Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MARTSA 2013

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no nikarakarana faty teo amin’ny Jiosy fahiny?

Vao maty ny olona iray dia nalevina, ary matetika izany no natao tamin’iny andro iny ihany. Mafana be mantsy ny andro any Israely sy ny firenena manodidina azy ka vetivety dia lo ny faty. Tsy fomban’ny Jiosy koa ny hoe nandrasana andro vitsivitsy ny maty vao nalevina. Nanala baraka an’ilay maty sy ny fianakaviany, hono, mantsy izany.

Olona efatra fara fahakeliny no voaresaka ao amin’ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly hoe maty ka nalevina ny andron’ny nahafatesany ihany. (Matio 27:57-60; Asan’ny Apostoly 5:5-10; 7:60–8:2) Rehefa maty koa i Rahely vadin’i Jakoba taona maro talohan’izay, dia tsy nentin’i Jakoba niverina mba halevina tany amin’ny fasan-drazany izy. Teny am-panaovana dia lavitra mantsy ry zareo sy ny fianakaviany tamin’izay. ‘Teny amin’ny lalana mankany Betlehema’ kosa izy no nalevina.—Genesisy 35:19, 20, 27-29.

Hita avy amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly fa nikarakara tsara ny maty ny Jiosy talohan’ny handevenana azy. Nampandroin’ny fianakaviany sy ny namany ilay maty, nohosorany zavamaniry mani-pofona sy menaka sarobidy, ary nofonosiny lamba. (Jaona 19:39, 40; Asan’ny Apostoly 9:36-41) Afaka namangy an’ilay fianakaviana mana-manjo ny mpiray tanàna sy ny olon-kafa, mba haneho ny alahelony sy hampionona azy ireo.—Marka 5:38, 39.

Ny fanaon’ny Jiosy ve no narahina rehefa nandevina an’i Jesosy?

Fahita tany amin’ny faritra maro tany Israely ny vato sokay. Tao anaty lava-bato sokay na fasana vita tamin’izy ireny no nandevenan’ny Jiosy ny havany maty. Nanaraka izay nataon’ireo loham-pianakaviana fahiny izy ireo tamin’izany. Nalevina tao amin’ny lava-bato tany Makpela akaikin’i Hebrona, ohatra, i Abrahama, Saraha, Isaka, ary Jakoba.—Genesisy 23:19; 25:8, 9; 49:29-31; 50:13.

Tao amin’ny fasana nolavahana tao amin’ny vatolampy i Jesosy no nalevina. (Marka 15:46) Tery kely matetika ny fidirana ao amin’ny fasana toy izany. Nolavahana koa ny tao anatiny mba hisy toerana maromaro hametrahana faty. Hoatran’ny talantalana ny paozin’izy ireny. Rehefa lo ny nofon’ilay maty, dia nangonina ny taolany efa maina ary natao tao anatina vata vato. Mbola misy toerana hametrahana faty amin’izay amin’ny manaraka. Toy izany no fanao tamin’ny andron’i Jesosy.

Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy nahazo nikarakara faty sy nandevina ny Jiosy rehefa Sabata. Adiny telo teo ho eo talohan’ny hanombohan’ny Sabata anefa i Jesosy no maty. Tsy tena nahavita nikarakara ny fatin’i Jesosy, noho izany, i Josefa avy any Arimatia sy ny olon-kafa talohan’ny handevenana azy. (Lioka 23:50-56) Niverina tany amin’ny fasana nandevenana an’i Jesosy àry ny namany sasany taorian’ny Sabata, mba hamita tsara ny fikarakarana azy.—Marka 16:1; Lioka 24:1.