Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JONA 2013

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?

“IZAO ny nofinofiko.” I Martin Luther King, mpitari-tolona ho an’ny mainty hoditra, no nilaza izany tao amin’ilay kabary malaza nataony, tamin’ny 28 Aogositra 1963. Naveriny foana izany, rehefa nilaza ny nofinofiny izy hoe tsy hisy intsony ny fanavakavahana indray andro any. Ny olona tany Etazonia no niantefan’ny kabariny, kanefa maniry ny hahatanterahan’izany koa ny olona any amin’ny tany maro.

Martin Luther King, tamin’izy nikabary

Nisy zava-nitranga tamin’ny 20 Novambra 1963, izany hoe telo volana taorian’ilay kabarin’i King. Firenena 100 mahery no nanaiky an’ilay Fanambaran’ny Firenena Mikambana Momba ny Fanafoanana ny Fanavakavaham-bolon-koditra. Nisy ezaka hafa natao maneran-tany, taona maro tatỳ aoriana. Mba nisy vokany ve izany?

Hoy i Ban Ki-moon, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, tamin’ny 21 Martsa 2012: “Betsaka ny fifanekena sy fandaharana efa natao maneran-tany, mba hanafoanana ny fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny ary ny karazana fanavakavahana hafa. An-tapitrisany anefa eran-tany no mbola mijaly noho ny fanavakavahana.”

Misy vokany tsara ihany ny ezaka toy izany any amin’ny tany sasany. Tena fongotra hatramin’ny fakany ve anefa ilay fankahalana, sa tsy miseho etỳ ivelany fotsiny? Misy milaza fa mahavita misakana ny olona tsy hampiseho ny fankahalany amin’ny zavatra ataony ireny ezaka ireny, fa tsy mahavita misakana ny olona tsy hitsara an-tendrony ao am-pony.

Ny toe-tsaina sy ny toe-pon’ny olona mihitsy àry no mila ovana, raha tiana ho foana ny fanavakavahana, fa tsy ny zavatra ataony fotsiny. Tena azo atao ve izany? Amin’ny fomba ahoana? Andeha isika hijery tantaran’olona vitsivitsy, mba hahitana hoe afaka miova ny olona manavakavaka, ary misy zavatra afaka manampy azy hiova.

NIOVA IZY IREO NOHO NY BAIBOLY

“Tsy voafatopatotry ny fanavakavahana intsony aho.”—Linda

Linda: Teraka teto Afrika Atsimo aho. Nihevitra aho fa izay rehetra tsy fotsy hoditra teto Afrika Atsimo dia olona ambany, tsy nahita fianarana, tsy azo atokisana, ary mpiasan’ny fotsy hoditra ihany. Nanavakavaka aho nefa tsy tsapako akory izany. Niova anefa ny toe-tsaiko rehefa nianatra Baiboly aho. Lasa fantatro mantsy hoe “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” ary mbola zava-dehibe kokoa noho ny volon-koditra na ny fiteny ny toe-po. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Ohabolana 17:3) Tsy hanavakavaka intsony koa aho raha mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenako, araka ny Filipianina 2:3. Lasa nitady izay hahasoa ny hafa aho, na inona na inona volon-kodiny, rehefa nampihariko ny toro lalan’ny Baiboly toy ireo. Tsy voafatopatotry ny fanavakavahana intsony aho izao.

“Lasa fantatro hoe tian’Andriamanitra daholo ny olona.”—Michael

Michael: Aostralianina fotsy hoditra no tena betsaka tany amin’ny toerana nahabe ahy. Lasa tena tsy tiako ny olona avy any Azia, indrindra ny Sinoa. Rehefa nandeha fiara aho ka nahita olona hoatran’ny Sinoa, dia nampidiniko ny fitaratra ary nilelalela aho hoe: “Andeha mody ry kely maso a!” Nianatra Baiboly aho tatỳ aoriana, ka  lasa fantatro hoe tian’Andriamanitra daholo ny olona na avy aiza izy na avy aiza, ary na inona na inona firazanany. Nanohina ny foko izany, ka lasa tiako ireo olona nankahalaiko. Tena gaga aho hoe nahavita niova. Mahafinaritra ahy izao ny mifanerasera amin’ny olona avy amin’ny firenena sy saranga samihafa. Tsy tery saina intsony aho, ary tena mahafaly ahy izany.

