Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA FEBROARY 2013

 TOROHEVITRA HAHASAMBATRA NY FIANAKAVIANA

Ahoana Raha Sembana ny Zanakao?

Ahoana Raha Sembana ny Zanakao?

NARY: * “Sembana i Anjara zanakay lahy. Vizana sy rera-tsaina ary kivy izahay mikarakara azy. Reraka be mihitsy ianao rehefa mitaiza zaza na dia salama aza izy. Mbola avo zato henin’izany anefa ny harerahanao raha sembana ny zanakao. Misy vokany amin’ny fifandraisanay mivady mihitsy izany indraindray.”

MIALY: “Mila fikirizana sy faharetana be ny mampianatra an’i Anjara, na zavatra faran’izay tsotra aza no ampianarina azy. Rehefa tena reraka aho, dia mitady ho lasa kizitina be amin’i Nary. Tsy mitovy hevitra izahay indraindray ka miady avy eo.”

Azo antoka fa faly be ianao tamin’ny zanakao vao teraka, ka tsy andrinao erỳ izay hitrotroana azy. Faly sahirana toa an’i Nary sy Mialy anefa ny ray aman-dreny sasany, rehefa fantany fa marary na sembana ny sombin’ny ainy.

Raha manan-janaka sembana ianao, dia mety hiteny hoe: ‘Ho vitako ve ny hikarakara an-janako?’ Aza kivy anefa, satria be dia be ny ray aman-dreny efa nahavita an’izany. Handinika olana telo mety hahazo anao àry isika, dia avy eo hijery ny toro lalan’ny Baiboly mety hanampy anao.

OLANA 1: TSY METY MANAIKY MIHITSY NY SAINAO HOE SEMBANA NY ZANAKAO.

Kivy be ny ray aman-dreny rehefa fantany hoe marary ny zanany. Hoy i Juliana, any Meksika: “Nilaza tamiko ny dokotera fa malemy i Santiago zanakay lahy,  satria tsy miasa tsara ny atidohany. Hoatran’ny nilatsaham-baratra aho tamin’izay ka tsy nino mihitsy.” Mety hieritreritra toa an’i Villana, any Italia, koa ny ray aman-dreny sasany. Hoy izy: “Izaho mihitsy no diso fa efa fantatro hoe mety hanan-kilema ny zanako raha mbola miteraka aho. Efa nahazoazo taona mantsy aho nefa mbola niteraka ihany dia sembana izy izao.”

Ara-dalàna raha kivy be ianao na manamelo-tena. Tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra mantsy ny hoe harary ny olombelona. (Genesisy 1:27, 28) Koa raha marary ny ankizy, dia ho sarotra amin’ny ray aman-dreny ny hanaiky an’izany, satria tsy noforonina hahavita hanaiky an’izany izy ireo. Rariny àry raha malahelo ianao rehefa marary ny zanakao. Mety hila fotoana elaela ianao vao ho afaka izany, ka ho zatra an’ilay izy ihany.

Ahoana raha mihevitra ianao fa ianao no nahatonga ny zanakao harary? Tadidio fa tsy misy tena mahafantatra hoe nahoana no mahatonga ny zaza harary ny manodidina azy, ny aretina nolovany tamin’ny ray aman-dreniny, na ny zavatra hafa. Ary ahoana indray raha mitady hanome tsiny ny vadinao ianao? Aza manao izany mihitsy! Tokony hiara-hiasa kosa ianareo ary hifantoka amin’ny fikarakarana an’ilay zaza.—Mpitoriteny 4:9, 10.

SOSO-KEVITRA: Fantaro tsara izay tena mahazo ny zanakao. ‘Fahendrena no ilaina mba hanatanjahana ny ankohonana’, hoy ny Baiboly, “ary fahaiza-manavaka no ilaina mba hahamafy orina azy.”—Ohabolana 24:3, fanamarihana ambany pejy.

Afaka manontanintany dokotera ianao, ary mijery boky azo itokisana momba ny fahasalamana. Hoatran’ny mianatra teny vahiny ianao rehefa miezaka mamantatra tsara ny aretin’ny zanakao. Mety ho sarotra izany amin’ny voalohany, nefa ho hainao ihany amin’ny farany.

