Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JONA 2013

Zava-tsarobidy Tsy Hita Hatry ny Ela

Zava-tsarobidy Tsy Hita Hatry ny Ela

Nahita ampahany tamin’ny Baiboly fandikan-teny géorgien ny manam-pahaizana iray. Tsy nampoiziny mihitsy izany. Nodinihiny imbetsaka ilay sora-tanana sy ny fitsipi-pitenenana nampiasaina tao, ka resy lahatra izy hoe nahita ny fandikan-teny tranainy indrindra!

HITA tamin’ny Desambra 1922 io zava-tsarobidy io. I Ivane Djavakhichvili, mpikaroka avy any Géorgie, no nahita izany tamin’izy nanao fikarohana momba ny fivoaran’ny soratra géorgien. Nodinihiny tsara mantsy ny kopian’ilay asa soratra atao hoe Talmodan’i Jerosalema, ka hitany hoe nisy soratra manjavozavo tamin’ny teny géorgien voatsindrin’ireo soratra tamin’ny teny hebreo. *

Ampahany tamin’ny bokin’i Jeremia, izay vita tamin’ny taonjato fahadimy, ireo soratra manjavozavo tao amin’ny Talmoda ireo. Talohan’izay anefa, dia sora-tanana tamin’ny taonjato fahasivy no ampahana Baiboly géorgien tranainy indrindra. Tsy ela ny manam-pahaizana dia nahita ampahana boky hafa ao amin’ny Baiboly vita tamin’ny taonjato fahadimy, na talohan’izay aza. Faly erỳ izy ireo nahita Baiboly vita taonjato vitsivitsy monja taorian’ny fotoana niainan’i Jesosy sy ny apostoly!

Iza no nandika azy ireo? Olon-tokana ve sa olona maromaro nahafoy tena? Mbola tsy misy fanazavana mampahafantatra an’izany hatreto. Ny fantatra aloha dia hoe efa voadika tamin’ny teny géorgien ny Baiboly na ny ampahany aminy, tamin’ny taonjato fahefatra. Efa tamin’izany àry ny mponin’i Géorgie no nahalala ny Tenin’Andriamanitra na nanana Baiboly tamin’ny fiteniny.

Zatra nampiasa ny Soratra Masina tokoa ny mponin’i Géorgie. Manamarina izany ilay boky hoe Nijaly Noho ny Finoany i Masimbavy Susanne, Mpanjakavavy (géorgien), nosoratana taloha kelin’ny taona 500. Rehefa nitantara ny zavatra nahonena nanjo an’ilay mpanjakavavy ilay mpanoratra, dia naka hevitra na andinin-teny avy tao amin’ny Salamo sy Filazantsara ary boky hafa ao amin’ny Baiboly. Noresahiny tao koa fa niala tamin’ny fivavahana kristianina narahiny i Varxenes, vadin’i Susanne sady governoran’ny Fanjakan’i Kartli, mba hampifaliana an’ireo andriana persianina. Lasa nivavaka tamin’i Ahura-Mazdâ, andriamanitra persianina, àry izy ka nasainy nanao toy izany koa ny vadiny. Tsy nety niala tamin’ny finoany anefa i Susanne. Ny Soratra Masina no nampahery azy talohan’ny namonoana azy.

 Nisy foana ny olona nandika Baiboly ho amin’ny teny géorgien sy nanao kopia izany, nanomboka tamin’ny taonjato fahadimy. Hita hoe tena niasa mafy ireny olona ireny, satria be dia be ny Baiboly sora-tanana tamin’ny teny géorgien. Andeha isika izao hijery ny zava-nitranga fahiny momba ny fandikana sy fanaovana pirinty Baiboly tany Géorgie.

NIHAMARO IREO NANDIKA BAIBOLY

Hoy i Georges Mtatsmindeli, tamin’ny taonjato faha-11: “Izaho Georges, moanina tso-piaina, no niezaka mafy nandika an’ity bokin’ny Salamo ity avy amin’ny teny grika vaovao ho amin’ny teny géorgien.” Fa nahoana ny olona no mbola nila nandika Baiboly, nefa efa taonjato maro talohan’io no nisy Baiboly tamin’ny teny géorgien?

Tsy dia nanana Baiboly sora-tanana intsony ny olona, tamin’ny taonjato faha-11. Ny boky sasany aza very tanteraka. Efa nivoatra koa ny fiteny, ka tsy tena azon’ny olona intsony ireo sora-tanana fahiny. Betsaka àry ny olona niezaka nandika ny Baiboly tamin’ny teny géorgien. Niavaka tamin’izy ireny i Georges. Nampitahainy tamin’ny sora-tanana grika ireo fandikan-teny géorgien teo am-pelatanany, ary nadikany izay ampahany banga. Nadikany manontolo mihitsy aza ny boky sasany. Lehiben’ny monasitera izy, ka nanao ny andraikiny nandritra ny andro, fa nandika Baiboly kosa rehefa alina.