“Nanova ny fomba fisainako ... aho ka namitram-pihavanana tamin’ny havan’i Dada.”—Sandra

Sandra: Avy ao Umunede, ao amin’ny Fanjakan’i Delta, any Nizeria, i Neny. Ny havan’i Dada kosa avy ao amin’ny Fanjakan’i Edo, ary miteny esan ry zareo. Tena nankahalain’izy mianakavy i Neny mandra-pahafatiny, noho izany tsy fitoviana izany. Nivoady àry aho fa tsy hifandrairay amin’ny olona miteny esan mihitsy na hanambady olona avy ao amin’ny Fanjakan’i Edo. Niova anefa aho rehefa nianatra Baiboly. Milaza ny Baiboly fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ary ankasitrahany daholo izay rehetra matahotra azy. Koa nahoana moa aho no hankahala olona noho ny foko misy azy na ny fiteniny? Nanova ny fomba fisainako àry aho ka namitram-pihavanana tamin’ny havan’i Dada. Lasa sambatra sy milamin-tsaina aho, rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Lasa mifandray tsara amin’ny olona koa aho, na inona na inona firazanany, fiteniny, firenena niaviany, na saranga misy azy. Ary na ilay lehilahy nekeko ho vady aza avy ao amin’ny Fanjakan’i Edo sady miteny esan.

Nahoana ny Baiboly no afaka nanampy an’ireo olona ireo sy ny olon-kafa tsy hanavakavaka intsony, na dia efa lalim-paka tao am-pony aza ilay fankahalana? Satria Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary mahavita manova ny toe-tsain’ny olona sy ny toe-pony. Asehon’ny Baiboly koa anefa hoe mbola misy zavatra hafa ilaina hatao vao ho fongotra ny fanavakavahana rehetra.

HAMONGOTRA NY FANAVAKAVAHANA REHETRA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Manampy ny olona hifehy ny fihetseham-pony sy tsy hankahala ny hafa ny Baiboly. Mbola misy zavatra roa tsy maintsy esorina anefa vao ho fongotra ny fanavakavahana. Voalohany: Ny fahotana sy tsy fahalavorariana. Milaza ny Baiboly fa “tsy misy olombelona tsy manota.” (1 Mpanjaka 8:46) Koa na miezaka toy inona aza isika, dia mbola hahatsapa toy ny apostoly Paoly, izay nilaza hoe: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Romanina 7:21) Noho isika tsy lavorary àry, dia mety mbola ‘hieritreri-dratsy’ ihany isika ka hanavakavaka na hitsara an-tendrony.—Marka 7:21.

Faharoa: Ny fitaoman’i Satana Devoly. Milaza ny Baiboly fa “mpamono olona” izy ary “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Tsy mahagaga raha miely patrana ny fanavakavahana sady toa tsy afa-manoatra ny olombelona eo anatrehan’ny fankahalana, fitsarana an-tendrony, fandripahana foko, ary fanavakavahana volon-koditra sy fivavahana ary saranga.

Tsy maintsy esorina àry aloha ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana ary ny fitaoman’i Satana Devoly, vao ho fongotra ny fanavakavahana. Milaza ny Baiboly fa izany mihitsy no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nampianarin’i Jesosy Kristy hivavaka toy izao ny mpanara-dia azy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manafoana ny tsy rariny rehetra, anisan’izany ny fanavakavahana rehetra.

Rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra ka hitondra ny tany, dia ‘hofatorana i Satana, mba tsy hahafahany hamitaka ny firenena intsony.’ (Apokalypsy 20:2, 3) Hisy “tany vaovao” na fiaraha-monina vaovao “hitoeran’ny fahamarinana” aorian’izay. *2 Petera 3:13.

Ho lavorary ny olona anisan’io fiaraha-monina hanjakan’ny fahamarinana io, ka ho afaka amin’ny fahotana. (Romanina 8:21) Ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo ka “tsy handratra na hanimba” ny hafa. Nahoana? “Satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany.” (Isaia 11:9) Hianatra ny fomba fisainan’i Jehovah ny olon-drehetra amin’izay fotoana izay, sady ho be fitiavana toa azy. Tsy hisy intsony àry ny fanavakavahana, satria “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”—Romanina 2:11.

^ feh. 17 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataony tsy ho ela ianao, dia jereo ny toko 3, 8, ary 9 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanampim-panazavana

Ahoana no Hampisy Fiadanana etỳ An-tany?

Jereo ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hampiasa ny Fanjakany mba hampiadana ny tany.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanavakavaham-bolon-koditra?

Mitovy daholo ve ny olona rehetra, na inona na inona firazanany? Mbola ho foana ve ny fanavakavaham-bolon-koditra?