Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA AOGOSITRA 2013

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra?

Mihaino ny vavaka ataon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra Andriamanitra. (Salamo 145:18, 19) Milaza ny Baiboly fa tokony horesahintsika amin’Andriamanitra izay rehetra manahiran-tsaina antsika. (Filipianina 4:6, 7) Misy vavaka tsy ankasitrahany anefa. Tsy tiany, ohatra, ny vavaka atao tsianjery.—Vakio ny Matio 6:7.

Tsy tian’i Jehovah koa ny vavaka ataon’ireo minia tsy mankatò ny lalàny. (Ohabolana 28:9) Tsy nihaino ny vavaka nataon’ireo Israelita fahiny, ohatra, izy satria namono olona izy ireo. Tsy maintsy manao izay takiny àry isika raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika.—Vakio ny Isaia 1:15.

Inona no takiny amin’izay mivavaka aminy?

Tsy maintsy manam-pinoana isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:5, 6) Tsy maintsy resy lahatra isika fa misy izy ary mikarakara antsika. Hihamatanjaka ny finoantsika rehefa mianatra Baiboly isika. Manampy antsika hanana ny tena finoana mantsy ireo porofo sy fanomezan-toky ao.—Vakio ny Hebreo 11:1, 6.

Tokony hanao vavaka vokatry ny fo isika, ary hanetry tena rehefa manao izany. Na i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aza nanetry tena rehefa nivavaka. (Lioka 22:41, 42) Tsy tokony hibaikobaiko an’Andriamanitra àry isika, fa hiezaka hamantatra izay takiny ka hamaky Baiboly. Hifanaraka amin’ny sitrapony ny vavaka ataontsika amin’izay.—Vakio ny 1 Jaona 5:14.

Fanampim-panazavana

Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka

Mihaino ny vavaka ataonao ve Andriamanitra? Mamaly an’izany ny Baiboly.