Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA OKTOBRA 2013

Torohevitra ho An’ireo Nisara-bady

Torohevitra ho An’ireo Nisara-bady

“Toy ny nilatsaham-baratra aho! Nandeha tsara foana ny fiainako, nefa tampoka teo dia nikorontana ambony ambany.”—FETRA, * herintaona nisarahana.

“Niaraka tamina vehivavy nitovy taona tamin’ny zanakay vavy ny vadiko. Tsy voatery niaritra an’ilay toetrany tezi-dava intsony aloha aho rehefa nisaraka izahay, nefa nahatsiaro ho afa-baraka aho.”—VONY, 17 taona nisarahana.

Misy misaraka satria manantena fa hihatsara ny fiainany. Misy indray tsy te hisaraka, nefa ny vadiny tsy mety. Ny ankamaroan’ireo nisara-bady anefa no mahita hoe mafy kokoa noho ny nieritreretany azy ny fiainany. Ny fisaraham-panambadiana angamba no zavatra mafy indrindra taminao, raha nisaraka vao haingana ianao. Ireto misy torohevitra ara-baiboly vitsivitsy mety hanampy anao hiatrika an’izany.

OLANA 1: OLANA ARA-PIHETSEHAM-PO.

Mety tena handreraka ny adin-tsaina noho ny olana ara-bola sy ny fitaizana. Mahatsapa ho manirery koa ilay olona, ary mety ho ela izany vao afaka. Nilaza i Judith Wallerstein, manam-pahaizana momba ny saina, fa mbola mahatsiaro ho voafitaka sy manirery foana ny olona nisara-bady, taona maro aorian’ny nisarahany. Mieritreritra izy hoe “miangatra ny fiainana, mandiso fanantenana, ary tsy mahasambatra.”

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aza afenina ny alahelonao. Mbola tia an’ilay vadinao taloha angamba ianao. Na nikorontana aza ny tokantranonareo, dia mety halahelo ihany ianao satria  tsy sambatra am-panambadiana, araka ny nantenainao. (Ohabolana 5:18) Aza menatra ‘mitomany’ àry.—Mpitoriteny 3:1, 4.

  • Aza mitokantokana. Mila mitokana ianao rehefa te hitomany. Tsy tsara anefa ny mitokantokana foana. (Ohabolana 18:1) Manaova resaka mampahery rehefa miresaka amin’ny namana. Ho leo mantsy izy ireo raha mitaraina momba an’ilay vadinao taloha foana ianao, na ara-drariny aza izany. Mitadiava fanampiana amin’olona azo itokisana, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe.

  • Tandrovy ny fahasalamanao. Mety hankarary ny adin-tsaina. Mety hiakatra, ohatra, ny tosidra na harary be ny loha. Mihinàna sakafo ara-dalàna, manaova fanatanjahan-tena, ary ataovy ampy tsara ny torimaso.—Efesianina 5:29.

  • Ario izay zavatra mety hahatonga anao ho tezitra amin’ilay vadinao taloha na tsy ilainao intsony. Tehirizo kosa izay taratasy tena ilaina. Raha miteraka alahelo ny sary mariazy, na ny toy izany, dia ampirimo mba hojeren’ny zanakao any aoriana.

  • Aza mieritreritra zavatra mahakivy. Hoy i Olga, izay nisaraka tamin’ilay vadiny nanitsakitsaka azy: “Lasa eritreritra foana aho hoe ‘Fa inona loatra àry no mampiavaka an’ilay vehivavy?’ ” Takatr’i Olga anefa, tatỳ aoriana, fa tsy mety ny mieritreritra zavatra toy izany fa ‘mahakivy’ fotsiny.—Ohabolana 18:14.

    Maro no mahita hoe milamina kokoa ny sainy raha soratany ny zavatra eritreretiny. Raha manao izany ianao, dia ezaho soloana eritreritra mampahery ny eritreritra mahakivy. (Efesianina 4:23) Diniho ireto ohatra roa ireto:

    Tsy mety: Izaho ihany no nahatonga ny vadiko hanitsakitsaka ahy.

    Mety: Na diso aza aho, dia tsy manan-jo hamitaka ahy mihitsy ny vadiko.

    Tsy mety: Tsy tokony ho nandany ny fahatanorako tamin’iny lehilahy iny aho.

    Mety: Ho sambatra kokoa aho raha mibanjina ny hoavy, fa tsy mamisavisa ny lasa.

  • Aza raharahaina ny teny mandratra. Tsy ratsy saina ny havana aman-tsakaiza, nefa mety hiteny zavatra mampalahelo na tsy mitombina, toy ny hoe: ‘Tsy mety aminao koa iny e!’ na hoe ‘Halan’Andriamanitra ange ny fisaraham-panambadiana e!’ * Hoy ny Baiboly: “Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona.” (Mpitoriteny 7:21) Hoy i Lisy, izay roa taona nisarahana: “Tsy raharahaiko ireny teny mandratra ireny, fa ny fomba fijerin’Andriamanitra no ataoko an-tsaina. Ambony noho ny eritreritsika mantsy ny azy.”—Isaia 55:8, 9.

  • Mivavaha. Mampirisika ny mpanompony Andriamanitra mba ‘hametraka aminy izay rehetra mampanahy azy ireo’, indrindra rehefa tena malahelo be izy ireo.—1 Petera 5:7.