Nanao izany i Nary sy Mialy, izay noresahina teny am-piandohana. Nanontany ny dokoterany izy ireo ary nanatona fikambanana manampy olona voan’ny aretina mitovy amin’ny an’ilay zanany. Hoy izy ireo: ‘Tsy ny olana mety hitranga ihany no nanjary fantatray, fa ny zavatra tsara mety ho vitan’ilay zanakay koa. Lasa fantatray fa mety hahavita ny zavatra sasany fanaon’ny olona ihany izy. Tena nankahery anay izany.’

ANDRAMO IZAO: Izay zavatra vitan’ny zanakao foana eritreretina. Manaova fandaharana mba ho tafaraka manao zavatra ny fianakavianareo. Derao ilay zanakao raha vao misy zavatra tsara vitany, na dia faran’izay kely aza ilay izy, ary miaraha mifaly aminy.

OLANA 2: RERAKA BE IANAO SADY MAHATSAPA FA TSY MISY AZONAO IRESAHANA.

Mety ho vizana be ianao mikarakara ilay zanakao marary. Hoy i Jenney, reny any Nouvelle-Zélande: “Nilaza tamiko ny dokotera, taona vitsivitsy lasa izay, fa voan’ny aretin’ny hazondamosina ny zanako. Isaky ny hanao zavatra hafa ankoatra ny raharaha fanaoko aho taorian’izay, dia tsy mahavita mihitsy fa reraka be, ary ilaozako mitomany fotsiny.”

Mety hahatsapa koa ianao hoe tsy misy azonao iresahana ny manjo anao. Voan’ny aretin-kozatra sy aretin’i Asperger ny zanak’i Benja. Hoy i Benja: “Tsy ho takatry ny olona mihitsy izay tena mahazo anay.” Mety mba te hamboraka ny ao am-ponao amin’ny namanao ihany ianao, saingy misalasala satria salama tsara daholo ny zanak’izy ireo.

SOSO-KEVITRA: Mitadiava fanampiana, ary aza mandà raha misy te hanampy anareo. Niaiky i Juliana, noresahina tany aloha, hoe: “Menatra ny hangataka fanampiana izahay mivady indraindray.” Hoy anefa izy: “Hitanay hoe tsy mahavita tena izahay. Tsy dia nahatsiaro ho irery izahay rehefa nisy nanampy.” Mety hisy namana na havana akaiky te hiara-hipetraka amin’ilay zanakao, ohatra, rehefa misy fotoan-dehibe na rehefa manatrika fivoriana kristianina. Aza lavina izy ireo fa mba isaory. Hoy mantsy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

Karakarao tsara ny fahasalamanao. Mila maka lasantsy tsy tapaka ny fiara mpitondra marary, raha tsy izany tsy hahavita hitatitra marary any amin’ny hopitaly. Toy izany koa fa mila manao izay hampahatanjaka anao foana ianao raha te hikarakara tsara foana ny zanakao marary. Mihinàna àry sakafo ara-dalàna tsara, manaova fanatanjahan-tena, ary mialà sasatra. Izany no ataon’i Jaona, izay manan-janaka kilemaina. Hoy izy: “Tsy afaka mandeha ny zanako lahy. Miezaka misakafo tsara àry aho satria izaho no mpibata azy. Hoatran’ny hoe ny tongotro ihany no tongony!”

Ahoana anefa no ahitanao fotoana hikarakarana ny fahasalamanao? Misy ray aman-dreny mifandimby mikarakara ny zanany, ka afaka miala sasatra na mikarakara izay ilainy ny iray amin’izy ireo. Mila ahenanao koa ny fotoana laninao anaovana zavatra tsy dia ilaina. Mety ho sarotra izany, nefa “ho zatra ihany ianao amin’ny farany”, hoy i Mayuri, reny any Inde.

Miresaha amin’ny namana azo itokisana. Mety hihaino tsara anao sy hiara-miory aminao mantsy ny  namanao, na dia tsy manan-janaka marary aza izy ireo. Afaka mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra koa ianao. Tena hanampy anao izany. Manan-janaka mianadahy marary i Mino. Samy voan’ny aretin’ny taovam-pisefo sy ny sarakaty izy dahy. Hoy i Mino: “Nisy fotoana aho niady saina be ka efa saika tsy zakako intsony ilay izy. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa aho mba hanampy sy hanome hery ahy. Nanjary natoky aho avy eo hoe ho vitako ny hikarakara foana an-janako.”—Salamo 145:18.

