỳ aoriana.

ANDRAIKITRA ARA-PIANAKAVIANA

Naharay taratasy avy tamin’i Neny aho, indray andro, taona maro taorian’ny nanompoanay sy Eva tany Afrika. Marary mafy, hono, i Dada fa voan’ny kansera. Niverina teto Etazonia izahay, rehefa nahazo alalana handao ny faritaninay. Nihombo be ny aretiny ary tsy ela izy dia maty.

Niverina tany Ghana izahay ary nanompo efa-taona teo ho eo, no nandre fa niharatsy ny fahasalaman’i Neny. Nisy namanay nilaza fa tokony hody izahay mba hikarakara azy. Nody teto Etazonia àry izahay. Iny no fanapahan-kevitra mafy indrindra nataonay. Efa 15 taona mantsy no nanaovako ny asa misionera, ary niarahako tamin’i Eva ny 11.

Nihaona tamin’ny manam-pahefana iray tany Côte-de-l’Or, Ghana ankehitriny

Nifandimby nikarakara an’i Neny izahay nandritra ny taona maro, ka nanampy azy nandeha nivory rehefa afaka izy. Maty izy ny 17 Janoary 1976, tamin’izy 86 taona. Mbola nisy fitsapana nangidy kokoa anefa, sivy taona taorian’izay. Fantatra fa voan’ny kansera i Eva. Natao daholo izay rehetra azo natao, nefa dia nindaosin’ny fahafatesana izy ny 4 Jona 1985, tamin’izy 70 taona.

FIOVANA FANAMPINY

Nitarina ny biraon’ny sampan’i Ghana, ary nasaina hanatrika ny fitokanana an’izany aho, tamin’ny 1988. Tsy hohadinoiko mihitsy iny fotoana iny! An-jatony vitsivitsy ny mpitory tany, tamin’izaho avy nanatrika ny sekolin’i Gileada, 40 taona talohan’io. Nisy 34 000 mahery anefa izy ireo tamin’ny 1988, ary efa ho 114 000 ankehitriny!

Nanambady an’i Betty Miller, naman’i Eva, aho ny 6 Aogositra 1990. Mbola ataonay anton’asa foana ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy andrinay ny hihaonanay amin’ny dadabe sy bebenay sy ireo ray aman-dreninay ary Eva, rehefa hatsangana ao amin’ny Paradisa izy ireo.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Nampiasain’i Jehovah tamin’ny fanompoana azy aho, nandritra ny 70 taona mahery. Manganohano ny ranomasoko rehefa misaintsaina an’izany tombontsoa lehibe izany aho. Matetika aho no misaotra azy nitari-dalana ahy mba hanao ny fanompoana azy ho anton’asako. Efa 90 taona mahery aho izao, nefa manome hery ahy foana i Jehovah, ilay injeniera lehibe indrindra, ka mbola afaka manompo azy aho.