Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2013

 TOROHEVITRA HAHASAMBATRA NY FIANAKAVIANA

Miezaha mba Tsy Hifamaly Rehefa Miresaka Amin’ny Zanakao

Miezaha mba Tsy Hifamaly Rehefa Miresaka Amin’ny Zanakao

“Lasa be famaliana ny zanako vavy tamin’izy 14 taona. Rehefa niteny aho hoe ‘Andao hisakafo’, dia namaly izy hoe ‘Hihinana aho rehefa mazoto.’ Rehefa nanontany azy aho raha vitany ny raharahany, dia namaly izy hoe ‘Izaho aza adalaina.’ Matetika izahay no nifampivazavaza.”—MAKI, JAPON. *

Anisan’ny olana lehibe atrehin’ny ray aman-dreny ny fifamaliana amin’ny zanany, ary tena mitaky faharetana izany. Hoy i Maria, manan-janaka 14 taona, any Brezila: “Tezitra be aho rehefa mamalivaly ahy ny zanako vavy. Samy sosotra izahay ka mifampilelalela.” Hoy koa i Carmela, any Italia: “Mifamaly be foana izaho sy ny zanako lahy ary mihidy ao amin’ny efitranony izy amin’ny farany.”

Nahoana ny ankizy sasany no be famaliana? Manahaka ny namany ve? Angamba. Milaza ny Baiboly fa mety hitarika ny olona hanao ny tsara na hanao ratsy ny namany. (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Betsaka koa izao ny fialam-boly mandrisika ny ankizy hamalivaly.

Misy antony hafa koa anefa. Ho mora kokoa aminao ny hiatrika azy ireo raha takatrao hoe inona no vokatr’izy ireo eo amin’ny zanakao. Andeha isika handinika sasany amin’izany.

MANOMBOKA ‘MAMPIASA NY SAINY’ IZY

Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Hita amin’izany fa tsy mitovy ny fomba fisainan’ny ankizy sy ny olon-dehibe. Ahoana izany?

 Tsotra ny fomba fisainan’ny ankizy, ka na ny zavatra iray mety na tsy mety. Ny olon-dehibe kosa afaka mahatakatra hevitra sarotra ary mandinika lalina kokoa rehefa hanatsoaka hevitra na hanapa-kevitra. Dinihiny, ohatra, hoe mety ve ny zavatra iray sa tsia, ary inona no mety ho vokatr’izay ataony eo amin’ny hafa. Efa zatra an’izany izy ireo fa ny tanora kosa vao manavao.

Ampirisihin’ny Baiboly ny tanora mba hiezaka ‘hahay hisaina.’ (Ohabolana 1:4) Ny Kristianina rehetra, raha ny marina, no asain’ny Baiboly ‘mampiasa ny sainy.’ (Romanina 12:1, 2; Hebreo 5:14) Ny fahaizan’ny zanakao mampiasa ny sainy anefa indraindray no mety hahatonga azy hifamaly aminao, na dia amin-javatra toa madinika aza. Na izy mihitsy no diso hevitra. (Ohabolana 14:12) Ahoana àry no hahaizanao mampisaintsaina azy fa tsy hifamaly aminy?

ANDRAMO IZAO: Tadidio fa vao mianatra mampiasa ny sainy ny zanakao ary mora miovaova hevitra. Mba hahalalana izay tena heviny dia derao izy aloha noho ny fahaizany mampiasa ny sainy. (“Azoko tsara ny tianao holazaina na dia tsy ekeko daholo aza.”) Ampio izy avy eo handinika ny heviny. (“Mihevitra ve ianao fa azo ampiharina foana izany?”) Ho gaga ianao fa handinika ny heviny indray ny zanakao ary hanitsy izay tsy mety.

Aza mihevitra anefa hoe ianao no tsy maintsy tompon’ny teny farany, rehefa mampisaintsaina ny zanakao. Hoatran’ny hoe tsy miraharaha ny teninao angamba izy, nefa tadidio fa mety ho betsaka noho ny noeritreretinao ny zavatra voarainy, na dia mety tsy hiaiky an’izany aza izy. Aza gaga àry raha ny teninao indray no harahiny rehefa afaka andro vitsivitsy, ary mety hilaza mihitsy aza izy hoe heviny izany.

“Zavatra kely dia efa nampifamaly ahy sy ny zanako lahy. Ohatra hoe noho izy nandanilany vola na nananihany ny zandriny vavy. Toa tiany anefa, tamin’ny ankapobeny, raha mba nanontany azy aho na niezaka nahatakatra ny heviny ary avy eo niteny hoe ‘Hay ve izay ilay izy e!’ na hoe ‘Hay ve izany no tao an-tsainao e!’ Hitako hoe tsy ho nifamaly firy izahay raha nanao izany aho.”—Kenji, Japon.

