Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Iza no ho any an-danitra ary nahoana?
Olona an-tapitrisany no te ho any an-danitra. Nilaza i Jesosy fa ho any ny apostoliny tsy mivadika. Nampanantena izy, talohan’ny nahafatesany, fa hanomana toerana ho azy ireo any amin’ilay Rainy any an-danitra.—Vakio ny Jaona 14:2.
Nahoana no hisy olona hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra? Hanao inona any izy ireo? Nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy fa ho mpanjaka hitondra ny tany izy ireo.—Vakio ny Lioka 22:28-30; Apokalypsy 5:10.
Ho any an-danitra ve ny tsara fanahy rehetra?
Olona vitsivitsy ihany no mpitondra, any amin’ny tany maro. Nilaza i Jesosy fa hitondra ny tany ireo hatsangana ho any an-danitra. Midika izany fa ho vitsivitsy koa izy ireo. (Lioka 12:32) Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny isan’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy.—Vakio ny Apokalypsy 14:1.
Nanomana toerana any an-danitra ho an’ny mpanara-dia azy vitsivitsy i Jesosy. Fantatrao ve izay hataon’izy ireo any?
Tsy hoe izay ho any an-danitra ihany akory no hahazo valisoa. Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo olom-pehezin’ny Fanjakan’i Jesosy. (Jaona 3:16) Ahoana no hahatongavan’izy ireo ao? Ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana an’ity tontolo ratsy ity ny sasany. Ny hafa kosa hatsangana amin’ny maty.—Vakio ny Salamo 37:29; Jaona 5:28, 29.