ANDRAMO IZAO: Soraty izay andinin-teny hitanao hoe mampahery anao ary ataovy talaky maso. Maro ny olona nandray soa avy amin’ireo andinin-teny efa voatanisa teo aloha sy ireto manaraka ireto: Salamo 27:10; 34:18; Isaia 41:10; ary Romanina 8:38, 39.

Avelao hanampy anao hiatrika olana ny Baiboly

OLANA 2: NY FIFANDRAISANAO AMIN’ILAY VADINAO TALOHA.

Hoy i Tantely, izay efa nanambady nandritra ny 11 taona: “Nitalaho tamin’ny vadiko aho mba tsy handao ahy. Rehefa lasa anefa izy, dia nanjary tezitra be taminy sy ilay vehivavy niarahany aho.” Maro amin’ireo nisara-bady no tezitra be amin’ilay vadiny  taloha mandritra ny taona maro. Tsy maintsy mifampiresaka tsy tapaka anefa izy ireo, indrindra raha niteraka.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ataovy toy ny fifandraisan’olon-tsotra ny fifandraisanareo. Izay tena ilaina resahina ary ataovy fohy ny resaka. Maro no nahita hoe misoroka ady izany.—Romanina 12:18.

  • Aza milaza zavatra mampiady. Azo ampiharina ity torohevitry ny Baiboly ity, rehefa mahasosotra anao ny tenin’ilay vadinao taloha: “Manana ny tena fahalalana ny olona mahafehy ny vavany.” (Ohabolana 17:27) Raha tsy vitanao ny mifehy ny fihetseham-ponao, dia azonao atao ny milaza hoe: “Aleo aloha aho hieritreritra fa amin’ny manaraka isika miresaka.”

  • Samia mitondra ny fiainany, eo amin’ny raharaha ara-panjakana, ara-bola, ara-pahasalamana, sy ny sisa.

ANDRAMO IZAO: Rehefa miresaka amin’ilay vadinao taloha ianao amin’ny manaraka, dia fantaro raha vao mitady hanamarin-tena ny iray aminareo na tsy mety milefitra. Ajanòny kely aloha ilay resaka, raha ilaina, na mifanaraha hoe amin’ny e-mail na SMS no iresahana an’ilay izy.—Ohabolana 17:14.

OLANA 3: FANAMPIANA NY ANKIZY HIATRIKA AN’ILAY IZY.

Hoy i Lafatra, taorian’ny nisarahany tamin’ny vadiny: “Nitomany foana ny zanako faravavy ary lasa nipipỳ am-pandriana indray. Nanafina ny fihetseham-pony ilay zokiny vavy, fa hitako ihany hoe nisy fiovana koa teo aminy.” Mety ho tsapanao hoe tsy manam-potoana hanampiana ny zanakao ianao amin’ny fotoana tena ilany izany, na tsy mahavita an’izany satria kivy.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ampirisiho ny zanakao mba hiresaka aminao momba izay tsapany, eny fa na dia mety hoe ‘rediredy’ aza ilay izy.—Joba 6:2, 3.

  • Aza atsimbadika ny andraikitra. Marina aloha hoe mety hila fampaherezana ianao, ary mety ho vonon-kanampy ny zanakao. Tsy rariny anefa raha ny ankizy no asainao manampy anao handamina olana tokony hovahan’ny olon-dehibe. (1 Korintianina 13:11) Aza tantaraina amin’ny zanakao ny olana mahazo anao. Tsy mety koa raha izy no ataonao mpanelanelana anao amin’ilay vadinao taloha.

  • Ataovy izay hampizotra tsara ny fiainany. Tsara raha tsy mifindra trano ianareo. Aza ovana koa ny fahazaranareo, indrindra ny fandaharana ara-panahy toy ny famakiana Baiboly sy ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana.—Deoteronomia 6:6-9.

ANDRAMO IZAO: Ilazao ny zanakao amin’ity herinandro ity fa tianao izy ireo ary tsy izy ireo no nahatonga an’ilay fisarahana. Valio ny fanontaniany, nefa aza ailika any amin’ilay iray ny fahadisoana.

Afaka mizotra tsara ny fiainan’ireo nisara-panambadiana. Nanambady nandritra ny 16 taona i Rondro. Hoy izy: “Nieritreritra aho rehefa nisaraka tamin’ny vadiko hoe ‘Tsy nampoiziko ho hoatr’izao mihitsy ny fiainako.’ ” Mahatsiaro ho sambatra ihany anefa izy izao. Hoy izy: “Nety kokoa ny fiainako rehefa tsy nitady hanova ny lasa intsony aho.”

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 18 Halan’Andriamanitra ny olona fetsifetsy sy mamitaka mba hisaraham-panambadiana. Raha nijangajanga anefa ny olona iray, dia avelan’Andriamanitra hisaraka aminy ilay vady tsy manan-tsiny, raha tiany. (Malakia 2:16; Matio 19:9) Jereo ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2011, pejy 6-7 sy ny Mifohaza! Febroary 2010, pejy 4, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ERITRERETO IZAO:

  • Efa navoakako daholo ve ny alaheloko momba an’ilay fisaraham-panambadiana?

  • Inona no azoko atao mba tsy ho tezitra intsony amin’ilay vadiko taloha aho?