Nanohy ny asan’i Georges i Ephraim le Petit, mpiara-belona taminy. Nanoratra boky misy toro lalana ho an’ny mpandika teny izy. Noresahiny tao, ohatra, hoe tena tsara ny mandika avy amin’ny lahatsoratra tany am-boalohany, raha mbola azo atao. Zava-dehibe koa ny manaraka akaiky izay lazain’ilay lahatsoratra adika, nefa mila tandremana ihany sao tsy mitovy amin’ny fomba fitenin’ny olona intsony ilay fandikan-teny. Izy koa no voalohany nanisy fanamarihana ambany pejy sy fanondroana andininy hafa, tamin’ny Baiboly géorgien. Maro ny boky ao amin’ny Baiboly naverin’i Ephraim nadika. Tena nilaina tamin’ny fandikan-teny tatỳ aoriana, ny sangan’asan’i Georges sy Ephraim.

Maro ny asa soratra novokarina tany Géorgie, tamin’ny taonjato faha-12, ary nisy akademia naorina tany Gelati sy Ikalto. Mino ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana fa Baiboly vao nadikan’ny manam-pahaizana iray tao Gelati na tao Ikalto ny Baibolin’i Gelati. Voatahiry ao amin’ny Foibem-pirenena Momba ny Sora-tanana Fahiny any Géorgie izy io izao.

Tena nisy vokany tamin’ny mponin’i Géorgie ve izany fandikana Baiboly izany? Nanoratra an’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Nitafy Hodi-biby (géorgien) ilay poety atao hoe Chota Roustavéli, tamin’ny taonjato faha-12. Be mpitia io boky io, ka lasa nantsoina hoe Baiboly faharoan’ny mponin’i Géorgie. Na nanonona andinin-teny i Chota na tsia, dia hita “tamin’ ny zavatra sasany noresahiny hoe hevitra avy ao amin’ny Baiboly ihany no nampiasainy”, araka ny tenin’i K. Kekelidze, manam-pahaizana géorgien. Marina aloha hoe nanitatra be i Chota tao amin’ilay poezia, kanefa matetika izy no niresaka momba ny fisakaizana, fahalalahan-tanana, fanajana vehivavy, fitiavana vahiny, ary zavatra hafa. Nanana an’ireo toetra tsara ireo sy ny toetra tsara hafa resahin’ny Baiboly ny mponin’i Géorgie hatramin’izay.

NAMPANAO PRINTY BAIBOLY NY FANJAKANA

Tian’ny fianakavian’ny mpanjaka tany Géorgie hatao pirinty ny Baiboly, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-17. Nanamboatra trano fanontam-pirinty tao Tbilissi renivohitra àry ny Mpanjaka Vakhtang Faha-6. Mbola tsy nisy lahatsoratra azo natao pirinty anefa tamin’izay. Toy ny hoe tsy hita indray mantsy ny Baiboly géorgien. Sora-tanana vitsivitsy tamin’ny boky sasany ihany no mba nisy ary na ny fiteny nandikana azy aza efa lany andro. Nila nohavaozina àry ny Baiboly, ka i Saba Orbéliani, manam-pahaizana momba ny teny, no nasaina nanao izany.

Nilofo tamin’ilay asa i Orbéliani. Nahay fiteny maro izy, toy ny teny grika sy latinina, ka afaka namaky loharanon-kevitra isan-karazany ankoatra an’ireo sora-tanana géorgien teo am-pelatanany. Nahita hevi-baovao be dia be àry izy, kanefa tsy faly tamin’izany ny mpitondra fivavahana ortodoksa tany Géorgie. Nilaza izy ireo fa namadika ny fiangonana i Orbéliani. Noreseny lahatra ny mpanjaka mba tsy hamela azy hanavao ny Baiboly intsony. Nisy boky géorgien nilaza fa noterena handoro an’ilay Baiboly nisasarany nandritra ny taona maro i Orbéliani, tamin’ny fivoriana iray nataon’ny mpitondra fivavahana.

Mirakitra ny zavatra nosoratan’i Orbéliani ny Sora-tanan’i Mtskheta, izay mbola misy hatramin’izao. Antsoina hoe Baibolin’i Saba koa izy io. Misy misalasala anefa raha io ihany ilay Baiboly tsy tian’ny mpitondra fivavahana na tsia. Ilay fanazavana fanampiny ihany no azo antoka hoe nataon’i Orbéliani.

Mbola nataon’ny fianakavian’ny mpanjaka vaindohan-draharaha foana ny hanao pirinty Baiboly, na teo aza izany olana izany. Vita pirinty ny ampahany tamin’izy io, teo anelanelan’ny 1705 sy 1711. Vita ihany ny Baiboly manontolo tamin’ny 1743, noho ny ezaka nataon’i Bakar sy Vakhoushti, zanaky ny mpanjaka tany Géorgie. Tsy niafina tamin’ny besinimaro intsony ny Baiboly nanomboka teo.

^ feh. 3 Vitsy sady lafo ny fitaovana azo nanoratana fahiny, ka fanaon’ny olona ny namafa izay sora-tanana efa tranainy mba hanoratana lahatsoratra vaovao.

Fanampim-panazavana

Manana Anarana ve Andriamanitra?

Antsoina hoe Mahery Indrindra, Mpamorona, ary Tompo Andriamanitra. Hita im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly anefa ny tena anarany.

Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Nahoana no tsy mitovy amin’ny Baiboly maro ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?