VAO MIEZAKA HANANA NY MAHA IZY AZY IZY

Ataon’ny ray aman-dreny hendry izay hahatonga ny zanany tsy hisalasala haneho ny heviny

Ny manampy ny zanany ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra no adidin’ny ray aman-dreny lehibe indrindra. (Genesisy 2:24) Anisan’izany ny manampy azy hanana ny maha izy azy eo amin’ny resaka toetra, zavatra inoana, ary fitsipika arahina. Inona no hataon’ny ankizy manana ny maha izy azy, raha taomin’ny namany haditra izy? Tsy ny vokatry ny zavatra ataony ihany no hosaintsaininy, fa hieritreritra koa izy hoe: ‘Olona hoatran’ny ahoana moa aho? Inona no fitsipika arahiko? Inona no hataon’ny olona manaraka fitsipika toy izany amin’ny toe-javatra hoatr’izao?’—2 Petera 3:11.

Resahin’ny Baiboly fa nanana ny maha izy azy ny tovolahy atao hoe Josefa. Rehefa nitaona azy hanao firaisana taminy, ohatra, ny vadin’i Potifara, dia hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:9) Mbola tsy nisy lalàna nandrara ny fijangajangana tamin’izany, nefa efa fantany ny fomba fijerin’Andriamanitra. Hita amin’ilay teny hoe “hataoko ahoana” koa fa noraisiny ho toy ny fomba fiheviny ny hevitr’Andriamanitra.—Efesianina 5:1.

Vao miezaka hanana ny maha izy azy koa ny zanakao. Hanampy azy tsy hanaiky hotaomin’ny namany haditra izany, nefa koa mety hahatonga azy hanohitra ny hevitrao. (Ohabolana 1:10-15) Inona no azonao atao raha mitranga izany?

ANDRAMO IZAO: Aza mifamaly aminy fa lazao izay fomba fahazoanao ny heviny. (“Raha azoko tsara izany dia te hilaza ianao fa...”) Anontanio izy avy eo. (“Nahoana ianao no mahatsapa an’izany?” na “Nahoana ianao no manatsoaka hevitra hoatr’izany?”) Avelao izy hilaza izay ao am-pony. Raha tsy mitovy zavatra tiana fotsiny ianareo fa tsy hoe diso akory izy, dia hajao ny heviny na dia tsy tena miombon-kevitra aminy aza ianao.

Ara-dalàna raha miezaka hanana ny maha izy azy ny tanora, ary mahasoa azy izany. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy tokony ho toy ny zaza ny Kristianina, ka “hatopatopan’ny onja sy  havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao.” (Efesianina 4:14) Avelao hanana ny maha izy azy sy hijoro amin’ny heviny àry ny zanakao, ary ampirisiho mihitsy aza izy hanao izany.

“Rehefa hitan’ny zanako vavy hoe vonona hihaino azy ireo aho, dia vonona kokoa izy handinika ny hevitro na dia tsy mitovy hevitra amiko aza. Tsy tereko hanaraka ny hevitro ry zareo, fa avelako hanana ny heviny manokana.”—Ivana, Repoblika Tseky.

HENTITRA NEFA MAHAY MANDANJALANJA

Toy ny ankizy kely ny tanora sasany, ka misisika mangata-javatra amin’ny ray aman-dreniny foana mba hahatonga azy ireo hanaiky. Mitandrema raha mitranga matetika ao aminareo izany. Mety hampilamin-javatra vetivety ny milefitra, kanefa raha zatra milefitra ianao, dia mety hisisika foana izy mba hahazoany izay tiany. Araho àry ity tenin’i Jesosy ity: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.” (Matio 5:37) Tsy dia hisisika hangata-javatra ny zanakao raha hitany fa tsy miovaova hevitra ianao.

Mahaiza koa anefa mandanjalanja. Avelao, ohatra, izy hanazava hoe nahoana izy no te hody taratara kely amin’ny fotoana iray. Tsy hoe milefitra ianao raha manao an’izany, fa manaraka an’ity tenin’ny Baiboly ity: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.”—Filipianina 4:5.

ANDRAMO IZAO: Diniho miaraka amin’ny zanakao ny fitsipika hampiharina ao an-trano, toy ny ora fodiana. Asehoy hoe vonona hihaino sy handinika ny lafin-javatra rehetra ianao vao manapa-kevitra. Hoy i Roberto, raim-pianakaviana any Brezila: “Tokony ho fantatry ny ankizy hoe vonona hanaiky ny fangatahany ny ray aman-dreniny, raha tsy misy toro lalan’ny Baiboly voadika.”

Marina aloha fa tsy lavorary ny ray aman-dreny. “Manao fahadisoana imbetsaka mantsy isika rehetra”, hoy ny Jakoba 3:2. Aza misalasala àry miala tsiny amin’ny zanakao, raha anisan’ny nahatonga an’ilay fifamaliana ianao. Raha manetry tena ianao ka miaiky fahadisoana, dia hanao toy izany koa izy.

“Nisy fotoana aho tsy nahafehy tena ka nifamaly be tamin’ny zanako lahy. Niala tsiny taminy aho rehefa tonitony. Nihatony koa izy ary vonona hihaino ahy kokoa.”—Kenji, Japon.

^ feh. 3 Novana ny anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

ERITRERETO IZAO:

  • Mety ho izaho ve indraindray no mahatonga anay mianaka hifamaly?

  • Ahoana no hampiharako ny torohevitra ato mba hahatakarako kokoa ny fomba fihevitry ny zanako?

  • Ahoana no hifampiresahako amin’ny zanako, nefa tsy hifamaly aminy?