Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MEY 2013

 MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

Miahy Anao Tokoa ve i Jehovah?

Miahy Anao Tokoa ve i Jehovah?

Sarotra tamin’ny vehivavy iray ny nino hoe miahy azy i Jehovah. Hoy izy: “Mahatsapa ho tsy misy vidiny foana aho. Izany angamba no sakana lehibe indrindra iezahako resena.” Efa nahatsapa hoatr’izany koa ve ianao? Mety hieritreritra angamba ianao hoe: ‘Mba tena miahy ny mpanompony tsirairay ve i Jehovah?’ Eny! Manaporofo izany ny tenin’i Jesosy.—Vakio ny Jaona 6:44.

Fa inona no nolazain’i Jesosy? Izy mantsy no tena mahafantatra tsara ny toetran’i Jehovah sy ny zavatra tiany hatao. (Lioka 10:22) Hoy izy: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” I Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, mihitsy àry no mitaona antsika matoa isika lasa mpanompony sy mpanara-dia an’i Kristy. (2 Tesalonianina 2:13) Raha mandinika tsara an’io tenin’i Jesosy io isika, dia hiaiky fa tena miahy antsika tsirairay Andriamanitra.

Inona ny dikan’ilay hoe mitaona antsika i Jehovah? Entina ilazana ny hoe misarika harato misy trondro indraindray ilay matoanteny grika nadika hoe ‘mitaona.’ (Jaona 21:6, 11) Taritaritin’i Jehovah fotsiny àry ve isika, ka tereny ho tia sy hanompo azy na tsy te hanao izany aza? Tsy izany mihitsy! Avelany hifidy izay tiantsika kosa isika. (Deoteronomia 30:19, 20) Izao no ilazan’ny manam-pahaizana iray an’izany: “Tsy misy famohana azy avy atỳ ivelany ny fon’ny olona, fa tsy maintsy sokafana avy any anatiny.” Mandinika ny fon’ny olona an’arivony tapitrisa eto an-tany i Jehovah mba hahitana an’izay tena mitady azy. (1 Tantara 28:9) Inona no ataony rehefa mahita olona hoatr’izany izy?

Misarika tsimoramora an’izay ‘manana toe-po tsara’ i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 13:48) Misy fomba roa anaovany izany. Ataony aloha izay hahafahan’ny olona tsirairay haheno ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly. Omeny fanahy masina avy eo izay hitany manaiky ny vaovao tsara. Hanampy an’ilay olona izany mba hahatakatra sy hampihatra izay lazain’ny Baiboly. (1 Korintianina 2:11, 12) Raha tsy nampian’i Jehovah isika, dia tsy ho lasa mpanompony be zotom-po mihitsy sady tsy ho lasa tena mpanara-dia an’i Jesosy.

“Tsy misy famohana azy avy atỳ ivelany ny fon’ny olona, fa tsy maintsy sokafana avy any anatiny”

Inona àry no fantatsika momba an’i Jehovah Andriamanitra avy amin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:44? Mahita zavatra tsara ao am-pon’ny olona i Jehovah matoa mitaona azy. Miahy azy ireo tsirairay koa izy. Nahatakatra an’izany ilay vehivavy noresahina terỳ am-piandohana, ka tsy dia nahatsiaro ho tsy misy vidiny intsony. Hoy izy: “Tsy misy tombontsoa lehibe noho ny hoe lasa mpanompon’i Jehovah. Matoa aho nofidiny hanompo azy dia tena tiany aho izany.” Ary ahoana ny aminao? Lasa te hifandray amin’i Jehovah koa ve ianao izao satria mahalala fa miahy ny mpanompony tsirairay izy?

Famakiana Baiboly amin’ny Mey

Lioka 22-24Jaona 1-16

 

Fanampim-panazavana

Tsy Misy “Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

Ahoana no handresena ilay fiheverana hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra ianao sady tsy tiany?