Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA SEPTAMBRA 2013

Niforona Tany Babela ve ny Fiteny Rehetra?

Niforona Tany Babela ve ny Fiteny Rehetra?

“Naparitak’i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany. Dia natsahatr’izy ireo ny fanorenana ilay tanàna. Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Babela, satria tao no nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny tany manontolo.”—Genesisy 11:8, 9.

TENA nitranga ve io tantara resahin’ny Baiboly io? Niova tampoka ve ny fitenin’ny olona, ka nisy fiteny maromaro niara-niforona? Misy maneso an’io tantara io. Hoy ny mpanoratra iray: “Ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela no anisan’ny tantara tsy mitombina indrindra hatramin’izay.” Nilaza mihitsy aza ny mpitondra fivavahana jiosy iray fa “hevitra an-taingina hanazavana ny niandohan’ireo firenena” izy io.

Nahoana ny olona no tsy mino ny tantaran’i Babela? Satria mifanohitra amin’ny fampianarana sasany momba ny niandohan’ny fiteny izy io. Misy, ohatra, manam-pahaizana milaza fa tsy nipoitra tampoka ny fitenin’ny olona, fa nivoatra miandalana avy tamin’ny fiteny iray ihany. Ny hafa indray mino fa tsy fiteny iray ihany no nivoatra miandalana fa fiteny maromaro. Ngerongerona fotsiny, hono, ilay izy tamin’ny voalohany ary lasa fiteny be pitsiny. Maro àry no niombon-kevitra tamin’ny Profesora W. Fitch, izay nanoratra an’ilay boky hoe Ny Fivoaran’ny Fiteny (anglisy). Hoy izy: “Mbola tsy nahita porofo tena mampiaiky isika.”

Inona no hitan’ireo manam-pahaizana sy mpikaroka ny any ambanin’ny tany momba ny niandohan’ny fiteny? Manamarina an’ireo fampianarana voalaza tetsy ambony ve ny zavatra hitan’izy ireo, sa manohana an’izay lazain’ny Baiboly? Andeha aloha hojerentsika ilay tantara ao amin’ny Baiboly.

TAIZA ILAY IZY NO NITRANGA ARY OVIANA?

Milaza ny Baiboly fa nisafotofoto ny fitenin’ny olona tany “amin’ny tany Sinara”, nantsoina tatỳ aoriana hoe Babylonia, ary niparitaka ny olona avy eo. (Genesisy 11:2) Oviana izany no nitranga?  Resahin’ny Baiboly fa “voazarazara ny tany” tamin’ny andron’i Palega, izay teraka 250 taona teo ho eo talohan’i Abrahama. Tamin’ny 4 200 taona lasa tany ho any àry no nisehoan’ilay zava-nitranga tany Babela.—Genesisy 10:25; 11:18-26.

Misy mpikaroka milaza fa nipoitra avy tamin’ny fiteny iray ihany ireo fiteny misy ankehitriny. Niteny an’io fiteny io, hono, ny olona, efa ho 100 000 taona lasa izay. * Misy indray milaza fa avy amin’ny fiteny maromaro nampiasain’ny olona tany amin’ny 6 000 taona lasa tany ireo fiteny ankehitriny. Ahoana anefa no ahalalan’izy ireo ny fivoaran’ireo fiteny efa tsy ampiasaina intsony? Hoy ny gazety Toe-karena (anglisy): “Sarotra izany. Ny mpikaroka momba ny zavamananaina mantsy manana fôsily, izay afaka manampy azy hamantatra ny lasa, fa tsy toy izany ny mpikaroka momba ny fiteny.” Milaza koa ilay gazety fa “kajy niainga avy tamin’ny tombantombana” no nahatonga ny manam-pahaizana iray hanatsoaka hevitra hoe nivoatra miandalana ny fiteny.

Manana “fôsily” anefa ny fiteny. Inona izy ireo, ary inona no asehony momba ny niandohan’ireo fiteny? Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy): “Ny hany fôsily momba ny fiteny, dia ireo soratra tranainy indrindra hita, izay nosoratana tamin’ny 4 000 na 5 000 taona lasa tany ho any.” Taiza no nahitan’ny mpikaroka azy ireo? Tany Mezopotamia Ambany, teo amin’ny nisy an’i Sinara fahiny. * Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly àry ny porofo hita.

FITENY SY FOMBA FISAINA SAMY HAFA

Milaza ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra ‘nisafotofoto’ ny fitenin’ny olona tao Babela, “mba tsy hifankahazo fiteny izy ireo.” (Genesisy 11:7) “Natsahatr’izy ireo ny fanorenana ilay tanàna” vokatr’izany, ary niely “nanerana ny tany” izy ireo. (Genesisy 11:8, 9) Tsy milaza àry ny Baiboly hoe avy tamin’ny fiteny iray ihany ny fiteny rehetra misy ankehitriny. Lazainy kosa fa nisy fiteny vaovao maromaro niara-nipoitra tampoka, izay samy nahafahana nilaza fihetseham-po sy eritreritra, ary samy nanana ny nampiavaka azy.

Takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika, tany Mezopotamia, 3 000 taona Talohan’i Kristy

Ahoana ny amin’ireo fiteny ankehitriny? Mba misy itovizana ihany ve izy ireo sa tena samy hafa? Hoy i Lera Boroditsky, mpahay siansa: “Misy fiteny 7 000 eo ho eo ampiasaina eran-tany. Ny vitsivitsy tamin’ireo no nofakafakain’ny manam-pahaizana, ka hita hoe tena betsaka ny zavatra tsy mampitovy azy.” Marina fa mety hitovitovy ny fitenim-paritra avy amin’ny fiteny iray, toy ny teny kantôney sy hakka any amin’ny faritra atsimon’i Chine. Samy hafa tanteraka amin’ny teny catalan andrefana na valencien, izay ampiasaina any Espaina, anefa izy ireo.

Ny fiteny no mamolavola ny fiheveran’ny olona sy ny fomba ilazany ny manodidina azy. Anisan’izany ny loko, habetsahan-javatra, ary toerana. Mety hilaza toy izao, ohatra, ny olona mampiasa fiteny iray: “Misy bibikely eo amin’ny tananao havanana.” Izao anefa no mety holazain’ny olona iray mampiasa fiteny hafa: “Misy bibikely eo amin’ny tananao atsimoandrefana.” Mety  hampikorontan-tsaina ireo fahasamihafana ireo. Tsy mahagaga àry raha tsy afaka nanohy an’ilay fanorenana intsony ireo mpanorina ny Tilikambon’i Babela.

NGERONGERONA SA FITENY BE PITSINY?

Hoatran’ny ahoana ny fitenin’ireo mpivady voalohany? Milaza ny Baiboly fa afaka namorona teny vaovao i Adama rehefa nanome anarana ny biby sy ny vorona. (Genesisy 2:20) Namorona tononkalo koa izy mba hilazany ny fitiavany ny vadiny. Niresaka mazava momba ny didin’Andriamanitra sy ny sazin’izay tsy mankatò azy io i Eva. (Genesisy 2:23; 3:1-3) Fiteny nahafahana nifampiresaka tsara àry ny fiteny voalohany nampiasain’ny olona, sady nahafahana namorona voambolana vaovao.

Tsy afaka niray saina sy niara-niasa intsony ny olona tao Babela rehefa tsy nitovy fiteny. Be pitsiny toy ny fiteniny voalohany ihany anefa ny fiteniny vaovao. Tao anatin’ny taonjato vitsivitsy, dia afaka nanorina tanàna lehibe sy nanangana tafika matanjaka ary nanao raharaham-barotra ny olombelona. (Genesisy 13:12; 14:1-11; 37:25) Ho afaka nandroso be toy izany ve izy ireo raha tsy nanana voambolana be dia be sy fitsipi-pitenenana be pitsiny? Asehon’ny Baiboly àry fa be pitsiny ny fitenin’ny olombelona voalohany sy ireo fiteny vaovao tao Babela, fa tsy ngerongerona.

Manamarina an’izany ny fikarohana natao. Hoy Ny Rakipahalalan’i Cambridge Momba ny Fiteny (anglisy): “Manana fiteny be pitsiny toa an’ireo firenena lazaina fa ‘mandroso’ ireo firenena lazaina fa ‘tsy mivoatra’, izay nanaovana fandinihana.” Hoy koa i Steven Pinker, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Harvard, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Toetoetran’ny Fiteny (anglisy): ‘Tonga dia be pitsiny ny fiteny fa tsy nisy an’izany fiteny ngerongerona izany.’

HANAO AHOANA NY FITENY AMIN’NY HOAVY?

Hitantsika teo ny fotoana sy ny toerana nahitana an’ireo “fôsily” momba ny fiteny. Hitantsika koa fa tsy mitovy ireo fiteny, ary be pitsiny ny fiteny fahiny. Inona àry no fanatsoahan-kevitsika? Maro no milaza fa tena mitombina izay lazain’ny Baiboly momba ny zava-nitranga tao Babela.

Milaza ny Baiboly fa nasafotofoton’i Jehovah Andriamanitra ny fitenin’ny olona tao Babela, satria nikomy taminy izy ireo. (Genesisy 11:4-7) Nampanantena anefa izy fa hovany ho “fiteny madio ny fitenin’ny olona mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.” (Zefania 3:9) Mampiray saina ny olona eran-tany ankehitriny io “fiteny madio” io, izany hoe ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azo antoka fa haverin’Andriamanitra ho fiteny iray ihany ny fitenin’ny olona rehetra amin’ny hoavy, ka mbola hiray saina kokoa izy ireo.

^ feh. 8 Ilay hoe nivoatra ny fiteny, dia avy amin’ilay fampianarana hoe nivoatra avy tamin’ny rajako ny olona. Manazava momba izany ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, pejy 27-29, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Nofongarin’ny mpikaroka tany akaikin’i Sinara ny tempoly maromaro miendrika piramida sy misy tilikambo. Lazain’ny Baiboly fa nanao biriky ireo mpanorina ny tilikambon’i Babela, ary godorao no nataony rihitra. (Genesisy 11:3, 4) Milaza Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao fa “tsy nisy firy na tsy nisy mihitsy” ny vato tany Mezopotamia, saingy betsaka ny godorao.