ANDRAMO IZAO: Diniho indray hoe inona no sakafo fihinanao, rehefa inona ianao no manao fanatanjahan-tena, ary adiny firy ianao no matory. Jereo koa raha azonao atokana hikarakarana ny fahasalamanao ny fotoana laninao hanaovana zavatra tsy dia ilaina. Amboary foana ny fandaharam-potoananao raha ilaina izany.

OLANA 3: VARIANA MIKARAKARA NY ZANAKAO MARARY IANAO KA TSY DIA MAHATSIARO NY ANKOHONANAO HAFA.

Mety hiova ny sakafo hohanin’ny fianakaviana rehefa marary ny zaza iray. Miova koa angamba ny toerana halehan-dry zareo, ary mihena ny fotoana iarahan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany hafa. Mety hieritreritra àry ny ankizy hafa hoe tsy raharahaina izy. Mety ho variana loatra mikarakara ny zanany marary koa ny mpivady, ka lasa tsy dia mifandray tsara intsony. Hoy i Lionel, ray any Liberia: “Milaza ny vadiko indraindray hoe tsy dia miraharaha ny zanakay lahy aho, ary izy daholo no manao ny zava-drehetra ao an-trano. Hoatran’ny tsy manaja mihitsy izy ka mba valiako koa indraindray.”

SOSO-KEVITRA: Asehoy amin’ny zanakareo rehetra hoe mikarakara azy ianareo. Miaraha manao zavatra mahafinaritra azy ireo. Hoy i Jenney, voaresaka tany aloha: “Manao zavatra manokana ho an’ny zanakay lahimatoa izahay indraindray, eny fa na dia hoe misakafo any amin’ny hotely tiany indrindra fotsiny aza.”

Karakarao tsara daholo ny zanakao

Miresaha amin’ny vadinao ary miaraha mivavaka aminy mba hifankatia foana ianareo. Izany no nataon’i Aseem. Raim-pianakaviana any Inde izy ary manan-janakalahy voan’ny androbe. Hoy izy: “Na reraka sy kivy be aza izahay mivady indraindray, dia mbola manokana fotoana iresahana sy iarahana mivavaka ihany. Miara-mandinika andininy iray ao amin’ny Baiboly izahay isa-maraina, alohan’ny hifohazan’ny zanakay.” Ny ray aman-dreny sasany indray miresaka mitokana alohan’ny hatory. Raha miresaka mitokana sy miara-mivavaka foana ianareo mivady, dia vao mainka hifankatia, indrindra amin’ny fotoana tena mampiady saina anareo. (Ohabolana 15:22) Hoy ny mpivady iray: “Indraindray izahay nahatsapa hoe nangidy ny fiainanay. Tamin’ireny fotoana ireny anefa no nahitanay ny mamy indrindra koa.”

ANDRAMO IZAO: Derao ny zanakareo hafa rehefa manampy anareo hikarakara ilay zaza marary. Asehoy amin’ny vady aman-janakao foana fa tianao izy ireo ary ankasitrahanao izay ataony.

AZA KIVY MIHITSY

Mampanantena Andriamanitra fa tsy ho ela izy dia hanafoana ny aretina sy ny kilema rehetra manjo ny olona, na antitra na tanora. (Apokalypsy 21:3, 4) ‘Tsy hisy hilaza hoe marary’ intsony amin’izay. *Isaia 33:24.

Dieny izao anefa ianao dia efa afaka ny hahavita hikarakara tsara ny zanakao marary. Hoy i Nary sy Mialy, noresahina terỳ aloha: “Aza kivy raha toa tsy dia mandeha tsara ny zava-drehetra. Be dia be ny zavatra tsara mety ho vitan’ilay zanakao, ka ireny ifantohana.”

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 29 Miresaka bebe kokoa momba izany fampanantenana izany ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no ataoko mba hahatonga ahy hatanjaka sy hatanja-tsaina ary hifandray tsara amin’Andriamanitra foana?
  • Oviana aho no nidera farany ny zanako hafa noho izy ireo manampy anay?